- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mirehitra i Gresy

Sokajy: Eoropa Andrefana, Gresy, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny Septambra 2007 ity adika eto ity)

Efa rentsika rehetra amin'ny vaovao [1] amin'izao fotoana izao fa nirehitra i Gresy. Tonga tao amin'ny tanàna fahiny ao Olympia [2] ny afo, toerana nahaterahan'ny Lalao Olaimpika sy misy ny Mozea Olaimpika, izay mampiantrano ireo angona vakoka fahagola (arkeolojika) lehibe indrindra ao Gresy.

[3]

Athens nirehitra (Avy amin'ilay mpisera flickr alefbetac [4])

Raha mbola mitohy ny afo ao amin'ny manodidina an'i Athena, ity no nolazain'ny tontolon'ny bilaogy Gresy momba izany. EllasDevil [5] nanoratra lohateny fotsiny [6]tamin'ny gazety Grika malaza, Kyriakatiki Eleftherotypia [7].

The headline simply reads: “there are no words”.

Hoy fotsiny ny vakin'ny lohateny: “tsy misy lazaina”.

CaliforniaKat [8], Amerikàna monina ao Gresy, namoaka lahatsoratra mazava [9] momba ny zava-mitranga, lisitr'ireo fahamaizana lehibe, ny zava-mitranga mitarika izany, inona no azon'ny olona atao mba hanampiana.

1. Don’t flick cigarettes out the car window while driving or on the ground near dried grass, paper or plants — Many forest fires are started this way2. Don’t burn garbage3. Make certain that roasting/cooking fires are controlled — Keep an eye on burning ashes, coals or kindling that can fly away or make contact with grass, brush, etc.4. Request or lodge a complaint that your municipality trim trees away from power lines or remove dried brush that pose a fire hazard5. Face mirrors away from direct sunlight6. Homes in rural and remote areas should be armed with fire extinguishers, a water reserve with hose/pump, wool blankets, ladder, rakes, brooms, boots and a first aid kit. Some people also put important documents, photos and other valuables in a fireproof safe, just in case.

1. Aza manipy sigara avy eny am-baravarankely rehefa mitondra fiara na eny an-dalana akaikin'ny bozaka maina, taratasy na zavamaniry – Maro ireo ala may noho ireo antony ireo 2. Aza mandoro fako3. Jereo tsara ny afo amin'ny fahandroana sakafo – jereo ny lavenona, ny saribao na ny kitay mbola mirehitra sao manidina eny amin'ny ahitra, sns.4. Mangataha any amin'ny kaominina mba hotapahana ireo hazo mety hikasika ny taribin'ny herinaratra fa mety hampiteraka afo tampoka izany 5. Ampalaviro ny tana-masoandro ny fitaratra 6.Tokony hanana fitaovana famonoana afo, tahirin-drano miaraka amin'ny paompy, bodofotsy volon'ondry, tohatra, kifafa, baoty sy ny fitaovana vonjy taitra ny trano eny ambanivohitra sy ny faritra lavitra. Misy ihany koa ireo olona mametraka ireo antontan-taratasy manan-danja sy zava-tsarobidy any amin'ny toerana tsy azon'ny afo, raha sendra misy ny fahamaizana.

[10]

Angidimby Rosiana (Avy amin'ilay mpisera flickr nkdx [11])

Tina, ao amin'ny Athena [12], nilaza fa ny Fiakaran'ny Maripànan'ny Tany sy ny Mpilalao Afo no omena tsiny noho ity loza ity [13].

The last two days I follow as all Greeks the wild fires in Greece. My feelings are pain and anger. I feel pain for the loss of human lives, for the forests, for the ecosystems that have been lost for ever. This is an unprecedented ecological disaster not only for Greece but for whole Mediterranean area.I feel angry and surprised the same time. The last few days I have heard a lot of possible causes for this disaster: arsonists seem to be the main and usual suspects. It seems that a lot of people have as main scope to destroy Greece. I don’t object the possibility that many of the fires have been initiated by arsonists.But I am surprised because I didn’t manage to find nowhere another simpler and more logical cause. CLIMATE CHANGE or global warming

Ny andro roa farany, nanaraka ny vaovao momba ny afo miredareda tao Gresy ihany koa aho tahaka ireo Grika rehetra. Fanaintainana sy fahatezerana no fihetseham-poko. Mahatsapa alahelo noho ny famoizana olona, ny ala, ny tontolo iainana very mandrakizay aho. Loza ara-tontolo iainana tsy mbola nisy toy izany tsy ho an'i Gresy ihany fa ho an'ireo faritra Mediteranea manontolo. Sady tezitra aho no gaga. Andro vitsivitsy lasa izay, efa nandre antony be dia be nahatonga ny loza aho: ireo mpilalao afo no tena ahiahiana voalohany sy mahazatra. Toa maro ireo manana tanjona lehibe handrava an'i Gresy. Tsy laviko ny mety hoe maro ny afo narehitr'ireo mpilalao afo. Saingy gaga aho, satria tsy nahavita nahita ny antony tsotra sy mitombina nahatonga ny afo izy ireo. Ny FIOVAOVAN'NY TOETRANDRO na ny fiakaran'ny maripàna.

betabug [14] nitatitra ny fomba fijeriny manokana mikasika ny afo, tao amin'ny tranony ao Athena [15].

Forest fires are burning in the immediate surroundings of Athens again. Firefighter planes drone on over our building. We went up to the terrace and watched a couple of Canadair planes, a russian Beriev, and a helicopter. There's lots of smoke and appart from the fire on Ymittos (which we can clearly locate) there is a big yellowish cloud which we don't know if it's smoke or a normal cloud.

Mbola mirehitra ny ala ao amin'ny manodidina an'i Athena. Mandeha ao ambonin'ny tranonay ny fiaramanidina mpamono afo. Niakatra teny amin'ny terasy izahay ary nahita fiaramanidina Canadair roa, ny iray Beriev Rosiana ary ny iray angidimby. Feno setroka ny tanàna ary ankoatra ny afo ao Ymittos (izay mora hitanay), misy ny zavona mavomavo saingy tsy fantatray raha setroka izany na zavona tsotra fotsiny ihany.

[16]

Setroka tao amin'ny ala ao Evia (mpisera flickr nkdx [11])