- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Ny Fanomboham-Piainana Vaovao Ho An'i Dwwen

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 17 Jona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tony tamin'ny fiandrasana ny fanambarana mikasika ny lahatra ho an'ny bilaogy mpanangom-baovao Arabo malaza Dwwen [1] ny bilaogera Arabo . Nomena ny fanazavana rehetra taorian'ny fanjavozavoana kely ary raharaha toy ny mahazatra ho an'ilay tranonkala izay mamory ireo bilaogera Arabo mamoaka lahatsoratra amin'ny teny Arabo sy Anglisy eo ambany tafo iray izany.

Nanambara ilay mpandrafitra tranonkala sady bilaogera Jordaniana Tariq Abu Zaid [2]  fa omaly no andro farany ho an'ny tranonkala. Nanoratra izy [Ar] he:

سيتم إغلاق موقع دوّن بتاريخ 15/6/2008 لعدم قدرتنا على الاستمرار في العمل في الموقع مع غياب الدعم المادي.
يرجى من جميع من قامو باستخدام الويدجت او اية ارتباطات مع موقع دوّن القيام بحذفها لأنها لن تكون متوفرة بعد 15/6.
جزيل الشكر لكل من قدم الدعم لموقع دوّن.

Hikatona amin'ny 15 Jona 2008 ny Dwwen  noho ny tsy fahafahanay manohy ny asanay intsony ao amin'ny tranonkala noho ny tsy fisian'ny fanohanana ara-bola. Manao antso ho an'ireo rehetra izay efa nampiasa ny fitaovanay na mifandray aminay mba hamafa ny rohy satria tsy ho hita intsony izany aorian'io daty io. Misaotra ireo rehetra izay efa nanohana ny Dwwen.

Iray amin'ireo bilaogera maro naneho ny hakiviany ihany koa i Hala [3] avy any Jordania,. Nanoratra izy:

باح اليوم، كان أول موقع زرته هو دوّن، ليس فقط لأتابع آخر مستجدات المدونات كما اعتدت دوماً، بل أيضاً لأعرف إن كان هناك أخبار جديدة حول توقف الموقع، وهو الموضوع الذي أزعجني جداً عندما سمعته حيث أن دوّن كان دوماً المصدر الأساسي لمعظم المدونين، ودليل المدونات الرئيسي الذي يتابع المدونون
من خلاله أخبار المدونات من مختلف البلاد

Ny Dwwen no tranonkala voalohany notsidihako androany raha tsy nanaraka ny fivoaran-draharaha farany amin'ny bilaogy toy ny mahazatra ahy aho, fa nikaroka ihany koa raha misy vaovao momba ny fanakatonana ny tranonkala. Tena nanelingelina ahy izany resaka izany satria ny Dwwen no loharanom-baovao  voalohany ho an'ny ankamaroan'ny bilaogera sy tahirin-kevitra lehibe indrindra ho an'ireo izay manaraka ny bilaogera sy ny lahatsoratra navoakan'izy ireo avy amin'ny firenena samihafa.

Nisintona ny alahelo rehefa nisy ny fanambarana tsotra tao amin'ny bilaogin'ny Dwwen [4] [Ar]:

مدونة دوّن تعود للعمل مجددا. تابعوا جديد دوّن هنا.

Manohy ny asany indray ny Dwwen . Araho eto ny fivoaranay farany.