Fitsidihana Bilaogy Libiana: Firenena Vaky Fo

(Fanamarihana. lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2008)

Raha mpinompino foana aho, mety hiteny hoe nototoim-bintana ireo Libiana bilaogera. Volana iray talohan'ny Andron'ny Mpifankatia, betsaka tsy toy ny nahazatra ireo tratry ny alahelo am-po, ary ny lehibe indrindra miohatra amin'ny fiara fitobian'ny olam-piainana. Fiarandalamby haingam-pandeha mifaoka ny zavatra rehetra eny amin'ny làlany io, na lahy na vavy dia samy voa avokoa.

Ndeha ho atombotsika amin'i Romana, tovovavy iray mavitribitrika. Amin'izao fotoana rehefa manapotsitra ny rohy ao aminy ianao dia ity no hafatra mandray anao ” nosokafana fotsiny ho an'ireo mpamaky nahazo fanasàna ity bilaogy ity”. Ho ahy io dia midika hoe eo am-piandrasana izy alohan'ny hanaovany hetsika henjana hamafàny ny bilaoginy.

Manaraka ao anatin'ny lisitra i  A. Adam avy amin'ny Flying Birds, izay tsy hitahita intsony koa taorian'ireo andianà tononkalo miresaka fitiavana sy fo maratra.

A.Akak
, dia manontany hoe ” toy inona no tena haben'ny ratra ateraky ny fanaintainana?”.

Libyan Violet nanomboka ny tantara iray antsoina hoe “Mafy ny Fitiavana“, izay toa itolomany amin'ny fivadihana :

” Avy eo izy nanao vava tsy ambina, nandoatra ny tao am-pony, feno ny masony ary nihevitra izy fa ho faty noho ireo fananintainana mampanonjanonja azy. Nanomboka nisavoamboana ny vatany iray manontolo ary avy hatrany izy dia vonton-katsembohana. Te-handady ambany vatobe iray izy mba ho faty, saingy maty tao anatiny fanindroany indray izy” .

PH, avy amin'ny My Personal Space, dia manana lohateny mistery “sokafy ny fonao”. Ity ireo ampahany avy amin'ny tononkira nozarainy:

“Ho faly ve aho anio,
Hanirery ve aho rahampitso,
Miankina aminao ny zavatra rehetra,
Ary efa niandry aho
Ireo anjely handondona ny varavarako
Efa nanantena aho
Fa ho toy ny taloha ny zavatra rehetra
Sokafy ny fonao
Ka lazao ahy izay tsy metimety”

Na vazivazy momba ireo Libiana mpiasa aza no nanombohany ny lahatsorany, toy ny tetika fandresena lahatra tsy nahomby ho fanafenana ny alahelo manafotra azy ilay hafatra.

Safia Speaks nangina tampoka ka loko mainty sy manga arahana fehezanteny hoe “tsy hisy intsony fanoratana bilaogy” ( milaza olana tena tsy sangisangy) no nisolo ilay lafiky ny efijeriny niloko maitso antitra.

Very maromaro ny tontolon'ny bilaogy Libiana, ary mirary soa ho azy isika no sady manantena azy sy ireo hafa rehetra fa hiverina tsy ho ela.

Farany, ny lahatsoratra farany avy amin'i Highlander, nitondra lohateny hoe  “hadisoam-panantenana” dia tena faran'izay mampiahiahy tokoa, indrindra rehefa manontany izy raha toa ka “ny fahafatesana no hany sisa andrasana”.

” Mivavaka ianao no sady manonofy hoe maty isaky ny matory ianao rehefa alina dia mifoha miatrika ny zavatra efa nisy teo ihany:  dia ireo tsilo nanomboka nihodidina ny fonao sy ireo vongan-dranomandry manatrobaka azy..”

Tena tontolo mampalahelo tokoa.

Ataovy mirana ny tava ry Libiana bilaogera a – andro hafa indray rahampitso!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.