Polisy Sariitatra Shinoa Manao Fisafoana Amin'ny Tranonkala

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2007 ity adika eto ity)Beijing Virtual Cops
Sary navoaka tamin'ny Talata 28Aogositra 2007,  avy amin'ny Biraon'ny Fiarovam-bahoaka Beijing.

 

Amin'ny fanarahan-dia ny Polisin'ny Aterineto Shenzhen, hanomboka hisava ireo tranonkala voasoratra anarana ao amin'ny lohamilina ao Beijing ny polisy ao amin'ny renivohitr'i Shina, Beijing amin'ny fampiasàna sarimiaina manampahefana polisy mipoitra amin'ny aterineton'ny mpiserasera. Nanomboka tamin'ny 1 Septambra, havitrika amin'ireo vavahadin-tserasera 13 ao Shina ny polisy virtoaly vaovao ao Beijing, anisan'izany ny bilaogy lehibe indrindra fampiantranoana tolotra ao Shina,  Sohu.com sy Sina.com. Amin'ny faran'ny taona, andrasana handrakotra ny tranonkala rehetra voasoratra anarana ao amin'ny lohamilina Beijing ny polisy virtoaly mpanao fisafoana. Araka ny filazan'ny Associated Press, afaka “mandehandeha, mandeha bisikileta na mitondra fiara manerana ny efijery” isaky ny 30 minitra ny polisy sariitatra, mampitandrina ireo mpampiasa aterineto mba hiala amin'ny “votoaty tsy ara-dalàna anaty aterineto” sy ny “tranonkala ratsy”.

“Hanohy hatrany hampiroborobo ny endrika vaovaon'ny polisy virtoaly izahay ary manavao ny torohevitray momba ny fiarovana ara-aterineto mba hahatonga ny endriky ny polisy virtoaly ho namana akaiky kokoa amin'ny mpiserasera sy hifanaraka tadin-dokanga amin'ny fomba fampiasan'ny mpiserasera ny aterineto” hoy ny Ministeran'ny Fiarovam-bahoaka ao Beijing tamin'ny fanambarana nivoaka omaly.

Araka ny fanambarana, hanome fanampian'ny polisy ho an'ireo mpiserasera aterineto ireo manampahefana sariitatra ireo. Hitondra ny mpiserasera any amin'ny tranonkalan'ny manampahefana ny fanindriana ny sariitatra. Saingy izany tokoa ve no tena tanjon'ny Big Brother sy ny Big Sister [Rahalahy Lehibe sy Rahavavy Lehibe] vaovao ao Shina?

Tamin'ny herintaona, 17 Janoary 2006, nitatitra tantara mitovy amin'izany tao amin'ny China Digital Times, ilay mpiara-manorina ny Global Voices, Rebecca MacKinnon, , mampahafantatra polisy lehilahy sy vehivavy sariitatra “Jingjing” sy “Chacha”, izay manao fisafoana tranonkala hatramin'ny herintaona tao an-tanàna Shinoa atsimo ao , Shenzhen:

jingcha

These cartoon web cops named “JIngjing” and “Chacha” (the word “jing cha” means “police” in Chinese) will apparently be patrolling websites originating in the southern Chinese city of Shenzhen. (…) According to the Public Security official interviewed by the Beijing Youth Daily, their real function is to remind internet users that the Chinese police are watching people online no differently than offline. In other words: don't do anything online that you wouldn't do in a physical public place in China!

Ireo polisy sariitatra amin'ny aterinneto antsoina hoe “JIngjing” sy “Chacha” (ny teny hoe “Jing Cha” dia midika hoe “polisy” amin'ny teny Shinoa) dia toa hisava ireo tranonkala avy ao amin'ny tanàna Shinoa, Shenzhen. (…) Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Fiarovam-bahoaka nataon'ny Beijing Youth Daily fanadihadiana, ny tena asan'izy ireo dia ny mampahatsiahy ireo mpisera aterineto fa ny ny polisy Shinoa dia mijery ny olona ao amin'ny aterineto tsy hafa amin'ny ivelan'ny aterineto. Amin'ny teny hafa: aza manao zavatra ao amin'ny aterineto izay tsy tianao atao eny amin'ny toerana imasom-bahoaka ao Shina!

Bilaogera South Puget Sound Libertarian nizara ny heviny sy ity sarin'ny maskoty polisin'ny aterineto Shenzhen, JingJing ity:

jingjing

Notice that JingJing is cute. The face that the Chinese government has decided to put on its repression is not that of the Orwellian jackboot stamping on a human face forever. No, totalitarianism comes wrapped in cuteness these days. So how could you really object? After all, it’s just the government trying to protect you from evil doers on the internet.

Mariho fa mahafatifaty i JingJing. Ny endrika nosafidian'ny governemanta Shinoa hapetraka amin'ny famoretany dia tsy ny an'ny jackboot (mpanao didy jadona) Orwellian manitsakitsaka ny tavan'ny olombelona  mandrakizay. Tsia, voafono ao anatin'ny fisarihana ny fitondrana jadona tato ato. Koa ahoana no ahafahanao tena manohitra tokoa? Rehefa dinihina, ny governemanta fotsiny no miezaka miaro anao amin'ny ratsy fanahy ao amin'ny aterineto.

Ankoatra ity teknika vaovao fanaraha-maso ny tranonkala ity, mandefa famantarana mazava tsara natao hampitahorana ireo mpampiasa aterineto amin'ny fidirana amin'ny toerana fanaovana aterineto (cybercafe) ihany koa ny polisy Beijing (jereo ny sary etsy ambany):

Poster

“Tsy tokony hanaparitaka fitaovana manohitra ny fiarahamonina ao amin'ny aterineto ianao” hoy ny vakin'ny soratra eo amin'ny farany ambony, “Miaraka amiko ianao izao azafady satria namoaka fitaovana manimba ny firaisam-pirenena” eo amin'ny farany ambany. Sary: Elizabeth Dalziel/AP tao amin'ny freemedia.at.

Efa nanivana ireo votoatin'ny mpiserasera tamin'ny fomba somary mahery setra ny Sohu.com sy Sina.com, vavahadin-tserasera lehibe roa izay hanaovan'ireo polisy virtoaly “mahafatifaty” fisafoana. Nitory ny Sohyu.com ilay bilagoera monina ao Beijing, Liu Xiaoyuan noho ny fanivanana ny lahatsoratra bilaoginy (blogspot). Ary mpisolovava Shinoa efatra no nanohitra ny “fomba tsy mangarahara, jadona, tsy tompon'andraikitra izay nanivanan'ny Sina.com ny lahatsoratra bilaogin'ireo bilaogera amin'ny rafitrany,” hoy i Rebecca MacKinnon nanoratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.