- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh: Misioka sy Mibilaogy Momba Ny Horohorontany

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny jolay 2008 ny lahatsoratra teny anglisy)

Namely ny tanànan'i Dhaka tamin'ny 27 Jolay tamin'ny 00:51 ora teo, ora Bangladesh (+6 GMT) ny horohorontany antonony. Mitatitra [1] izany ao amin'ny bilaoginy i Russell John:

I was lying on my bed talking to a friend on the phone, and I suddenly felt that the bed was shaking. Within 3 seconds, it stopped. My first impression was that a cat got under my bed and it was shaking it, but then I realised that it's impossible as the bed is way too heavy. (Plus there was no cat, I checked!)

I quickly asked my friends on IRC, and they said they felt it too.

So it was an earthquake for real! Quake in Dhaka at 12:51 AM!

Nitsilailay teo am-pandrianako aho niresaka tamin ny namana an-telefaonina, ary tampoka teo, nahatsapa fa nihovitrovitra ny fandriana. Nijanona izany tao anatin'ny 3 segondra. Ny fahatsapako voalohany dia hoe nisy saka tao ambany fandriana ary nanozongozona izany, saingy avy eo tsapako fa tsy mitombina izany satria mavesatra loatra ny farafara. (Sady tsy nisy saka koa, rehefa nohamariniko!)

Nanontany haingana ny namako tao amin'ny IRC aho, ka nilaza ireo fa nahatsapa izany koa.

Kay horohorontany izany! Horohorontany tao Dhaka tamin'ny 12:51 atoandro!

Nisioka [2] teo no eo i Russell:

Oh my God, I just felt an earthquake!

Andriamanitra ô! Vao avy nahatsapa horohorontany aho

Tao anatin'ny minitra manaraka, nanomboka nipoitra ireo sioka manamafy fa nandre horohorontany ihany koa izy ireo

Munaz ao amin'ny Tsy misy ho very sy tsy misy azo ho tombony (Nothing to Lose and Nothing to Gain) nizara [3] ireo sioka avy amin'ny namana sasany:

Munaz of Nothing to Lose and Nothing to Gain shared [3] the tweeter feeds of some of

tweet

Sarotra hita ireo vaovao tanaty aterineto (ankoatra ireo bilaogy Bangla [4] sasany) ka niezaka hahazo vaovao farany ny tsirairay. Nifandray tamin'ny Foibem-baovaom-pirenena momba ny Horohorontany, Fanadihadiana Ara-jeolojia Amerikana i Bauani ao amin'ny bilaogim-baovaoInformation blog) ary namoaka ny zavatra hitany [5]:

Magnitude: 4.9
Date-Time: Saturday, July 26, 2008 at 18:51:49 UTC
Location: 24.773°N, 90.480°E
Depth: 5.2 km (3.2 miles) (poorly constrained)
Region: BANGLADESH

Refy: 4.9
Daty-Ora: Asabotsy, 26 Jolay 2008 tamin'ny 18:51:49 UTC
Toerana: 24.773°N, 90.480°E
Halaliny: 5.2 km (3.2 maila) (zara raha tery)
Faritra: BANGLADESH

Namoaka ireo vaovao farany [6] ihany koa izy rehefa misy izany.

Toa tsy nisy ny niharam-boina [7]saingy nampihovitrovitra ny vahoaka tao Dhaka, tanàna be mponina izany.

Rumi ao amin'ny The Middle of Nowhere [8] nanoratra hoe:

map
Sarintanin'ireo takelaka tektonika lehibe sy kely manerantany

If you can locate Bangladesh in the world map, you will see two plate boundaries, i.e. two fault lines cross Bangladesh….many scientists have been warning about the probability of a devastating 8-9 Richter scale catastrophic earthquake in the northeastern and southeastern parts of Bangladesh.

So, (a) major earthquake is also possible in Bangladesh. Are we ready?

Raha mahita an'i Bangladesh ao anatin'ny sarintanin'izao tontolo izao ianao, dia mahita sisintany takelaka roa, izany hoe tsipika diso roa miampita an'i Bangladesy …. mpahay siansa maro no nampitandrina momba ny mety hisian'ny horohorontany mandravarava amin'ny maridrefy Richter 8-9 ao  avaratra atsinanana sy atsimo atsinanan'i Bangladesh.

Noho izany, (a) mety hisy horohorontany lehibe koa ao Bangladesh. Vonona ve isika?