- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Ny Veran-Divay Teny An-tànan'ny Mpanjaka Abdullah

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Ejipta, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihina fa tamin'ny 20 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Niparitaka  ny tsaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy, niaraka tamin'ny sary izay mampiseho ny Mpanjaka Abdullah ao Arabia Saodita  mipetraka teo anilan'ny filoha Amerikana George W Bush sady mitana veran-divay iray teny an-tànany. Kanefa dia voarara ny alikaola amin'ny finoana Islamo araka ny efa fantatrareo rehetra, ary fahotana ny misotro eny fa na dia ny mijanona eo amin'ny toerana izay misy na handrosoana izany fotsiny ihany aza .

King Abdullah's Glass

Hoy i Abu Ammar (Lukmet Eish) raha nanoratra eto [1]:

هل رأيتم صورة الملك السعودى وهو يتناوب ويشارك مع الرئيس الأمريكى المنتهية ولايته سيء الذكر جورج بوش كؤوس الخمر .. نعم إنها كأس الخمر هل رايتم تلك الصورة يا أصحاب الفضائيات الدينية ، هل رأيتم تلك الصورة يا رجال الدين فى كل الدنيا ، إياكم أن تقولوا أن الملك أخذها كتقليد ولم يشربها وربما يكون هذا صحيحا ، لكن ألم يكن من الأولى أن يرفض الجلوس على مائدة يشرب عليها الخمر ، ومن قبل فعلها السيد محمد خاتمى الذى رفض زيارة لفرنسا بسبب تقديم الخمر على مائدة الطعام والسؤال الذى يطرح نفسه ماذا لو كان هذا الأمر من عامة المواطنين كنا سمعنا صراخا من مشايخنا الكرام الذين لا يستأسدون إلا على أمثالنا شأنهم شأن الحكومات العربية يضربون شعوبهم بالأحذية ، لكنهم مثل النعام إذا وجهت لهم إهانة من الأعداء وهذا الذى يحدث من هيئة الأمر بالمعروف والنهى عن المنكر الذين يجلدون الأطباء المصريين فماذا هم فاعلون فى كأس الملك
Hitanareo ve ny sarin'ny Mpanjakan'i Arabia Saodita misotro miaraka amin'ny Filoha ratsin'ny Etazonia, George Bush, izay hifarana tsy ho ela ny fitondrany? Eny, veran-divay  izany. Moa ve mahita ity sary ity ny mpitondra fivavahana sy ny tompon'ny fantsona zanabolana ara-pivavahana. Miangavy anao mba tsy hanomboka hilaza amiko fa karazana fanao fotsiny ihany izy ity, ary mihazona ny vera fotsiny ny Mpanjaka fa tsy misotro izany. Tokony nolaviny ny fipetrahana teo amin'ny toerana izay misy alikaola toy izany. Nanao izany teo aloha ny filohan'Iran teo aloha Atoa Mohamed Khatami ary tsy nety nanatrika ny hetsika tao Frantsa izy satria naroso tao am-pisakafoanana ny alikaola. Inona ny zava-mitranga raha toa ka olom-pirenena tsotra no nanao izany fa tsy ny Mpanjaka? Azoko antoka fa tsy nangina toa izao ny mpitondra fivavahana . Sa amintsika ihany izy ireo no manana fahasahiana, ary governemanta Arabo manasazy ny olom-pirenena fotsiny ihany izy ireo fa tsy manasazy ny mpitondra. Nanameloka ireo dokotera Egyptiana mipetraka any an-toerana  tany am-ponja ny manampahefana Saodiana, ary nandidy azy ireo mba ho kapohina [2], ary tena te-hahita ny mba hataony manoloana ny veran-divain'ny mpanjaka aho.

Ary nanoratra mikasika ity zava-nitranga ity ihany koa i Nawara (Tahyyes) ato [3] :

يا فضيحتي؟ بتشرب خمرة يا سعادة التقي
هي حصلت خمرة على الملأ؟

Tena fanafintohinana! Misotro alikaola ve ianao Atoa Mpivavaka Ity?
Ahoana no ahasahianao misotro divay eo imasom-bahoaka !?

Nanomboka ny adihevitra lehibe tao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaoginy na dia fohy aza ny lahatsoratr'i Nawara nisy izany. Nanohitra ny lahatsoratra ny bilaogera sasany, tahaka an'i Tafatefo ary nanoratra hoe:

بس الصوره دي شايفها امبارح عند واحد .. وقلتله حرام عليك .. مين قالك انها خمره
وكنت فاكر ان حضرتك شفتيها .. وقلتي انها يمكن مش خمره
بس حضرتك مش أهل للوقوع واتهام الناس بالشبهات
Hitako ny sary omaly tao amin'ny bilaogin'ny olona iray, ary milaza aminy aho hoe: Ahoana no ahazoanao antoka fa divay io?
Mino aho fa mahita izany koa ianao, ary manantena anao mba handinika fa tsy hihevitra tokoa fa divay izany.
Tsy tokony hiampanga olona tsy misy porofo azo antoka ianao.

Izaho manokana dia tsy mihevitra ny sary ho mazava tsara, ary tena sarotra ny milaza raha divay io na tsia.