Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Loka Knight-Batten: Ary ny mpandresy dia ….

(Marihina fa tamin'ny 18 Septambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tena rariny ny nahenoko ny vaovao ho an'ny lokan'ny fanavaozana ny asa fanaovan-gazety izay tantanan'ny J-Lab (Ivontoerana ho an'ny Fanaovan-gazety Hifarimbonana ao amin'ny Oniversiten'i Maryland) avy tamin'ilay mpiara-miasa amiko Georgia Popplewell  nandritra ny lanonana tao Washington DC tamin'ny alalan'ny hafatra tao Londra, ary avy eo naely tany amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices manerana izao tontolo izao tamin'ny alalan'ny mailaka.

Global Voices Online no mpandresy tamin'ny Loka Goavan'ny Loka Knight-Batten ho an'ny Fanavaozana ny asa Fanaovan-gazety taona 2006 . Ity mari-pankasitrahana ity dia:

spotlight news and information that is more than multimedia journalism. They reward novel efforts to involve citizens actively in public issues, to invite their participation and create entry points that stir their imagination and engagement. Honored are pioneering approaches to journalism that spur non-traditional interactions and that have an impact on a community.

manasongadina ny vaovao sy ny fampahalalam-baovao izay mihoatra noho ny asa fanaovan-gazety amin'ny haino aman-jery . Manome mari-pankasitrahana ireo ezaka vaovao amin'ny fampandraisana anjara ireo olom-pirenena mavitrika momba ny olan'ny vahoaka, ary manasa azy ireo handray anjara sy hamorona hevi-dehibe izay manaitra ny sainy sy ny andraikiny. Omena fankasitrahana ireo mpanao fanavaozana mifanakaiky amin'ny asa fanaovan-gazety izay mandrisika ny fifandraisana tsy nentin-drazana sy ahitana fiantraikany eo amin'ny vondrom-piarahamonina iray.

Heveriko fa tsara ny milaza ho an'ny Global Voices  fa ny vondrom-piarahamonina no tetikasany.

Nilaza ny mpitsara fa ” tranonkala miavaka izay mamela ny famoaham-baovao voaara-maso sy ny fidirana malalaka amin'ny vaovao sy ny fampahalalam-baovao avy amin'ireo faritra tsy misy mitatitra manerantany” ny Global Voices, ary voalaza ihany koa fa manohana ara-bola ny mpanoratra amin'ny alàlan'ny fanampiana mba hanandratana ny fenitra eo amin'ny tontolon'ny bilaogy izy ireo.

Fanomezam-boninahitra lehibe ho an'ny olona tsirairay mandray anjara ao amin'ny tetikasa Global Voices izany .

Arahabaina!

With the award!
Nisolontena antsika tao amin'ny lanonana ny “GV-3″ – (avy eo ankavia miankavanana) Rebecca MacKinnon, Georgia Popplewell ary Alice Backer.

Raha mila fanazavana fanampiny:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.