- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miray Hina Ireo Mpanao Gazety Ao Myanmar Hanohitra Ny Lalànan'ny Fanalam-baraka Antserasera

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
[1]

Sary tao amin'ny pejy Facebook ny ‘Komity Fiarovana ny Mpanao Gazety’ – Myanmar

Mpanao gazety maherin'ny 100 tao Myanmar no nivorivory tamin'ny 6 Jiona 2017 tao Yangon, renivohi-pirenena, mba handamina ny fanentanan'izy ireo manohitra ny Fizarana faha- 66(d) [2] momba ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra ao Myanmar.

Nolaniana tamin'ny taona 2013 ny lalàna raha mbola notantanin'ny governemanta tohanan'ny miaramila i Myanmar. Ahitana fizarana 86 ny lalàna saingy ny tena malaza ratsy indrindra dia ny lalàna Fizarana faha-66(d) izay milaza momba ny fanalam-baraka antserasera. Matetika mampiasa ity fizarana ity ireo manampahefan'ny tafika mba hiampangana mpikatroka, mpanao gazety sy ireo hafa mpitsikera azy ireo.

Milaza ny Fizarana faha-66 (d) fa na iza na iza mampiasa ny “tambajotra fifandraisandavitra hamitahana, handrahonana, hanohintohinana, hanalana baraka, hanelingelenana, hanerena tsy araka ny tokony izy, na hampitahotra” dia mety ho voasazy “higadra an-tranomaizina hatramin'ny telo taona farafahabetsany, ary mety handoa onitra na izy roa miaraka. “

Ho an'ireo mpikatroka sy mpanao gazety marobe, manjavozavo ny teny voalaza ao amin'ity fehezan-dalàna ity, ka azo adika tsotra mba hiampangana izay olona manala-baraka ny hafa.

Raha nanamontsana ny antoko tohanan'ny miaramila tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2015 ny Ligim-pirenena ho an'ny Demaokrasia (NLD), dia maro ireo nanantena azy hampiditra vanim-potoana vaovao ho amin'ny fanavaozana demaokratika ao Myanmar. Eny tokoa, namoaka gadra politika an-jatony ny governemanta vaovao ary namelona indray ny dingana ara-pihavanana amin'ireo vondrona ara-poko mitam-piadiana. Saingy maro tamin'ireo lalàna lany nandritra ny fitondrana miaramila no mbola manankery, anisan'izany ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra.

Nanomboka tamin'ny taona 2016, rehefa teo amin'ny fahefana ny governemanta vaovao, tranga fanalam-baraka 61 no napetraka teo ambanin'ny Fizarana 66 (d). Tamin'ireo tranga 61 ireo, mahakasika fiampangana mpanao gazety sy miandry fitsarana ny 14. Nahagaga ny maro, fa anisan'ireo nanohana ny fampiasana ny Fizarana 66 (d) mamely ireo mpitsikera antserasera ny manampahefan'ny NLD.

Ny fisamborana vao haingana indrindra dia mikasika ny filazana fa fanitsakitsahana ny lalàna izay nahavoarohirohy tonian-dahatsoratra sy mpanesoeso [3] izay naneso ny ezaka fandriampahalemana nataon'ny tafika.

Miahiahy momba ny fitomboan'ireo tranga mikasika ny Fizarana faha-66 (d), nanangana [4] ny “Komity Fiarovana ny Mpanao gazety” ireo mpanao gazety miisa 100 izay nivory tao Yangon ary nifidy mpikambana 21 ao amin'ny komity izay hitarika ny fanentanana hanova ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra. Manana tanjona telo ny komity:

a) To amend and abolish the laws that oppressed media freedom, such as article 66(d) and other unjust laws;
b) Government, military and other institutions must drop immediately the charges under 66(d);
c) To achieve these demands, the committee will work hand-in-hand with civil society groups, and citizens.

a) Hanitsy sy hanafoana ny lalàna izay mampahory ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao, toy ny andininy faha-66 (d) sy ny lalàna tsy ara-drariny hafa;
b) Tsy maintsy manaisotra avy hatrany ny fiampangana eo ambanin'ny 66 (d) ny governemanta, miaramila sy ny andrim-panjakana hafa;
c) Mba hanatratrarana ireo fangatahana ireo, hiara-hiasa amin'ireo vondrona fiarahamonina sivily, sy olom-pirenena ny komity.

Manomboka fanentanana mandrisika ny mpanao gazety mba hanao fehin-tsandry miaraka amin'ny pirinty misy hafatra hoe “Fahalalahan'ny Gazety’ mandritra ny fitsarana ireo mpanao gazety voampanga tamin'ny fanalam-baraka ny vondrona.

[5]

Sasany tamin'ireo mpanao gazety nanangana ny ‘Kpmity Fiarovana ny Mpanao Gazety’ ao Myanmar. Sary: Facebook

Tamin'ny taratasy misokatra iray, nanontany ny mpanolo-tsainan'ny fanjakana sady lehiben'ny NLD Aung San Suu Kyi momba ny tsy fihetsehan'ny [6] governemanta manoloana ny fanangonan-tsonia ho fanesorana ny Fizarana 66 i (d) i Kyaw Zwa Moe, tonian-dahatsoratry ny tranonkalam-baovao amin'ny teny Anglisy, The Irrawaddy.

Many people believe that the previous government, run by ex-generals, created such a legal mechanism to be able to sue those who stood against their administration.

What surprises me is why the NLD government or its Parliaments have let its members and supporters apply this controversial law created by the previous government against individuals today. Even high-ranking officials of the NLD administration and the party have turned to 66(d), rather than more standard defamation charges described in penal codes.

Maro ireo olona mino fa ny governemanta teo aloha, notantanin'ny Jeneraly taloha, no namorona rafitra ara-dalàna toy izany mba ahafahana mitory ireo izay nitsangana hanohitra ny fitantanan'izy ireo.

Ny mahagaga ahy dia nahoana ny governemanta NLD na ny parlemanta no namela ireo mpikambana ao aminy sy ny mpanohana azy hampihatra ity lalàna mampiady hevitra ity izay mamely olona amin'izao fotoana izao, lalàna izay efa noforonin'ny governemanta teo aloha. Na dia ny manampahefana ambony ao amin'ny fitondrana NLD sy ny antoko aza dia nitodika tany amin'ny 66 (d), fa tsy mba tamin'ny fiampangana fanalam-baraka mahazatra kokoa voalaza ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana.

Nilaza ny talen'ny Fikambanana ho amin'ny Fampandrosoana ny Vaovao ao Myanmar, Htike Htike Aung fa araraotina loatra [7] ny lalàna ka mila ahitsy:

The main objective of this law is to promote development of the country and the upgrading of technology and also to protect the customers. But we have not seen yet any tangible protection given to the people so far. So in this Telecommunication Law we need to review the entire law, not only the section 66(d).

Ny tena tanjon'ity lalàna ity dia ny hampiroborobo ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanatsarana ny teknolojia, ary koa mba hiarovana ny mpanjifa. Saingy mbola tsy nahita fiarovana azo tsapain-tanana ho an'ny olona isika hatramin'izao. Ka ao amin'ity Lalànan'ny Fifandraisandavitra ity, dia ilaina ny manavao ny lalàna manontolo, fa tsy ny fizarana faha-66 (d) ihany.

Andrasana hamoaka ny valin'ny fitakian'ireo mpanao gazety ny governemanta Myanmar.