- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Loka Knight-Batten: Ary ny mpandresy dia ….

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 18 Septambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tena rariny ny nahenoko ny vaovao ho an'ny lokan'ny fanavaozana ny asa fanaovan-gazety [1] izay tantanan'ny J-Lab [2] (Ivontoerana ho an'ny Fanaovan-gazety Hifarimbonana ao amin'ny Oniversiten'i Maryland [3]) avy tamin'ilay mpiara-miasa amiko Georgia Popplewell [4]  nandritra ny lanonana tao Washington DC tamin'ny alalan'ny hafatra tao Londra, ary avy eo naely tany amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices manerana izao tontolo izao tamin'ny alalan'ny mailaka.

Global Voices Online no mpandresy tamin'ny Loka Goavan'ny Loka Knight-Batten ho an'ny Fanavaozana ny asa Fanaovan-gazety taona 2006 [5] . Ity mari-pankasitrahana ity dia:

spotlight news and information that is more than multimedia journalism. They reward novel efforts to involve citizens actively in public issues, to invite their participation and create entry points that stir their imagination and engagement. Honored are pioneering approaches to journalism that spur non-traditional interactions and that have an impact on a community.

manasongadina ny vaovao sy ny fampahalalam-baovao izay mihoatra noho ny asa fanaovan-gazety amin'ny haino aman-jery . Manome mari-pankasitrahana ireo ezaka vaovao amin'ny fampandraisana anjara ireo olom-pirenena mavitrika momba ny olan'ny vahoaka, ary manasa azy ireo handray anjara sy hamorona hevi-dehibe izay manaitra ny sainy sy ny andraikiny. Omena fankasitrahana ireo mpanao fanavaozana mifanakaiky amin'ny asa fanaovan-gazety izay mandrisika ny fifandraisana tsy nentin-drazana sy ahitana fiantraikany eo amin'ny vondrom-piarahamonina iray.

Heveriko fa tsara ny milaza ho an'ny Global Voices  fa ny vondrom-piarahamonina no tetikasany.

Nilaza ny mpitsara fa ” tranonkala miavaka izay mamela ny famoaham-baovao voaara-maso sy ny fidirana malalaka amin'ny vaovao sy ny fampahalalam-baovao avy amin'ireo faritra tsy misy mitatitra manerantany” ny Global Voices, ary voalaza ihany koa fa manohana ara-bola ny mpanoratra amin'ny alàlan'ny fanampiana mba hanandratana ny fenitra eo amin'ny tontolon'ny bilaogy izy ireo.

Fanomezam-boninahitra lehibe ho an'ny olona tsirairay mandray anjara ao amin'ny tetikasa Global Voices izany .

Arahabaina!

With the award!
Nisolontena antsika tao amin'ny lanonana ny “GV-3″ – (avy eo ankavia miankavanana) Rebecca MacKinnon [6], Georgia Popplewell ary Alice Backer [7].

Raha mila fanazavana fanampiny: