- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fomba Niatrehan'i Sri Lanka ny Tondradrano Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina
[1]

Mihoatra ny 100 ireo maty noho ny tondradrano vao haingana tany Sri Lanka. Pikatsary avy amin'ny lahatsary Youtube-n'ny World is One News.

Miatrika loza voajanahary nateraky ny tondradrano sy fihotsahan'ny tany ratsy indrindra [2] tato anatin'ny folo taona ny firenena nosy Sri Lanka amin'izao fotoana izao. Natomboky ny talio atsimo-andrefana izay matetika tonga amin'ny fiafaran'ny volana May, orana mikija nitondra [3] ny renirano Kalu, Kelani, Gin, Nilwala, sy Attanagalu Oya hiparitaka manerana ny moron'ireo distrika 15, mitoetra ao amin'ny faritra atsimo sy andrefan'ny firenena.

Araka ny torohevitry ny [4] Foibe Fitantanana ny Loza tamin'ny 28 May 2017, olona 126 no maty ary efa ho zato ny olona tsy hita noho ny tondradrano sy ny fikorinan'ny ranompotaka. Mihoatra ny olona 400.000 no voakasika [5] nanomboka tamin'ny Zoma lasa teo (26 Mey), ary teo amin'ny olona 100.000 teo no nafindra toerana tamina toerana azo antoka kokoa miisa 304.

Nihena [6] ny orana tamin'ny Sabotsy (27 Mey) ary nanomboka nihena ny haavon'ny rano tany amin'ny faritra sasany. Fanamby goavana, ho an'ireo faritra voakasika izay mbola tsy afaka hidirana, ny fahasalamana sy ny fanadiovana.

Ireto ambany ireto misy sary sy lahatsary vitsivitsy mampiseho ny fitaran'ilay loza voajanahary nateraky ny tondradrano:

RT BasnayakeM: Tondradrano Be ao Morawaka Renivohitra #lka [7] #srilanka [8] pic.twitter.com/HYDrLY4qcX [9]

Tondradrano ao an-tanànan'i Tawalama mahatratra 7 metatra mahery ny haavon'ny rano.#lka [7] #srilanka [8] #LKA [11] #Srilanka [12] #Galle [13] pic.twitter.com/at9ovDfuNP [14]

Mpampiasa Twitter toa i Azzam Ameen [16] sy Sri Lanka Tweet [17] no efa namoaka lahatsoratra mikasika ilay tondradrano. Maro ireo mampiasa ny tenifototra #FloodSL [18] mba hanarahana maso ny fiantraikan'ny loza.

Mety hanamafy ny krizin'ny  bemangovitra ny tondradrano mahafaty ao Sri Lanka, mampitandrina ny Vonjeo ny Zaza satra mbola hisy orana ho avy  bebe kokoa #lka [7] #FloodSL [18]

Anaty haavonà rano hatramin'ny 6 metatra ny toerana fiandrasana fiara fitaterambahoakan'i Neluwa androany maraina #lka [7] #srilanka [8] #Galle [13] #Srilanka [12] pic.twitter.com/ykb606iBpB [20]

— Farhaan Nizamdeen (@greatgalle) Mey 26, 2017 [21]

Nanamafy ny ezaka fanavotana ny fanjakana. Miaramila mihoatra ny 1.600 avy amin'ny tafika ao Sri Lanka no efa nilatsaka tao anatina hetsika fanampiana amin'ny tondradrano sy fihotsahan'ny tany [25] any amin'ireo faritra voakasika. Nanaparitaka [26] fiaramanidina dimy ny tafika an'habakabaka ho an'ny hetsika fanavotana ary dimy hafa omanina hitatitra ny fanampiana vonjimaika ho an'ireo mponina tafahitsoka ao amin'ireo tanàna tondraky ny rano.

