- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fanentanana Iraisam-pirenena Ho Fanohanana An'ireo Mpitsabo Nogadraina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2008 ity adika eto ity)
[1]

Satria nanomboka tamin'ny 3 Aogositra tao Meksika ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba Ny Sida XVIII [2], nogadraina [3]ireo Iraniana roa manam-pahaizana momba ny VIH/SIDA, noho izy ireo voampanga fa nikasa hanongana ny fanjakana Iraniana.

Mpirahalahy ireo mpitsabo anankiroa: Kamira sy Arash Alaie, ary nitarika fanentanana fanabeazana sy fisorohana ny loza eo amin'ireo mpidoroka zava-mahadomelina, mpivaro-tena, sy gadra ao Iran ary manerana ny Afovoany Atsinanana. Nosamborina izy ireo tamin'ny volana lasa, ary tsy mbola manana mpisolovava.

Matetika ireo bilaogera Iraniana mavitrika amin'ny fanohanana ny antso famotsorana gadra politika sy mpikatroka fiarahamonina, saingy somary nangina izy ireo tamin'ny raharaha Alaie mirahalahy. Sahirana loatra amin'ny toe-javatra hafa ve? Sarotra ny maminavina ny antony, saingy soa ihany fa nisy ny fanentanana iraisam-pirenena ho fanohanana azy roa lahy.

Namoaka lahatsary tao amin'ny YouTube ny fikambanana Physicians for Human Rights (Dokotera ho an'ny Zon'Olombelona), [4] mangataka amin'ny governemanta Iraniana mba hamotsotra azy mirahalahy.

https://youtube.com/watch?v=I6KXoGixRsA

Nanatontosa fanentanana tamin'ny Facebook [5]ilay kandidà doktorà ao amin'ny Oniversite Boston sady naman'i Kamiar mba hampahafantatra an'izao tontolo izao momba ireo gadra mirahalahy. Nanangana [6] klioba mpanohana tao amin'ny Facebook i Trout, izay mihoatra ny 350 ny olona efa mpikambana ao amin'izany. Afaka mijery ny lisitr'ireo tati-baovao momba ny Alaie mirahalahy ihany koa ny mpikambana ary nangatahana mba hanoratra any amin'ny Minisitry ny Fahasalamana Iraniaina sy ny masoivoho Iraniana ao amin'ny firenen'izy ireo manokana mikasika ny ahiahian'izy ireo.

Nilaza [7] ilay bilaogera Zirkhat fa nanizingizina tamin'ny antsafa ny renin'ireo mpitsabo roa ireo fa tsy manao politika izy roa lahy, fa ara-tsiansa ihany no ataon'izy ireo. Nilaza ihany koa ilay bilaogera fa notombanan'ny iray tamin'izy roalahy fa nitombo 70.000 mahery ny olona voan'ny VIH ao Iran, raha 30.000 izany roa taona lasa, ary 10.000 efa-taona lasa. Nilaza ilay bilaogera fa toa nanao famoretana tamin'ny mpianatra, mpiasa sy vehivavy mpikatroka ny manampahefana, ary voasambotra koa ankehitriny ny mpitsabo.

Bilaogera maromaro tahaka an'i Nokhostin no namoaka indray [8] ny taratasin'ny Mpitsabo misahana ny Zon'Olombelona ho an'ny filoha Iraniana, Mahmoud Ahmadinejad, taratasy mangataka ny famotsorana azy ireo.