- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Mpamono Olona Mangina Ny Etona [Anaty Fiara]

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Voina

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Novambra 2007 ity adika eto ity)

Mpifankatia ao anaty fiara mijanona ao amin'ny garazy. Mandeha ny fitaovana mpamaritra rivotra. Maty ny iray tamin'ireo mpifankatia. Tantara [1] nomanin'ilay bilaogera Bahrainita Dr Haitham Salman ho antsika – miampy fanazavana mikasika ny fomba nitrangan'izany sy ny fepetra hisorohana ny voina tahaka izany.

Dr Salman, monina ao Michigan, Etazonia nanoratra hoe:

طالعتنا الصحافة قبل أيام بخبر من عدة أسطر عن موت شاب في العشرين مختنقا ونجاة الفتاة من موت محقق من التسمم باول اكسيد الكربون نتج عن وجودهما معا في سيارة في كراج مغلق والسيارة شغالة من أجل التكييف.
لم يستوقف هذا الخبر أحدا ولم يفرد له مقال واحد في الصحافه, رغم أن هذا الأمر قد حدث قبل ذلك أكثر من مرة وفي كل مرة ينتهي بوفاة ألاثنين معا. ويعقب ذلك خليط غير مسبوق من الالم والحزن والحسرة و الكتمان والفضيحة وتنتقل التفاصيل همسا وتلميحا.

Andro vitsy lasa izay, namoaka ny tantaran'ilay tovolahy, 20 taona, izay matin'ny fahasemporana sy ny naha-tafavoaka velona an'ilay tovovavy tamin'ny gazy manapoizina ao anatin'ny andalana vitsivitsy ny gazety. Samy tao anaty fiara ao anaty garazy mihidy izy roa ary velona ny fiara, mandeha ny fitaovana mpamaritra rivotra. Tsy mahatonga ny hafa hihevitra ity lahatsoratra ity fa tsy nisy tamin'ireo mpanoratra nanoratra momba izany tao amin'ny gazetintsika na dia eo aza ny zava-misy fa efa nitranga imbetsaka izany loza izany, izay nahitana mpifankatia niara-maty. Aorian'ny loza toy izany, misy hatrany ny fahoriana, alahelo, fahadisoam-panantenana, fahanginana, tantara ratsy mifangaro sy ny bitsibitsika eo amin'ny olona.

Ny vahaolana avy amin'ny Dr Salman manoloana ny loza tahaka izany dia ny fanentanana bebe kokoa.

أرى انه من الواجب علينا جميعا التنبه لخطر التسمم بأول اكسيد الكربون وان نساهم جميعا في تثقيف شبابنا من هذا القاتل الصامت. والموضوع من الاهمية بمكان بحيث يجب الا يمر مرور الكرام. فالامر سوف يتكرر دون شك. أرى أنه يجب ان يدرج هذا الأمر ضمن امتحان السياقة مثلا.

Hitako fa adidintsika ny mampitandrina ny fiarahamonina mikasika ny loza ateraky ny gazy manapoizina, tsy maintsy mandray anjara amin'ny fanaovana fanentanana eo amin'ny tanora mikasika ity mpamono olona mangina ity isika. Olana lehibe tsy tokony havela handalo fotsiny izany. Raha manao izany isika, dia mety mbola hipoitra ny loza tahaka izany. Tsapako fa tokony tafiditra ao anatin'ny fanadinan'ny mpamily izany lohahevitra izany.

Amin'ny maha dokotera, nizara vaovao momba ny etona manapoizina ny Dr Salman. Nanazava izy hoe:

وما يميز التسمم بهذا الغاز, أنه تسمم مخادع يتسرب ببطء دون رائحة أو طعم أو تهيح. ويلتصق بشدة بالهيموجلبين مزيحا الاكسجين ومانعا لنقله الى الجسم باكمله, ونقص الاكسجين يؤدي الى تسارع في معدل التنفس الذي بدوره يزيد من استنشاق الغاز مسببا زيادة في التسمم ونقصا اكبر في الاكسجين. ونقص الاكسجين عن الدماغ يودي الى فقدان الوعي ومعه تفقد فرصة النجاة من الموت

Ny mampiavaka ny fanapoizinana amin'ny etona dia poizina mamitaka miparitaka tsikelikely izy, tsy misy fofona, tsiro na ratra. Manafika ny hemôglôbinina izy ary mampijanona ny fandehanan'ny oksizenina ao anatin'ny vatana. Ny tsy fisian'ny oksizenina dia mitarika ny hafainganan'ny fifohana rivotra ary avy eo mampitombo ny fifohana izany etona izany, ka miteraka fanapoizinana bebe kokoa sy tsy fahampiana betsaka amin'ny oksizenina. Ny fihenan'ny oksizenina ao amin'ny atidoha no mitarika ny tsy fahatsiarovan-tena ary mety hitarika fahafatesana.