- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary Fitaka Anamarinana Ny Fiverenan'ny Lalàna Miaramila ao Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Tantara
[1]

Vao haingana ny tranonkalam-baovaon'ny governemanta Filipiana no nampiasa ity sarina miaramila Amerikana tao an-tanàna Vietnamiana tamin'ny taona 1966 ity mba hitatitra momba ny fampiharana ny satan'ny lalàna miaramila ao Mindanao. Sary tao amin'ny Wikipedia. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Napetraka teo ambanin'ny lalàna miaramila [2] tamin'ny 23 Mey 2017 ny nosy atsimon'i Filipina, Mindanao – nosy faharoa lehibe indrindra ao Filipina, noho ny fanafihan'ny vondrona iray ahiahiana ho misy ifandraisany amin'ny ISIS ny faritra maro tao  Marawi City. Raha maro ireo nanohana ny fanapahan-kevitry ny governemanta mba hanenjika ireo milisy nanafika ny tanàna, nisy ihany koa ireo mpitsikera mihevitra fa tsy voatery natao ny fanambarana lalàna miaramila manerana ny nosy iray manontolo.

Ny ahiahy momba ny lalàna miaramila dia mikasika ny traikefa mangidy niainan'ny firenena nandritra ny fitondrana jadon'i Marcos tamin'ny taona 1970, raha nitarika fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona sy famerana ny fahalalahana sivilin'ny olona ny lalàna miaramila.

Angamba mba hanangonana ny fanohanan'ny vahoaka ho an'ny lalàna miaramila, nanomboka nizara sary avy any amin'ny firenen-kafa ny manampahefana sasany sy ny mpanohana ny governemanta, miezaka mampita azy ireny ho fanehoana ny zava-misy ao Mindanao. Sahirana namantatra ny sary ireo mpisera aterineto.

[3]

Pikantsary tamin'ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny tranonkalam-baovaon'ny governemanta Filipina. Nalaina tao amin'ny Wikipedia momba ny Ady Tao Vietnam ny sary eo amin'ny lahatsoratra. Sary: Pejy Facebook-n'i Tonyo Cruz

Ny Ady Tao Vietnam

Ny sary etsy ambony dia mampiseho ny tranonkalan'ny Masoivohom-baovao Filipina (PNA), sampam-baovaon'ny governemanta, izay namoaka lahatsoratra [4] iray manazava ny zava-tsarotra niainan'ny tafika tamin'ny fitarihana ny ady an-tanàn-dehibe tao Marawi. Ny sary ao amin'ny lahatsoratra anefa dia tamin'ny lahatsoratra [5] momba ny Ady tao Vietnam tao amin'ny Wikipedia, izay tsy mba nomarihan'ny PNA araka ny tokony ho izy akory.

Rehefa nahazo tsikera marobe tamin'ny famoahana ny sary, dia niaiky [6] ny fahadisoany ny PNA, ary nanome toky ny vahoaka fa tsy nieritreritra hanaparitaka fanazavana diso izy:

While there have been lapses in our judgment, it has never been the policy of PNA to tolerate erroneous report, and it has certainly never been our intention to sow misinformation, much less share what is termed nowadays as “fake news.”

We regret that these mistakes have cast doubt on our integrity as a news agency.

Raha nisy ny fahadisoana teo amin'ny fitsaranay, dia tsy politikan'ny PNA mihitsy ny mandefitra amin'ny tatitra diso, ary tsy fikasanay velively ny mamafy vaovao diso, na koa mizara izany izay antsoina ankehitriny hoe “vaovao faikany.”

Malahelo izahay fa niteraka fisalasalana amin'ny fahamarinanay amin'ny maha masoivohom-baovao ireo fahadisoana ireo.

Polisy ao Honduras

Tamin'ny 28 May 2017, nizara sary misy vondrona miaramila mivavaka tao amin'ny pejiny Facebook malaza ilay mpitan-tsoratra lefitry ny Biraon'ny Raharaham-pifandraisan'ny Filoham-pirenena, Mocha Uson. Angamba ny tanjony dia ny hanome voninahitra ireo miaramila izay miady amin'ny mpampihorohoro, saingy ireo miaramila ao amin'ny sary nozarainy anefa dia mpikambana ankehitriny ao amin'ny mpitandro ny filaminana avy ao Honduras.

.@MochaUson [7] Lazao ireo mpanjohy anao SY ny tenanao fa tsy manana sary misy ny miaramilantsika mivavaka isika. Tsy mila mampiasa ny sarin'ny pollisy ao Honduras. MAHAMENATRA!

Rehefa voatsikera noho ny famoahana ny sary, nilaza [10] Ramatoa Uson fa fanehoana an'ohatra fotsiny izany ary tsy nanondro ny polisy Honduras ho miaramila Filipiana izy. Niampanga ireo mpitsikera azy ho “tsy ampy saina” izy.

Fanonganam-panjakana Thailandey

Mandritra izany, nizara am-pahavitrihana raki-tsary [11] Facebook misy ny sarin'ireo olom-pirenena mitsiky manao selfies miaraka amin'ny miaramila sy fiara mifono vy ireo mpanohana ny filoha mba hanaporofoana fa eken'ny mponina Mindanao ny lalàna miaramila. Saingy avy any Thailandy ny sary raha ny tena marina, narakitra tamin'ny fakan'ny miaramila an-keriny ny fahefana tamin'ny taona 2014.

Namoaka tatitra [12] maromaro ny Global Voices mikasika ny “selfie fanonganam-panjakana” nampahafantatra an’ izao tontolo izao fa naka fahefana an-keriny tao Thailandy ny fitondrana miaramila ary nampiasa selfies ny olom-pirenena sasany mba hanehoana fa manohitra ny fitondrana jadona miaramila izy ireo. Saingy ao Filipina, nampiasain'ireo mpanohana mavitrika ny filoha ireo sary ireo mba hanamarinana ny lalàna miaramila any Mindanao.

Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, nozaraina in-33.000 mahery ny raki-tsary misy ny selfie fanonganam-panjakana Thailandey ..

Mpisera Facebook Diwata Luna nilaza fa tsy rariny [13] ho an'ireo tena tompon'ny sary ny famoahana ny sarin'izy ireo am-pahadisoana:

Why is it a big deal if PNA and Mocha Uson used photos of soldiers from other countries? Because it is an injustice to our OWN soldiers who are fighting. And it is an injustice to journalists who risk their lives to take photos in the middle of a war.

Nahoana no olana lehibe raha nampiasa ny sarin'ireo miaramila avy amin'ny firenen-kafa ny PNA sy Mocha Urson? Satria tsy rariny ho an'ny miaramilantsika MANOKANA miady izany. Ary tsy rariny ho an'ireo mpanao gazety izay nanao sorona ny tenany naka ny sary tao anatin'ny ady.

Tsy fiampangana sy fahasiahana avokoa anefa izany. Niteraka vazivazy maromaro ihany koa ny fampiasana sary malaza tsy araka ny tokony ho izy, mpanao gazety iray ohatra namazivazy ny “fahadisoam-pitsarana” ny PNA.

Fanazavana kely momba ny lahatsoratra eto ambany: Maute dia vondrona ahiahiana manana rohy amin'ny ISIS, ary ny sary dia momba ny fifandonana teo amin'ireo mpanjanaka Espaniola sy ny teratany tamin'ny taona 1521.

Sary farany avy amin'ny PNA:

Fifandonana teo amin'ireo miaramilan'ny AFP [Tafika Mitam-piadiana ao Filipina] sy ny polisy vahiny avy amin'ny vondrona Maute-ISIS