Vehivavy Iray Ambadiky Ny Sarintany Ifarimbonana Mandrakitra Ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika

Araka ny voalazan'ny pejiny fanangonam-bola –ny  Sarintany Ifarimbonana misy ny Famonoana Vehivavy ao Meksika, ny tena mazava sy nohavaozina ao amin'ny firenena dia “fisantarana andraikitra tarihin'ny olom-pirenena, sivika, tsy miankina ary mifototra amin'ny tahiry misokatra izay mampiasa ny fandrindrana ara-jeografika, ary mandrakitra an-tsarintany ireo tranga famonoana vehivavy hatramin'ny taona 2016″. Hatramin'izao, tranga miisa 2355 no voarakiny.

Mampiasa famaritana tsotra avy amin'ny maodely arofenitry ny fanadihadiana momba ny famonoana vehivavy an'ny Firenena Mikambana ny mpamorona ny sarintany, izay mamaritra ny “famonoana vehivavy” ho:

the murder of women because they are women, whether it is committed within the family, a domestic partnership, or any other interpersonal relationship, or by anyone in the community, or whether it is perpetrated or tolerated by the state or its agents.4

Famonoana vehivavy satria vehivavy izy ireo, na izany natao tao anatin'ny fianakaviana, na tao an-tokantrano, na tamin'ny fiarahana manokana hafa, na tamin'ny olona tao amin'ny fiarahamonina, na natao na noleferin'ny fanjakana sy ny mpiasany.

Tatitra an-gazety sy filazana ofisialy momba ny famonoana vehivavy ny loharanom-baovaony, ary ny antony manosika azy dia tsotra sy mazava: mba hilaza ny anaran'ireo vehivavy tsirairay mba tsy ho adinoina.

Mampiasa ny solon'anarana “Princesa” ( “Andriambavy”) izy mba hanafenana ny tena mombamomba azy ho fiantohana ny fiarovana azy. Nilaza i Princesa fa lasa nahafantatra ny raharaham-piarahamonina tamin'ny alalan'ny reniny, 80 taona izy. Vehivavy tia miasa ny reniny, avy ao amin'ny fanjakan'i Zacatecas, saingy efa nifindra tany Mexico City,  zafikelin'ny revolisionera ny reniny, mpivavaka ary miady ho an'ny zon'ny marina sy zon'ny mpiasa.

Nianatra fizika tao amin'ny Oniversitem-pirenena Mizakatena ao Meksika i Princesa ary nampitombo ny fankafizana fianarana horohorontany sy tsunami. Lasa niasa teo amin'ny sehatry ny varotra izy, ary koa lasa tafiditra tamin'ny resaka sarintany raha niara-niasa tamin'ny tetikasam-pandriampahalemana Nuestra Aparente Rendición (Ny Fandeferanay Miharihary) sy niara-niasa tamin'ny vondrona ifotony anaty aterineto izay manara-maso ny tranga fakàna an-keriny. Nitombo tsikelikely ny fanoloran-tenany sy ny fahalalany ara-teknika, ary koa ny fahaizany mandrindra tahirin-kevitra lehibe sy mampiasa fitaovana hanaovana fandrindrana ara-jeografika.

Ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Sarintany misy ny Famonoana Vehivavy ao Meksika, mahazo hafatra avy amin'ny gazety, mpanao politika, mpanao lalàna sy olon-tsotra liana amin'ny tetikasa fandraketany izy, saingy ho azy kosa, ny hafatra lehibe indrindra dia ireo hafatra avy amin'ny fianakavian'ireo niharam-boina. Ny fahitana ny anaran'ny zanakavavin'izy ireo, sy ny toerana namoizan'izy ireo aina ao anatin'ny sarintany no fomba hamantarana fa manana anarana, tantara izy ireo, ary mana-danja ny fiainan'izy ireo, hoy i Princesa, mampahatsiahy ny sasany amin'ireo hafatra.

Ary hoy koa izy:

Este mapa sirve para visibilizar los sitios dónde nos están matando, encontrar patrones, reforzar los argumentos sobre el problema, georeferenciar la ayuda, fomentar la prevención e intentar evitar los feminicidios.

Ahafahana manasongadina ny toerana namonoana azy ireo, mamantatra ny fanadihadiana,  managona ireo tohan-kevitra mikasika ny olana, mamantatra ara-jeografika ny loharanon'ny fanampiana, mandrisika ny fisorohana sy miezaka manakana ny famonoana vehivavy ity sarintany ity.

Tontosaina an-tsitrapo ny tetikasan'i Princesa, ka mila fanohanana hatrany izy. Noho izany antony izany, nanokatra pejy fanangonam-bola ao amin'ny tranonkala Generosity izy, izay hanazavany bebe kokoa ny mampavitrika azy:

[…] reúne información fundamental para que personas periodistas, investigadoras, activistas, defensoras de derechos humanos, buscadoras de justicia y tomadoras de decisiones comprendan la realidad del feminicidio en México. Es una realidad cruda, granular y en constante aumento.

[Ny tanjona dia] ny hanangona vaovao manan-danja, amin'izay mahafantatra ny zava-misy momba ny famonoana vehivavy ao Meksika ireo mpanao gazety, mpikaroka, mpikatroka mafàna fo, mpiaro ny zon'olombelona, sy ireo izay mitady ny rariny ary ireo mandray fanapahan-kevitra. Zava-misy mahatsiravina, isan'andro tsy mitsaha-mitombo izany.

Manohana ny antson'i Princesa ny fikambanana “Chicas Poderosas” (“Tovovavy Mahery”):

Milaza bebe kokoa noho ireo teny an'arivony ny sary ary mbola maro ireo tantara an'arivony tokony holazaina. Tohano ny Sarintany mandrakitra ny Famonoana Vehivavy  #MapadeFeminicidios https://t.co/jd4XqyVpcu  #Niunamenos

Nilaza i Princesa fa faly izy manao zavatra ho an'ny olona. Mihevitra tahaka izany ihany koa ny reniny sy ny rahavaviny, mangataka aminy hatrany ny rainy mba hitandrina, ary koa tsy hiala amin'ny fanaovana izany satria mendrika atao loatra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.