- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Tranonkala Sy Gazety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 17 Jona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Miaraka amin'ny tontolo nomerika, gazety maro no miatrika fanamby mba hanao ny pejim-baovaon'ny azo jerena amin'ny aterineto. Tsy misy hafa amin'izany ny tontolo Arabo. Nitaraina momba ny fenitry ny gazety malaza iray ato amin'ity lahatsoratra ity ilay bilaogera Maraokana M S Hjiouij [1] [Ar] .

Hoy izy:

لو أردت أن أتحدث عن الإنترنت المغربي فلن أنتهي أبدًا، وأنتم تعرفون ولعي بالتركيز على أنصاف الأكواب الفارغة. سأكتفي هذه المرة بفقرة واحدة:
طيلة ساعات وأنا أحاول الوصول إلى موقع جريدة المساء المغربية التي تعتبر الأكثر شعبية على الإطلاق في المغرب. لكن بدون فائدة. الموقع كأنه مقبرة سيارة أو مزبلة خردة. قد نقبل أن تكون مواقع الجرائد الأخرى التي لا يقرأها حتى صحفيوها سيئة ورديئة وغير قابلة للوصول. لكن أن يكون موقع الجريدة الأكثر مبيعا، والأكثر دخلا، كوجه إمرأة مصاب بالجذام، وفوق ذلك تتواصل الأعطاب التقنية بشكل شبه دائم فإن الأمر لا يطاق. وفي الأخير تنشر الجريدة بكل فخر أن عدد زوار موقعها يحطم الأرقام القياسية! طبعا هو يحطم الأرقام القياسية لأنه المستخدم يواصل تحديث الصفحة مئة مرة حتى يظهر له نص المقال كاملا

Raha te hiresaka momba ny sehatry ny aterineto Maraokana aho, dia tsy ho rentsika mihitsy ny faran'izany. Fantatrareo ny fahalianako amin'ny fifantohana amin'ny kaopy feno tapany. Afa-po tamin'ny fehintsoratra iray aho tamin'ity indray mitoraka ity :

Nandritra ny ora maro, niezaka niditra tamin'ny tranonkalan'ny gazety Al Massa aho. Ilay gazety izay heverina ho malaza indrindra hatramin'izay ao Maraoka. Tsy tafiditra mihitsy anefa aho. Toy ny eo am-panamboarana hatrany ny tranonkala. Azonay ekena ny zava-misy amin'ny tranonkalan'ny gazety hafa izay manana mpanao gazety tsy mamaky izany akory noho ny faharatsiany sy ny tsy fahafahana miditra aminy fa tsy azo ekena ho an'ny gazety manana fifamoivoizana sy fidiram-bola  lehibe indrindra ny manana tranonkala ahitana olana ara-teknika matetika. Amin'ny farany, manambara ny gazety fa nihoatra ny salanisa tsara indrindra teo aloha ny isan'ny olona izay nitsidika ny tranonkalany ! Mazava ho azy raha nahatratra ny salanisa tsara indrindra ny isan'ny mpitsidika satria tsy maintsy manavao ny pejiny in-100 ny mpamaky mba ahafahany mamaky ny antsasaky ny lahatsoratra.