- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Niforona Ny Vondrona Manohitra Fitokonana Ao Amin'ny Facebook

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 17 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mba hiodinana amin'ny sivana, niantehitra mafy tamin'ny fitaovana an-tserasera ireo mpikatroka ao amin'ny tontolo Arabo mba handefasana ny hafany, ary namaritra ilay antsoiny hoe ny herisetran'ny fanjakana atao amin'ny olon-tsotra . Naparitaka tao amin'ny vondrona Facebook [1] ny teny momba ny fitokonana tamin'ny herinandro lasa 6 Aprily tao Egypta izay nahasarika mpikambana mihoatra ny 71.200 hatreto . Ary milaza amintsika momba ny vondrona manohitra fitokonana ao amin'ny Facebook [2] izay manana mpanjohy manodidina ny 1.000 eo ho eo ilay bilaogera Egyptiana GEMYHOoOD [3] (Ar) .

Mazava ho azy fa tsy faly i GEMYHOoOD satria nahita vahaolana tao amin'ny  Facebook ny mpanohana  ny Filoha Hosni Mubarak ary nilaza hoe:

الواضح ان ماسحى الجوخ و كلاب مبارك عرفوا ان الفيس بوك حلو و جميل و تقدر من خلاله تجمع الشباب الفاضى و مش لاقى حاجة يعملها و زى ما اتجمع 70 الف مع الاضراب يقدروا يجمعوا 70 الف ضده

Miharihary raha nahita ireo mpihatsaravelatsihy sy ny alikan'i Mubarak fa tsara ny Facebook ary afaka manangona ireo tanora mirenireny, izay tsy mana-katao amin'ny alàlan'izany ianareo, ary koa satria voavory ny olona miisa 70.000 hiomanana fitokonana, dia afaka mamory olona miisa 70.000 ihany koa izy hanoherana izany.

فجأة الاقى اعلان مدفوع الاجر على يسار موقع الفيس بوك تشجب و تندد بالشغب و العبث بالامن القومى المصرى و تدعو للاشتراك بمجموعة على الفيس بوك ضد فكرة الاضراب و ما حدث خلاله من عبث فى أمن مصر القومى

Tsikaritrao tampoka ny dokambarotra handoavam-bola eo ankavian'ny tranonkala Facebook , izay manameloka ny fanakorontanana sy ny fanohintohinana ny fiarovam-pirenena ao Egypta, ary manao antso amin'ny fandraisana anjara ao amin'ny vondrona Facebook manohitra ny hevitry ny fitokonana sy ny zava-nitranga nandritra izany tamin'ny fanakorontanana ny fiarovam-pirenena tao Egypta.

وصف المجموعة وفقا لما كتبوه فى الفيس بوك
من الفيس بوك خرجت دعوة اضراب 6 ابريل ومن فيس بوك ايضا يجب ان تخرج حملة ادانة لتخريب ممتلكات الناس و قطع الطرق وترويع الامنين – ان ما حدث فى المحلة حطر على الجميع وخطر على الأمن القومى المصري ويتحمل مسئوليته بشكل مباشر القوى السياسية التى سخنت الاوضاع بدون ان تكون لديها اى قدرة على السيطرة على الوضع كما يتحمل نتيجتها ايضا الأمن الذى قام بالبطش بالناس بلا هوادة فاستفز الجميع

Namaritra ny momba azy tao amin'ny Facebook ny vondrona ary nilaza hoe:
Tonga tao amin'ny Facebook ny antso ho amin'ny fitokonana amin'ny 6 Aprily, ary tao amin'ny Facebook ihany koa no nanaovana ny fanentanana amin'ny fanamelohana ny fanimbana ny fananan'olona ary ho avy ny fampihorohoroana ny olona am-pilaminana. Loza ho an'ny olona tsirairay  sy ho an'ny fiarovam-pirenena ao Egypta ny zava-mitranga ao Al Mahalla . Ny fahefana  ara-politika indrindra no tena tompon’ andraikitra tamin'ny tsy fahaizana mifehy ny zava-misy . Homen-tsiny ihany koa  ny mpitandro ny filaminana rehefa mampiasa herisetra amin'ny olona tsy an-kanavaka.