- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Lalao An-dahatsary, Gazety sy Bilaogera Vehivavy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Jiona 2008 ity adika eto ity)

Iza no tokony mandrindra ny sehatra lalao an-dahatsary ao Koety? Izany sy fanontaniana maro hafa no ao an-tsain'ireo bilaogera Koesiana tamin'ity indray mitoraka ity. Miresaka momba ny lalàna mifehy ny lalao an-dahatsary sy izay heveriny fa tokony mandrindra azy ireo i Forzaq8 [1]. Hoy izy nanoratra:

Politics shouldn’t interfere in games , i was shocked and sicked to hear that people want laws to to control what games we can buy or not.
I don’t want laws requires all retailers to check ID from any child trying to buy games.
I believe that Parents should take responsibility , not the government , its not freedom thing , its responsibility

Tsy tokony hitsabaka amin'ny lalao an-dahatsary ny politika, tezitra aho ary narary raha nandre fa mila lalàna mifehy izay lalao afaka vidianay na tsia ny olona.
Tsy mila lalàna mitaky amin'ireo mpaninjara mba hanamarina ny mombamomba ireo ankizy miezaka mividy lalao aho.
Mino aho fa tokony handray andraikitra ny ray aman-dreny, fa tsy ny governemanta, tsy fahafahana izany, fa andraikitra

Bilaogera hafa, Ajel [2] nitodika tany amin'ny gazety ao Koety. Hoy izy

لدينا في الكويت – حتى الآن – 14 صحيفة يومية سياسية ، وهناك المزيد منها بالطريق ، توجد أيضا مواقع إخبارية ومدونات الكترونية شبه إخبارية تزود قراءها بكل ما تعزف وسائل الإعلام المختلفة عن نشره ومنها القنوات الخاصة التي باتت تخصص جزء من برامجها لمناقشة الأحداث المحلية الساخنة بصورة أفضل من تلفزيون الكويت الذي يتجنب عادة الخوض في تلك المسائل
موضوعنا هو كيف نقرأ ما سوف يقع وليس ما وقع ؟ وأي الصحف التي تخدمنا في هذا المجال على الصعيد السياسي بالدرجة الأولى ؟

Hatramin'izao, manana gazety mpivoaka isan'andro miisa 14 isika eto Koety, ary maro hafa no hivoaka tsy ho ela. Misy ihany koa ireo vohikalam-baovao sy bilaogy mitati-baovao izay tsy mety alefan'ny haino aman-jery rehetra, fanampin'izany ny fahitalavitra tsy miankina, izay mitatitra lohahevitra mafana ao an-toerana tsy tahaka ny fahitalavi-panjakana ao Koety, izay matetika tsy mba mitatitra lohahevitra toy izany. Ny lohahevitra anio dia ny ahoana ny fomba famakiana izay hitranga, fa tsy izay efa nitranga ary iza no gazety manana izany tanjona izany amin'ny fitateram-baovao politika.

SpiKeY [3] nanoratra izay heveriny fa famaritana sahaza ho an'ny bilaogera vehivavy Koesiana. Nanamarika izy hoe:

So female bloggers….do you think being open to the world helps the (Kuwaiti) internet users know about you?

By open…I mean…that you talk about the “taboo” stuff….like doing it…like smokin..like drinking…like havin fun alone….like cussing…drugs….sexuality…. lesbianism..(NOTE: these are considered taboo in our society it aint ma opinion)…..

Ry vehivavy bilaogera …. mihevitra ve ianao fa ny fisokafana amin'izao tontolo izao dia manampy ny mpiserasera aterineto (Koesiana) ahafantatra ny momba anao?

Amin'ny fisokafana … ny tiako hambara hoe… miresaka momba ny zavatra “fady” ianao …. tahaka ny manao izany … tahaka ny mifoka sigara..misotro toaka … mirevy irery …. toy ny manozona….rongony….firaisana ara-nofo…. ny fiarahan'ny vehivavy roa mpifankatia..(FANAMARIHANA: heverina fa fady ao amin'ny fiarahamoninay izany, fa tsy hevitro)…….

Bahsar, ao amin'ny blogallalong [4], manontany izay tadiavin'ny Minisiteran'ny Fifandraisana. Hoy izy nanoratra:

The Ministry of Communications (MOC) is the central authority in Kuwait for internet and phone, which includes ISPs, phone lines, and mobile operators. Such a big responsibility that can take the country both ways. And unfortunately, the way they’re doing it can only take us backward I am afraid

Ny Minisiteran'ny Fifandraisana (MOC) no fahefana foibe ao Koety mikasika ny aterineto sy ny finday, izay ahitana ireo mpanome tolotra aterineto, antso an-tariby, sy mpandraharaha finday. Andraikitra lehibe toy izany izay afaka mitondra ny firenena amin'ny fomba roa. Ary indrisy, mety hitondra antsika hihemotra ny fomba fisahananan'izy ireo izany. Matahotra aho