- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andron'ny Zavamamy Japoney, Midika Fa Feno Sarinà ‘Wagashi’ Mampiraraka Ivy ao Amin'ny Twitter

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
水仙まんじゅう

Manamboatra suisen manjuu (水仙まんじゅう) ao Iseya, trano fivarotana sy fanamboarana zavamamy nentim-paharazana Japoney ao Obama, prefektioran'i Fukui Prefecture. Sary an'i Nevin Thompson.

Ny 16 Jona dia Andro Fankalazàn'ny Japoney ny Zavamamy Nentindrazany [1] ka tamin'ny fampiasàna ny tenifototra “#和菓子の日 [2]” (wagashi no hi) dia nampakatra ny saripikan'ireo izay tena ankafiziny ireo mpampiasa Twitter.

Ireo zavamamy nentindrazan'ny Japoney, fantatra amin'ny hoe wagashi, [3]dia efa ela no nampifandraisina tamin'ny harena sy ny fanomezana, ary ny Andro Fankalazana ny Zavamamy nentindrazana dia nohajaina foana nandritry ny arivo taona mahery. Amin'izao andro izao ny wagashi dia mbola ampahany manandanja amin'ny fombafomba Japoney rehefa lanonan'ny fisotroana dite, ary misy an-jatony maro ihany koa no malaza sy ankafizin'ny olona amin'ireo karazan-javamamy.

Ohatra, ny dorayaki, karazana mofomamy iray nosesehana fetan-tsaramaso mena nomamiana, mbola tena sakafo ankafizina be tokoa.

Arahaba nahatratra ny 16 Jona Andron'ny Wagashi! = #和菓子の日 [2] na  ny Andro Fankalazana ny Zavamamy Nentindrazana Japoney ?

Hanombohana ilay andro fialantsasatra, nohazavain'ny yuru-kyara Japoney (endrika famantarana) iray mitazona dango (bolabolam-bary madity mifangaro mochi izay matetika aroso miaraka amin'ny dite), zavamamy iray malaza nentindrazana, ny loharano nipoiran'ilay andro:

Arahaba, izaho no Taishikun, masoivoho ofisialin'ny wagashi eto Osaka. Andron'ny no hi wagashi ny 16 Jona! Tany aloha elabe tany, tamin'ny andro fahagola, ny taonjato faha-16 isika dia nihinana karazana wagashi 16 mba hiantohana ny hasambarantsika. “kajou” (嘉祥, 嘉定) no niantsoana izay andro izay tany ampiandohana. Ary araka izany dia ny taonjato faha-16 no wagashi no hi.

Iray hafa koa i Gunma-chan, izay misolo tena ny prefektiora Japoney avy ao Gunma,  nampiseho wagashi vitsivitsy vita voatra maneho ireo antsipirihany mila tandremana fatratra sy hita iraisan'ny karazany sasany amin'ireo zavamamy Japoney:

[…] Koa satria wagashi no hi androany, ireto misy wagashi vitsivitsy izay mitovy amiko, Gunma-chan. Izy ireto dia nokarakaraina tany an-tanànan'i Kiryu, any an-tendrombohitr'i Gunma.

Marobe ny olona no nampakatra ny sarin'ireo vatomamy tena ankafiziny indrindra:

Toa hoe androany ny wagashi no hi! Ity misy saripika iray ahitàna sasantsasany amin'ireo momoyama (namboarina avy amin'ny kobam-bary) sy nerikiri (zavamamy iray namboarina amin'ny fetan-tsaramaso fotsy azuki, siramamy sy yamaimo, karazana saonjo iray avy any an-tendrombohitra) izay nohaniko herintaona lasa izay.

[…] Ireto ny sasany amin'ny sarin'ireo zavamamy nentindrazana Japoney ankafiziko fatratra. (❁´ω`❁)

Miseho amin'ny endrika sy habe isankarazany ny wagashi, ny sasany miaingitraingitra ary ny hafa miendrika taokanto kokoa.

Ireto tena matsiro fatratra #sary_mahafinaritra #sary #wagashinohi #araho_aho

Satria fotsiny ny wagashi mifamatotra amin'ny kolontsaina nentindrazana Japoney, araka izany i Kyoto renivohitry ny fanjakàna imperialy fahiny dia manana ny fombany manokana mifandray amin'ny fomba fisotro dite sy ny fanamboarana zavamamy. Ny toerana iray fisotroana kafe Japoney dia nampiasa vola tamin'ny wagashi no hi mba hanasàna ny olona hanandrana ireo asa famoronana manokana nataony mialoha ny Gion Matsuri [19], iray amin'ireo fetibe malaza indrindra ao Japàna, efa tranainy an'arivo taonany toy ny fombandrazana wagashi no hi ihany koa.

Arahaba maraindraina! Roa herinandro sisa dia ho tonga ny Gion Matsuri ary ny fanombohan'ny lohataona aty Kyoto. Ny […] Kyoguku [24], ny kafe nentindrazantsika Japoney, dia hisokatra androany ho an'ny wagashi no hi, manomboka amin'ny 11:30 antoandro. Manantena izahay hahita anareo!

Tempoly #Shimizu #Japanesestylecafe #wagashinohi

Tsy mijanona fotsiny amin'ireo zavamamy mafilotra ny wagashi Japoney. Ny gilasy safoina, aroso miaraka amin'ny dite macha sy ‘sirop macha’ , koa dia malaza any amin'ireo toerana fisotroana kafe nentindrazana Japoney sasany.

 wagashi no hi izao, noho izany dia mihinana macha izahay.

Mazava loatra, andraman'ireo mpivaotra ihany koa ny hitady tombony avy amin'ilay tenifototra tamin'ny 16 Jona. Ny Glico, goavana amin'ny fanamboarana vatomamy, dia nampahatsiahy ny olona rehetra ireo vokatra avy ao aminy. Na tsy tena nentindrazana loatra aza, lasa nalaza manerana izao tontolo izao ity sakafo Japoney ity.

Efa 50 taona mahery ity vatomamy ity no nisy nampiditra voalohany tao Japàna. #wagashinohi

Raha hijery sary bebe kokoa momba ireo zavamamy nentindrazan'ny Japoney, araho ny tenifototra  #和菓子の日 [2] ao amin'ny Twitter.