Fiandohan'ny Fahavaratra ao Koety

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Jolay 2008 ity adika eto ity)

Noho ny fitomboan'ny merkiora satria fahavaratra ao Koety, sahirana mitady fialam-boly amin'ity vakansin'ny fahavaratra ity ny bilaogera.

Anisan'izany i Zdistrict, izany nankany amin'ny nosy Kubbar. Nanoratra izy hoe:

This was a bit of a hot weekend and going to Kubbar didn’t seem like a bad idea, I wanted to jump in some water too cool off. Took about 20 minutes to get things ready on the boat, and waiting for a few people before heading off to Kubbar. It was hot as hell on the deck, and I wanted to jump right into the water but the water in the Marina is somewhat disgusting so I opted out, instead I was rubbing ice cubes on my head which melted rather quickly.

Faran'ny herinandro somary mafana izao ka toa hevitra tsara ny mankany Kubbar, te hitsambinkina anaty rano mangatsiaka aho. 20 minitra teo no niomana handeha sambo, miandry olona vitsivitsy alohan'ny fiaingana ho any Kubbar. Nafàna toy ny helo tao ambony sambo, te hitsambikina avy hatrany tao anaty rano aho saingy somary maharikoriko ny rano ao Marina ka tsy sahy aho, fa naleoko nanisy vaingan-dranomandry teo amin'ny lohako, izay nitsonika haingana.

Mandritra izany, Desertgirlkuwait kosa nankany Kabd. Namaritra ny fivoahany tahaka izao izy:

abd is pronounced “chebd” in local dialect. “Chebd” means liver in Arabic. Don't ask me about the correlation. I don't know.

Since the government bulldozed the entire Funaitees area off of Fahaheel Expressway (30) where most of the farms used to be, almost the entire former population has moved their farms to Kabd. Nobody (except for my friend, M, whose wife kicked him out of the house) lives in these places as they were intended for agricultural use. (When I say “agricultural” I mean “party”.)

Tononina hoe “chebd” amin'ny tenim-paritra ny abd. “Chebd” dia midika volafotsy amin'ny teny Arabo. Aza manontany ahy momba ny fifandraisany. Tsy fantatro izany.

Hatramin'ny nanafoanan'ny governemanta ny faritra Funaitees manontolo ao Fahaheel Expressway (30) izay nisy ny ankamaroan'ireo tanimboly, saika ny mponina taloha manontolo no namindra ny tanimbolin'izy ireo tao Kabd. Tsy misy olona (ankoatra ny namako, M, izay noroahan'ny vadiny tao an-trano) monina ao amin'ireo toerana ireo satria natao ho ampiasaina amin'ny fambolena izy ireo. (Raha miteny aho hoe “fambolena” ny tiako ambara dia hoe “fety”.)

Chillnite indray nankany Kuwait Aquarium ary nanoratra hoe:

Over the weekend we decided to visit the Kuwait Aquarium located in the Kuwait Scientific Center. One word ‘Fantabulous‘…

If you are bogged down by the heat, or over stressed with work, or would like to let off some steam…just drop by at the aquarium.

Nandritra ny faran'ny herinandro, nanapa-kevitra hitsidika ny Dobo fitaratra (Aquarium) Koety ao amin'ny Foibe Ara-tsiantifika Koety izahay. Teny tokana ‘Mahafinaritra‘…

Raha sempotry ny hafanana ianao, na reraky ny asa, na te-hanala azy kely…mankanesa any amin'ny dobo fitaratra.

Sary avy amin'i zdistrict

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.