- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Fotoanan'ny Baolina Kitra Lehibe Indrindra tao Qatar…”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Katara, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Jiona 2008 ity adika eto ity)

Faly be ireo mpankafy baolina kitra ao Qatar noho ny ekipa-pirenena Qatari nandresy tamin'ny isa 1-0 manoloana an'i Iràka nandritra ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany. Greeker namaritra izany ho “fotoanan'ny baolina kitra lehibe indrindra tao Qatar [1] …”, hoy izy nanoratra:

75th minute, Said Bachir heads in a goal.

A moment frozen in time.

QATAR lives its greatest moment in international football.

75 minitra, nitarika ny baolina ho ampidirina i Said Bachir.

Fotoana mampangitangitaka.

Niaina ny fotoana lehibe indrindra teo amin'ny lalao baolina kitra iraisam-pirenena i Qatar.

Nilatsaka ity fandresena lehibe ity taorian'ny fanadiovana ny Fikambanana Baolina Kitra Qatar [2] tamin'ny fahadisoana nampiditra mpilalao tamin'ny lalao teo aloha nifanandrinana tamin'i Iraka sy Shina.

Tsy very teo amin'ny bilaogera Qatari ny faharesen'i Iraka tamin'ny fifaninanana ireo. Diamond nanoratra [3] hoe:

Sorry Iraq. I applaud your courage and determination. If you had beat Qatar I'd be rooting for you guys all the way.

….I so much want that country [Iraq] to succeed…in every aspect. My heart is for Iraq too.

Miala tsiny ry Iràka. Mankasitraka ny herim-ponao sy ny fahavononanao. Raha nandresy an'i Qatar ianao, dia ho nanara-dia tanteraka anareo aho.

…. Tena tiako izany firenena [Iraka] izany mba hahomby … amin'ny lafiny rehetra. Miaraka amin'i Iraka koa ny foko.

whoami naneho hevitra hoe [4]

I'm so proud. Both Qatar and Iraq put their hearts into it. Of course I'm happy that Qatar won, but I'd have been equally happy if Iraq won.

Mirehareha tanteraka aho. Na Qatar na i Iraq dia samy namy niady fo nanao azy. Mazava loatra fa faly aho raha nandresy i Qatar, saingy mbola ho faly ihany aho raha nandresy i Iraq.

Tao anatin'ny fiarahabana sy ny “mabhrooks”, mailaka avy hatrany i tallg nilaza fa tsy maintsy mifaninana amin'ny [5]  Fihodinana faha-4 i Qatar mba ho afaka handray anjara amin'ny Fiadiana ny Amboara Baolina Kitra Eran-tany 2010 any Afrika Atsimo.