- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oman: Ny Fahavoazana Taorian'ny Rivodoza Phet

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Oman, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 10 Jona 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Namely an'i Oman andro vitsy lasa izay ilay rivodoza tropikaly Phet izay niforona avy any amin'ny Oseana Indianina. Ity no rivodoza lehibe faharoa izay nandalo tao Oman taorian'ny rivodoza Gonu [1] telo taona lasa izay. Tsy toy ny Gonu anefa fa efa vonona tamin'ny fandraisana ny rivodoza tamin'ity indray mitoraka ity i Oman sy ny vahoakany kanefa mbola miaina fahavoazana lehibe ny tanàndehiben ‘i Sur izay nandalovan'i Phet mivantana. Nahatratra ny renivohitra Muscat ny rivodoza, kanefa anarany ihany ny fahavoazana raha atao ny fanoharana .

Nanoratra tatitra tamin'ny antsipiriany ny bilaogera tatitra Undercover Dragon [2] momba ny fiantraikan'ny Phet tao amin'ny firenena, ny fahafatesana, ny fotodrafitrasa, ny fifandraisana, ary eny fa na dia amin'ny famokarana solika sy etona fandrehitra aza :

In the end, at least as far as Muscat is concerned, Cyclone Phet was nowhere near as nasty as Gonu, neither in duration, wind speed, rain nor impact. For the town of Sur it was probably worse, as Sur was directly under the eye of the storm as it grazed the eastern most tip of Oman. Sur had a record of over 40cm of water recorded. The town was mostly underwater by Friday pm.

Tamin ‘ny farany, raha ny mikasika an'i Muscat dia tena tsy nasiaka toy Gonu mihitsy ny Rivodoza Phet, na ny faharetany, na ny hafainganam-pandehan'ny rivotra, na ny orana na ny vokany. Inoana anefa fa tena ratsy ny vokatr'izany ho an'ny tanàndehiben'i Sur satria tao anaty mason'ny tafiodrivotra i Sur raha nanavatsava indrindra ny faritra an-tendrony atsinanan'i Oman izy. Hita ny fiakaran'ny rano betsaka indrindra hatramin'izay tao Sur izay maherin'ny 40sm . Tao anaty rano ny ankamaroan'ny tao an-tanàndehibe tamin'ny Zoma hariva.

Na dia maro aza ny loza nitranga noho ny tafiodrivotra dia mbola maro kokoa ny loza nitranga noho ny tsy fitandreman'ny olona sy ny fahalianana ratsy hijery ny lohasahan-driaka mampidi-doza vao niforona. Nisy ny fanehoan-kevitra mahaliana natao tao amin'ny bilaogy Dhofari Gucci [3] mikasika ity lohahevitra ity raha nanapa-kevitra ny Polisin'ny Mpanjaka tao Oman (ROP) mba handray fepetra mikasika ireo rehetra izay mikasa hanandrakandran-javatra tsy am-pisainana taorian'ny krizy:

Evidently the ROP (see above image if you can read Arabic – was published in today's newspapers) will be questioning people who put themselves and others in danger by going into wadis or even going to ‘stare’ (the ultimate Omani hobby). According to my fellow blogger Reality, an ROP officer drowned trying to save a kid who was ‘swimming’ in a wadi. I SALUTE THE ROP FOR DOING THIS.

Azo inoana fa hanadihady ny olona izay mampidi-doza ny tenany sy ny hafa ny ROP (jereo ny sary etsy ambony raha mahay mamaky teny Arabo ianao izay navoaka tao amin'ny gazety androany) amin'ny fandehanana eny amin'ny lohasahan-driaka na handeha ‘hijery’ izany (fialamboly tena tian'ny Omani ). Araka ilay bilaogera namako Reality, maty an-drano ny manampahefan'ny ROP  iray raha niezaka hamonjy zaza iray izay “nilomano” tao amin'ny lohasahan-driaka. MANKASITRAKA NY ROP AHO TAMIN'NY FANAOVANA IZANY.

Tena mampahatahotra ny mieritreritra fa ho lasa fahazarana ho an'i Oman ny rivodoza noho izy voakasiky ny fiakaran'ny maripana manerantany. Manantena isika fa tsy hisy izany.

Azonao jerena ny sary maro taorian'ny fandalovan'i  Phet ao amin'ny bilaogin'ny Omanizer [4]Dhofar Gucci [5], sy Kishor Cariappa [6].