- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tajikistan: Ny Kolikoly sy ny Angovo

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana

Ny resabe ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Tajik tamin'ity herinandro ity angamba dia vokatry ny tatitra fa mandray 300 dolara Amerikana monja isam-bolana [1] ny filohan'ny Sampan-draharaham-panjakana Manaramaso ny Kolikoly sy ny Ara-bola vaovao, Sherhon Salimov, ary ny karaman'ireo olon-kafa izay miasa ao amin'ity sampan-draharaha ity dia mbola ambany noho izany. Toa tsy mitombina izany, satria iray amin'ireo antony lehibe mahatonga ny fiakaran'ny tahan'ny kolikoly ny karama ambany raisin'ireo manampahefam-panjakana, izay matetika mitarika ny tsy mangarahara amin'ny fanapahan-kevitry ny fanjakana.

Amin'izany, indraindray mety mitarika voka-dratsy lehibe eo amin'ny sehatra isan-karazany ny tsy fahampian'ny fahaizan'ny fanjakana, anisan'izany ny tontolo iainana. Nitatitra momba ny fitsidihan'ny filohan'ny RAO Rafitra Angovo Mitambatra ao Rosia, Anatoly Jubais izay nilaza fa hananganna toby mpamokatra herinaratra mandeha amin'ny rano ao amin'ny tohodrano voajanahary ao amin'ny farihy Sarez ny Economy of Tajikistan [2]. Miahiahy ny mpanoratra ny lahatsoratra fa mety hitarika loza ao amin'ny faritra manontolo ity tetikasa ity.

I heard about the ideas of building a hydroelectric power station in Sarez lake, but none of them were reasonable. This time the same thing happened. The Tajik Academy of Sciences represented by its head Ilolov said the proposal will be taken for consideration but no more than that.

Nandre ny hevitra fananganana toby mpamokatra herinaratra miodina amin'ny rano ao amin'ny farihy Sarez aho, saingy tsy misy mitombina ny iray amin'izy ireo. Tamin'ity fotoana ity, nitovy ny zava-nitranga. Nilaza ny filohan'ny Akademia Tajik momba ny Siansa, Ilolov fa hojerena ny tolo-kevitra saingy izay ihany