21 Jona 2017

Tantara tamin'ny 21 Jona 2017

Jordania: Ny Fanomboham-Piainana Vaovao Ho An'i Dwwen

Tony tamin'ny fiandrasana ny fanambarana mikasika ny lahatra ho an'ny bilaogy mpanangom-baovao Arabo malaza Dwwen ny bilaogera Arabo. Nomena ny fanazavana rehetra taorian'ny fanjavozavoana kely ary raharaha toy ny mahazatra ho an'ilay tranonkala izay mamory ireo bilaogera Arabo mamoaka lahatsoratra amin'ny teny Arabo sy Anglisy eo ambany tafo iray izany.

21 Jona 2017

Maraoka: Tranonkala Sy Gazety

Miaraka amin'ny tontolo nomerika, gazety maro no miatrika fanamby mba hanao ny pejim-baovaon'ny azo jerena amin'ny aterineto. Tsy misy hafa amin'izany ny tontolo Arabo. Nitaraina momba ny fenitry ny gazety malaza iray ato amin'ity lahatsoratra ity ilay bilaogera Maraokana M S Hjiouij [Ar] .

21 Jona 2017

Egypta: Ny Veran-Divay Teny An-tànan'ny Mpanjaka Abdullah

Niparitaka ny tsaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy, niaraka tamin'ny sary izay mampiseho ny Mpanjaka Abdullah ao Arabia Saodita mipetraka teo anilan'ny filoha Amerikana George W Bush sady mitana veran-divay iray teny an-tànany. Kanefa dia voarara ny alikaola amin'ny finoana Islamo araka ny efa fantatrareo rehetra.

21 Jona 2017

Ny Rariny Ho an'ireo ’Tetikasa Rehetra Mikendry Ny Fanovana Ara-pitsarana Sy Ny Fitsaharan'ny Kolikoly Lehibe Ao Bolgaria

Hetsi-panoherana maro no natao manerana an'i Bolgaria tamin'ny 23 May sy ny 30 May mba handrisihana ny fanavaozana ao amin'ny fitsarana. Notarihin'ny 'Rariny ho amin'ny Fisantarana Andraikitra Rehetra', anisan'ny hetsika midadasiky ny olom-pirenena mitaky ny fampiharana ny fitsipika demaokratika napetraky ny Vondrona Eoropeana (EU) ny hetsi-panoherana.

21 Jona 2017