Mbola hikatona ireo sekoly rehetra any amin'ireo toerana voakasika any amin'ireo faritany Andrefana sy Atsimo rahampitso: CM #Lka [27] #SriLanka [22]

Nandefa antso vonjy manerantany [29] any amin'ny Firenena Mikambana i Sri Lanka, ny Vondrona Fakankevitra  Iraisampirenena Fikarohana sy Fanavotana (INSARAG) ary ireo firenena manodidina mba hitondra fanampiana an'ireo olona traboina. Sambo mpiady Indiana iray mitondra fanafody miaraka amina mpiasa 125 no niantsona tao Colombo [6], renivohitry ny firenena, tamin'ny Sabotsy ary roa hafa koa mbola ho avy tsy ho ela.

Fikambanana sy startup (tsimoka) maro samihafa ihany koa no efa an-dalàna hanampy. Manome torohay manan-danja mikasika ny fipetraky ny tondradrano sy ny fanampiana noho ny maha-olona ireo pejy Facebook toy ny Vonjeo Ireo Traboinan'ny Tondradrano ao Sri Lanka [30] sy ny Vonjy Rano Vaky 2017- Fandraisana Filazana – Sri Lanka [31]. Ny sasany mampiasa ny twitter mba hanentanana amin'ny fanampiana noho ny tondradrano:

Ireo olona izay te-hanatsangana ny tanany ary hanampy. Mila mpilatsaka an-tsitrapo sy mpanome fanomezana izahay. Midira ao anatiny. #FloodSL [18] #Flood2017 [32] #SriLanka [22] #RT [33] #Help [34] pic.twitter.com/NDDu3XKMIa [35]

Raha toa ka misy ekipa mpikaroka & mpanavotra ka mila drona manidina ho an'ny hetsika ataony, Mba antsoy ny 0774844639 azafady #flood2017 [37] #FloodSL [18] #SLDisasterRelief [38] #lka [7]

Ho an'izay mihevitra hanome sakafo maina sy fitaovana tena ilaina ho an'ireo traboina #TondradranoSL  [18]pic.twitter.com/y67BHmy9r5 [41]

Aty amin'ny faritra Keleniya sy Himbutana izahay androany. Azafady, mba antsoy ny 0777449729 na 0777843841 androany raha toa ka misy biby any amin'ireo faritra ireo mila vonjy azafady #TondradranoSL [18] #lka [7]

Mangataka ireo olona azom-pahoriana mba hizara ny toerana honenany amin'ny alalan'ny fampisàna ny fampiharana Taxi PickMe (Sri Lanka) [44] mba ahafahana mampahafantatra ny Foibe Fitantanana Loza.

#lka #Tondra-dranoSL [18] #Fanavotana [45] Omeo ny Foibe Fitantanana ny Loza ny toerana misy anao amin'ny alalan'ny @PickMeLK [44] pic.twitter.com/X1nBGydCum [46]

Tamin'ny taona lasa teo, taorian'ny loza voajanahary izay nentin'ny rivodoza Roanu, nampiditra bokotra ”fanampiana amin'ny tondradrano” [48] ny PickMe, izay manome fahalalahana an'ireo mpampiasa mba hiantso fiara haka ireo fanampiana sy fanomezana izay nalefa maimaimpoana tany amin'ny Vokovoko Mena Sri Lankey. Nampiditra bokotra ”SOS” ihany koa ry zareo, izay nitondra nankany amina fangatahana nihoatra ny arivo sy fanavotana nahomby miisa 150 tamin'ny sambo ho an'ireo voafandriky ny tondradrano sy fihotsahan'ny tany.

Ireo ezaka nitambatra niarahan'ny fanjakana sy ireo vahoaka Sri Lankey tsotra izay mampiakatra ho amin'ny farany ambony ny sehatra mediam-bahoaka maro isan-karazany dia mitondra ireo mponina tafahitsoka ho any amin'ny fandriana fahalemana ary manohana azy ireo amin'ny alalan'ny hetsika fanampiana. Nanampy hisorohana ny fahaverezana aina maro izany satria ankehitriny miatrika ny làlana lava mankany amin'ny fahasitranana ireo Sri Lankey.