Tantara tamin'ny 22 Jona 2017
Ny Loka Knight-Batten: Ary ny mpandresy dia ….
Tena rariny ny nahenoko ny vaovao ho an'ny lokan'ny fanavaozana ny asa fanaovan-gazety izay tantanan'ny J-Lab (Ivontoerana ho an'ny Fanaovan-gazety Hifandrimbonana ao amin'ny Oniversiten'i Maryland) avy tamin'ilay mpiara-miasa amiko Georgia Popplewell nandritra...
Tube Adventure: Lalao An-dahatsary Amin'ny Fiteny Roa Ao Amin'ny YouTube
Namorona tetikasa vaovao ny fantsona Youtube Espaniola malaza Pinofas: lalao an-dahatsary hetsika-anjoria-maherifo
Iran: Tantara Ratsy Ara-nofo Nivoaka Tamin'ny Mediam-bahoaka
Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nandrakitra sy nampiditra lahatsary misy ny filoha lefitry ny sekolin'izy ireo, Hassan Madadi, miaraka amin'ny lobaka tsy mihidy, voalaza fa miomana hanao firaisana ara-nofo amin'ny mpianatra vehivavy ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Avaratra-Andrefan'i Iran,
Tonizia: Fampahafantarana ny Dahsha, Rakipahalalana Iray
Mampahafantatra antsika momba ny rakipahalalana an-tserasera Dahsha ilay bilaogera Toniziana Mohammed Marwan Meddah , ary namaritra izany ho "iray amin'ireo ezaka fanatsarana lehibe ho an'ny votoaty Arabo ao amin'ny aterineto."
Oman: Ny Fahavoazana Taorian'ny Rivodoza Phet
Namely an'i Oman andro vitsy lasa izay ilay rivodoza tropikaly Phet izay niforona avy any amin'ny Oseana Indianina. Ity no rivodoza lehibe faharoa izay nandalo tao Oman tao anatin'ny telo taona. Mitatitra momba ny fivoaran'ny zava-misy ny bilaogera ato anatin'ity lahatsoratra ity.
Polisy Sariitatra Shinoa Manao Fisafoana Amin'ny Tranonkala
Hanomboka hisava ireo tranonkala voasoratra anarana ao amin'ny lohamilina Beijing ny polisy ao amin'ny renivohitr'i Shina, Beijing amin'ny fampiasàna sarimiaina polisy manampahefana mipoitra amin'ny aterineton'ny mpiserasera .
Vehivavy Iray Ambadiky Ny Sarintany Ifarimbonana Mandrakitra Ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika
Miasa amin'ny solon'anarana "Princesa" izy. Ny antony nanosika azy nanangana ny sarintany ifarimbonana mandrakitra ny famonoana ny vehivavy dia ny mampahafantatra ireo vehivavy tsirairay niharam-boina mba tsy ho adinoina.
“Fotoanan'ny Baolina Kitra Lehibe Indrindra tao Qatar…”
Faly be ireo mpankafy baolina kitra ao Qatar noho ny ekipa-pirenena Qatari nandresy tamin'ny isa 1-0 manoloana an'i Iraka nandritra ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany. Greeker namaritra izany ho "fotoanan'ny baolina kitra lehibe indrindra tao Katar ...", hoy izy nanoratra:
Chile: Hafatra Ara-politika Tamin'ny Lahatsary Mozika Antserasera Nampitabataba Ny Vahoaka
SubVerso no anarana artistikan'i Vicente Durán, mpanoratra ny Inform Yourself (Ampahafantaro ny Tenanao), hira sy lahatsary Hip-hop mitsikera ny ara-politika izay alefa indrindra ao amin'ny aterineto, ary niteraka tabataba teo amin'ny fiarahamonina Shiliana sy niteraka fanehoan-kevitra marobe.
Manondrotra ny Fangaraharàna ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana
Any Eoropa Afovoany sy Atsinanana, mampiasa ny teknolojia vaovao ireo tetikasa maro mba hanatsaràna ny fangaraharan'ny fitantanana, saingy tsy manome antoka fa hahita masoandro ny fanovàna izay tohanan'izy ireo noho ny tsy fahampian'ny finiavana politika.