‘Iza no Manana Sarintena “Selfie” Be Indrindra?’ Sambany Nihaona Tao Amin'ny Parlemanta Rosiana Ny Filankevitr'ireo Bilaogera

Vladimir Zhirinovsky miteny manoloana ny fivoriana voalohan'ny Filankevitr'ireo Bilaogera tao amin'ny Antenimieran'ny solombavambahoaka ao Rosia. Loharano: YouTube.

Tao anatin'ny andro vitsy nanaraka ny nanambaràna ny niforonan'ny “Filankevitr'ireo Bilaogera” tao amin'ny Antenimieran'ny solombavambahoaka ao Rosia, nanome lisitra ahitàna vahiny mafonja ho an'ilay fihaonana voalohany ilay solombavambahoaka ao amin'ny Domà-mpanjakàna, Vasily Vlasov : nitarin'i Vlasov ho any amin'ireo mpanoratra 25 tena be mpanaraka indrindra sy ireo mpitoraka bilaogy amin'ny alàlan'ny lahatsary (videobilaogera) ny fanasàna, nahitàna an'i Alexei Navalny mpitarika ny mpanohitra,, Wylsacom (Valentin Petuhov), Sasha Spilburg (Aleksandra Balkovskaya), kamikadze_d (Dmitry Ivanov), ary Ilya Varlamov— tena io no antsoina hoe iza no iza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana.

Ny hany olana dia izy rehetra samy namaly “tsia” ho valin'ny fanasàna hihaona ny 19 Jona. Izay mihitsy, na iray aza tsy nisy tonga tamin'ilay fihaonana ireo bilaogera mahabe resaka sy tena be mpanaraka nomena ny fanasàna, izay ho solony dia ireo bilaogera mpomba ny fanjakàna sy  tsy manao politika no nanatrika azy. (Jereo ato ilay fihaonana manontolo .) Ireto avy ireo bilaogera tsy tonga nanatrika ilay fihaonana: Elena Lisovskaya, mpanoratra ny  “Lisa Drives” bilaogy mpandefa lahatsarinà fanandràmana fiara;  ilay mpitarika ela nihetezana ny Antoko Liberaly Demaokratika ao Rosia, Vladimir Zhirinovsky; ary Elizaveta Peskova (zanaka vavin'i Dmitry Peskov, ilay sekretera mpifandray amin'ny gazety ao Kremlin ), izay somary voafetra ihany ny fahitàna azy ety anaty serasera ivelan'ny fàham-baovaony ao amin'ny Instagram manasongadina ireo fipihana sary mampody mandry nalainy nanerana an'i Eoropa Andrefana.

Tsy atao hahagaga, nataon'i Peskova izay hahazoana antoka fa ho azo sary ao amin'ny Domà izy:

Накануне, в прямом эфире РБК шла дискуссия о том, что власть не слышит молодежь, а несколько недель ранее я писала о том, что не понимаю, что наша Московская мэрия делает с тротуарами и с организацией движения в центре Москвы. Пускай, не со всем можно согласиться, но сам факт, что мне ответили меня поразил. Я хочу сказать СПАСИБО за ответ. Все действительно зависит от нас и нашей способности вести диалог.

A post shared by nomade. Elizaveta. me cool (@stpellegrino) on

Rehefa tsy misy feo mpanohitra, dia mazàna no lasa amin'ny resaka kidaladàla ny adihevitra: raha tokony ho firesahana ireo lohahevitra malaza eny anatin'ny tontolon'ny bilaogy, toy ny kolikoly na ny kiantranoantrano, Zhirinovsky, ohatra, nanontany an'i Egor Yakovlev, ilay mpiara-manorina ny gazetiboky “Selfie,” hoe iza no olona ao an'efitrano nandefa sarintena be indrindra ho ety anaty aterineto. Namaly i Yakovlev , “angamba i Elizaveta,” izay nahitsin'i Peskova. “Tsindraindray ihany aho vao mba maka sarintena an!. Roa na telo herinandro lasa izay aho no nandefa ny sarintena voalohany avy amiko tato anatin'ny enimbolana.” Mba tsy ho voasongona dia nivazivazy i Zhirinovsky hoe : “Manana maherin'ny iray alina aho. Iza no manana betsaka noho izaho? Tsy misy!”

Varlamov, bilaogera iray malaza, izay nandà tsy nanatrika ilay hetsika, nieritreritra fa Kremlin no nikarakara ilay Filankevitr'ireo Bilagera mba ho setrin'ireo hetsika manohitra ny kolikoly naharakotra an'i Rosia manontolo tato anatin'ny telo volana farany, izay tamin'ny ampahany dia natosik'ireo bilaogera to teny avy ao amin'ny haino aman-jery sosialy. Ny fahitàn'i Varlamov ny famoronana ilay Filankevitra dia toy ny fomba iray hifandraisana amin'ireo tanora tsy faly, izay  nahazendana ireo mpandalina vaovao ny fisian-dry zareo teny anatin'ireo hetsika nanerana ny firenena—ary nampanahy marobe tamin'ireo manampahefam-panjakàna .

Ny fanasàna nalefa ho an'ilay bilaogera malaza, Ilya Varlamov, mba hanatrika ilay fihaonana voalohan'ny Filankevitr'ireo Bilaogera. Loharano: http://varlamov.ru/2415417.html.

Ao anatin'ny ezaka midadasika ataon'ny governemanta Rosiana mba hifandraisana amin'ireo andian-taranaka tanora ny namoronana ilay Filankevitra: tamin'ny faran'ny Aprily, noforonin'ny Domà ireo pejy ofisialy ao amin'ny Twitter, Facebook, Instagram, VKontakte, ary Odnoklassniki mba hampahafantarana ny hetsika ataony eny anivon'ny maro.

Kanefa, vetivety ireo mpikambana ao amin'ny Domà-mpanjakana dia nihataka tamin'ilay Filankevitry ny Bilaogera, tamin'ny filazàna ilay izy ho ambany fifehezana tanterak'i Vlasov, ilay mpikambana tanora indrindra ao amin'ny parlemanta. Ny sasany amin'ireo mpiara-miasa amin'i Vlasov aza tonga hatramin'ny fiampangàna azy ho mampiasa ilay hetsika ho fampitomboana ny fahafantarana ny anarany sy ny làzany ety anaty aterineto.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.