Tonizia: Fampahafantarana ny Dahsha, Rakipahalalana Iray

(Marihina fa tamin'ny 13 Jolay 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mamphafantatra antsika momba ny rakipahalalana an-tserasera Dahsha ilay bilaogera Toniziana Mohammed Marwan Meddah , ary namaritra izany ho “iray amin'ireo ezaka fanatsarana lehibe ho an'ny votoaty Arabo ao amin'ny aterineto.”

Hoy i Meddah raha nanazava:

A lot like Wikipedia, the encyclopedia relies on volunteers to write articles and publish content.
Volunteers can post books, reports, studies, articles and even video, audio and useful programs to the encyclopaedia.

Mitovy tanteraka amin'ny Wikipedia, miantehitra amin'ny mpilatsaka an-tsitrapo ny rakipahalalana amin'ny fanoratana lahatsoratra sy famoahana votoaty.
Afaka mamoaka boky, tatitra, fanadihadiana, lahatsoratra ary lahatsary, sy rakipeo ary fandaharana mahasoa ao amin'ny rakipahalalana ireo mpilatsaka an-tsitrapo .

Dahsha Screenshot

Raha nanoratra momba ny tetikasa izay natomboky ny rindrambaiko Jordaniana sy ny orinasa fampandrosoana tranonkala Jordan Tek tao amin'ny StartUp Arabia dia hoy i Meddah nanampy :

Even though I usually encourage Arab users to try and focus on enriching the Arab version of a global encyclopedia like Wikipedia instead of launching smaller regional or local versions, this project is still a pretty interesting one as it covers some types of content that Wikipedia doesn’t support.

Raha matetika aho no mandrisika ireo mpisera Arabo mba tsy handefa dikanteny vitsivitsy isam-paritra na ao an-toerana fa mba hanandrana sy hifantoka amin'ny fampiroboroboana ny rakibolana manerantany amin'ny dikanteny Arabo toy ny Wikipedia dia tena mahaliana tokoa ity tetikasa ity satria mandrakotra karazana votoaty maro izay tsy tohanan'ny Wikipedia izy.

Hoy ilay bilaogera raha niresaka momba ny fetran'ny tetikasa:

The system isn’t as open as Wikipedia though, as users can’t change or edit articles by other users; they can only reply or comment on them. Which means that the site’s administrators have to be more involved in reviewing the submitted content, its quality, and whether publishing it violates any copyright laws.

Tsy mba toy ny Wikipedia anefa ny fisokafan'ny rafitra, satria tsy afaka manova na manitsy lahatsoratra izay ataon'ny mpisera hafa ny mpisera ; fa mamaly  na maneho hevitra momba izany ihany no azon'izy ireo atao. Midika izany fa manana anjara asa lehibe amin'ny fandinihana tsara ny votoaty havoaka, ny kalitaony, ary manamarina raha toa izany ka tsy misy fandikan-dalànan'ny fizakàmanana ny mpitantana ny tranonkala.

Mampiseho ny fandraketana lahatsoratra maro be ny topimaso tao amin'ny tranonkala [Ar] , izay azo hidirana amin'ny alàlan'ny fampiasana ny safidy fikarohana eo amin'ny pejy voalohany. Anisan'izany ny:

عدد المواد المنشورة: 32330
عدد الأعضاء: 5661
عدد التصنيفات: 514

Isan'ny lahatsoratra navoaka : 32.330
Isan'ny mpikambana: 5.661
Isan'ny Sokajy: 514

Araka ny Momba ny pejin'ny tranonkala :

فمكتبة الموسوعة الآن تحتوي على حوالى 60 ألف كتاب ومجلد . كما تحتوي الأقسام الأخرى على آلاف البحوث والدراسات ، كلها مصنفة في مكانها الصحيح ضمن أقسام الموسوعة ، بحيث يسهُل على المستخدم الوصول اليها والاستفادة منها وتوفَّر عليه ساعات طويلة من البحث. هذا غير المواد الصوتية والبرامج والأفلام التعليمية والثقافية في شتى المجال

Ahitana boky sy fanangonana miisa 60.000 amin'izao fotoana izao ny tranomboky an-tseraseran'ny rakipahalalana. Manasongadina  ny fizarana samihafa ihany koa izany, izay ahitana fampianarana an'arivony sy fikarohana antontan-taratasy voasokajy araka ny toerana tokony hisy azy tsirairay, ka mahatonga ny fidirana ho mora ho an'ny mpisera sy mba hisorohana ny fikarohana mandritra ny ora maro. Ankoatra izany, hita ao amin'ny sehatra rehetra ao amin'ny tranonkala ihany koa ny rakipeo sy ny loharano ara-kolontsaina ary ara-panabeazana.

Mamintina ny fampahafantarana momba ny rakipahalalana toy izao manaraka izao ny Momba ny pejy :

وما هذه الموسوعة سوى بوابة وأداة بحث لمنفعة المستخدم العربي والارتقاء بنوعية وجودة بحثه … الأمر الذي من شأنه إثراء الثقافة العربية الإسلام

Vavahady fidirana sy fitaovam-pikarohana ihany ny rakipahalalana mba hahasoa ny mpisera Arabo ao anatin'ny tolotra mba hanatsarana ny kalitaon'ny fikarohana .. ary hampiroborobo ny kolontsaina Arabo sy Islamika kosa etsy andanin'izany.

Sary: StartUp Arabia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.