- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Ny Fomba Hampiroboroboana Ny Fandraisan'anjaran'ny Tompotany Ao Amin'ny Wikipedia Ny Rising Voices ao amin'ny Iberoconf 2017

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Rising Voices
[1]

Sary: Ayelén Libertchuk, CC-BY-SA 4.0

Nandray anjara tamin'ny Iberoconf 2017 [2] ny Rising Voices vao haingana, ary nahitana ny mpikambana ao amin'ny Wikimedia ao Ibero-Amerika izany fihaonamben'ny tambajotra Iberocoop [3] any amin'ny faritra izany . Ny hanamora ny fiaraha-miasa isam-paritra eo amin'ny vondrona samihafa nandray anjara no tanjon'ity fivoriana ity:

  • Apoyar y generar espacios de aprendizaje que permitan a las organizaciones participantes adquirir nuevas habilidades que fortalezcan su profesionalización a nivel local y regional
  • Promover, desarrollar, fortalecer y mantener la colaboración entre las organizaciones a nivel regional
  • Manohana sy mamorona ny toeram-piofanana mamela ny fikambanana mandray anjara mba hahazo fahaiza-manao vaovao izay manamafy orina ny traikefa amin'ny sehatra ao an-toerana sy isam-paritra.
  • Mandrisika, mampandroso, manamafy orina, ary mamelona hatrany ny fiaraha-miasa any amin'ny faritra eo amin'ireo fikambanana.

Na dia tsy mpikambana ao anatin'ny vondrona aza ny RV dia mifandray mivantana amin'ny fikasanay hampandroso ny fandraisana anjaran'ny vondrom-piarahamonina tompotany ao amin'ny famoronana fahalalana amin'ny fitenindrazany ny fandraisanay anjara. Tamin'ny herintaona, notolorana ny lokan'ny Tetikasa Famatsiam-bola hitarika tetikasam-pikarohana an-tsarintany [4] mitady ireo fanamby sy fanararaotra ho an'ny Wikipedia ao anatin'ny fitenin'ny tompotany ao Amerika Latina izahay. Nifarana ny tetikasa ary hivoaka amin'ny volana Jolay ny tatitray izay hifantoka amin'ny lesona sy ny torohevitra noraisina.

Hanohy hikaroka ny fomba hanohanana ny vondrom-piarahamonin'ny tompotany izay mikatsaka ny hizara fahalalana ao amin'ny fiteniny manokana amin'ny alalan'ny fanampiana no tanjonay, izany dia mba hanamorana ny tambajotra eo amin'ny toniandahatsoratra tompon-teny miaraka amin'ny fanohanan'ny sampandraharaha samihafa, indrindra fa ho an'ny mpikambana Wikimedia any amin'ny faritra izay maro amin'izy ireo no efa niasa tao amin'io faritra io na nanana fahalianana tamin'ny fanohanana ny vondrona ao an-toerana.