Iran: Bilaogera Mihetsika Ho An'ny Zon'ny Biby

(Marihina fa tamin'ny 31 Janoary 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tamin'ny fahavaratry ny taona 2007,  nanomboka nisambotra alika ny polisy tao Iran. Tsy alika mirenireny anefa ireo fa biby manan-tompo miaraka mandeha amin'ny tompony. Raha nihena ny fisamborana alika rehefa afaka tapa-bolana dia mbola niely patrana ny fampijaliana biby ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran .

Soa ihany fa maro ny bilaogera no nanohana ny hetsika nataon'i Mino Saberi, bilaogera monina ao Iran mba hiarovana ny zon'ny alika, ny vorona, ny saka, sy ny biby hafa eto ambonin'ny tany .

Manolotra [fa] ny lahatsorany ho an'ny Fahitalavi-pirenena Iraniana sy ny taleny Ezetollah Zarghami i Mino Saberi:

آقای ضرغامی من هم چون شما مسلمان‌زاده‌ام ..، خدا را می‌پرستم و به تمام مقدسین عالم احترام می‌گذارم و تمام مخلوقات خدا را دوست می‌دارم، مگر می‌شود خدا را پرستید وآن‌چه را که خلق کرده دوست نداشت؟!
آقای ضرغامی، شما رسالت سنگینی بردوش‌تان هست و گمان می‌کنم از بخشی از آن بی‌خبرید. ..
رسالت شما تنها این نیست که از مردم بی دفاع و مظلوم این کشور و آن کشور دفاع کنید، نگاهی به دور و برتان بیندازید، گاه نگاهی هم به برنامه‌های ساخته شده از همین تلویزیون که شما ریاست‌اش را بر عهده دارید بیندازید.
دشمنی با حیوانات بی‌آزار و مظلوم تا کی؟ آن‌هم از یک رسانه پرقدرت و پرمخاطب…ما، یعنی جمعی از وبلاگ نویسان خواهان این هستیم که رسانه‌ها خصوصا” تلویزیون در برنامه‌های خود بخشی هم به آموزش مهربانی با طبیعت، چه حیوانات و چه گیاهان بدهند.

“Atoa Zarghami, teraka tao anatin'ny fianakaviana Miozolomana toa anao aho ary … manompo an'Andriamanitra sy tia ny zavaboariny rehetra. Afaka manompo an'Andriamanitra ve isika kanefa tsy tia ny zavatra nohariany? … Tsy ny hiaro ny olona ampahorina eto amin'ity firenena ity na amin'izany firenena izany ihany no andraikitrao. Topazo maso ny manodidina anao sy ny fandaharan'asa izay novokarina ao amin'ny fikambananao. Mandra-pahoviana ny fitohizan'ny fankahalana ny biby, indrindra fa eo amin'ny fampitam-baovao matanjaka toy ny anao …  Tsy mifanohitra amin'ny resaka fomba fampijaliana ny olona ny resaka momba ny zon'ny biby… Izahay, vondrona bilaogera, dia mila ny Fahitalavi-pirenena  Iraniana  mba hamokatra fandaharana mampianatra ny hatsaram-panahy ho an'ny natiora , ny biby sy ny tontolon'ny zavamaniry. “

Nilaza ihany koa izy fa nampianatra ny hatsaram-panahy manoloana ny biby i Muhammad, ilay Mpaminany .

Nanoratra [fa] i Sadaf-Farahani  fa manana ny fakany ny fampijaliana biby, na io olana ara-tsaina na avy amin'ny fanabeazana tsy manjary.

Manohitra [fa] ny famonoana ny alika mirenireny sy ny alika kely zanany i Asalijon . Mizara ny zavatra niainany niaraka tamin'ny alika nirenireny antsoina hoe Magnolia sy ny alika kely zanany miisa fito ilay bilaogera. Matin'ny bala indray andro io alika io sy ny fianakaviany hoy ilay bilaogera. Manontany i Asaljoon  raha toa ka rariny ny fanapahan-kevitry ny manampahefana Iraniana amin'ny famonoana ireo biby tsy manantsiny ireo.

Hoy i Bidari raha nanoratra [fa]

متاسفانه اتفاقات ناهنجار و آزار و اذیت حیوانات در مملکت ما کم کم تبدیل به یک فرهنگ می شود . از خاموش کردن ته سیگار روی تن گربه ها گرفته ، تا بریدن گوش سگ های خیابانگرد و بی توجهی به پرندگانی که هرروز تعدادشان کمتر از قبل می شود.(کافی است نگاهی به اطرافتان بیندازید تا متوجه درستی این مطلب شوید)
در این تغییر فرهنگی و گرایش مردم به نادیده گرفتن حیوانات نمی توان از نقش رسانه ملی صرف نظر نمود ! رسانه ای که می تواند پیام آور صلح و دوستی و توجه به این موهبت های بی نظیر خداوند باشد، نه تنها حرکتی در جهت دوستی مردم با حیوانات ،که بخشی از این طبیعت هستند نمی کند ، بلکه بسیار در سریال ها و فیلم ها و سایر برنامه های تلویزیون می بینیم که آزار و اذیت حیوانات امری طبیعی و عادی جلوه داده می شود.

” Lasa anisan'ny kolontsaintsika tsikelikely ny fampijaliana biby, toy ny famonoana sigara amin'ny saka , manapaka ny sofin'ny alika mirenireny, ary ny mihamihena hatrany hatrany ny fikarakarana vorona efa mihena isa . Raha tokony hampiroborobo ny finamanana sy ny hatsaram-panahy manoloana ny biby ny fahitalavitra nasionaly dia mandefa fandaharana tahaka ny mety ny fampijaliana sy ny tsy firaharahiana biby izy ireo . “

Tsy nisy ny biby naratra tamin'ny nanoratana ity lahatsoratra ity.  Antsoina hoe “Lisa” ny sarin'ny alika etsy ambony  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.