Iran: Tetikasa Cheetah sy Sabalan Mahafinaritra

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2007 ity adika eto ity)

Misarika ny masontsika amin'ny sary mahafinaritra misy ny tendrombohitra Sabalan ao avaratra-andrefan'i Iran ilay bilaogera malaza mpaka sary Mohammad Darvish. Fomba tsara hanombohana ny herinandro sy manohy mitatitra ny feo manerana izao tontolo izao.

Sabalan Mountains by Mohammad Darvish of Darvish.infoTendrombohitra Sabalan avy amin'i Mohammad Darvish ao amin'ny Darvish.info

Afaka mahazo vaovao fanampiny momba ity tendrombohitra mahafinaritra ity ao amin'ny wikipedia Sabalan ianao.

Tsy lavitry ny eritreritry ny maro manerantany ny lohahevitra momba ny fiovaovan'ny toetrandro. Androany, mamaky ny hevitr'i Batir Wardam ao Jordania nanoratra tao amin'ny bilaogy Arab Environment Monitor (Mpanaramaso ny Tontolo Iainana Arabo) momba ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Reuters isika, indrindra indrindra ny fankasitrahana ny ezak'i Ejypta amin'ny fiarovana ny morontsiraka.

It has always been known from global warming predictions scenarios that the Nile Delta region in Egypt is highly vulnerable to any expected rise in sea water levels due to climate change. This fact has pushed Egypt show high interest in climate change research and adaptation measures, unlike most Arab countries still stuttering with the political and economic hurdles against full engagement in climate change adaptation systems and being a global partner in climate change action.

Fantatra hatrany avy amin'ny vinavina amin'ny hafanan'ny maripàna manerantany fa ny faritra Vinany (Delta) Neily ao Ejypta dia marefo tanteraka amin'ny mety ho fiakaran'ny ranomasina noho ny fiovaovan'ny toetrandro. Nandrisika an'i Ejypta mba hampiseho fahalianana amin'ny fikarohana mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro sy ny fandraisana fepetra izany zava-misy izany, ary tsy tahaka ny ankamaroan'ireo firenena Arabo mbola mitarazoka amin'ny sakana ara-politika sy ara-toekarena manohitra ny fandraisana andraikitra tanteraka amin'ny rafitra fiovaovan'ny toetrandro sy ho mpiara-miasa manerantany amin'ny hetsika fiovaovan'ny toetrandro….

Ny farany saingy tsy latsa-danja dia ny lahatsoratra mahaliana sy mahabe fanantenana momba ny Tetikasa Cheetah Iran avy amin'i Sepideh Saremi.

Despite continued political tensions between the United States and Iran, the Iran Cheetah Project, a joint effort of the U.S.-based Wildlife Conservation Society (WCS) and Iran’s Department of the Environment (DOE), is working to study and save the Asiatic cheetah (also referred to as the Iranian cheetah, and “yuz palang” in Persian). Just 60 to 100 of these cheetahs remain in the world, and their only home is Iran’s desert plateau.

Na dia eo aza ny disadisa ara-politika eo amin'i Etazonia sy i Iran, miara-miasa mba hikaroka sy hiaro ny Cheetah Aziatika (manondro ny cheetah Iraniana, sy “yuz palang” amin'ny teny Persiana) ny Tetikasa Cheetah, ezaka iarahan'ny Fiarahamonina Miaro Ny Biby, ao Etazonia (WCS) sy ny Departemantan'ny Tontolo Iainana ao Iran (DOE). 60 amin'ireo cheetah 100 no tafajanona eto an-tany, ary ny hany toeran'izy ireo dia ny lembalemba tany hay ao Iran

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.