Ejypta: Mpirahalahy Miozolomana (Folo Taona Mahery Lasa Izay)

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny Oktobra 2007 ity adika eto ity)

Androany, te hizara aminao ny lahtsoratra nosoratan'i Wahda Maseyya – Tovovavy Ejypsiana – momba ny antoko Mpirahalahy Miozolomana sy ny heviny momba ny foto-kevitr'izy ireo aho. Raha ny marina, misy foana ny adihevitra lehibe ao Ejypta mikasika ny fivavahana – indrindra ny antoko – Silamo, raha safidy tsara ny manana antokom-pivavahana eto na tsia.

الإخوان المسلمين أخاف ان ياتي اليوم الذي تكون فيه جماعة الإخوان المسلمين هي السكين البارد التي ستذبح مصرنا الحبيبة و الذريعة التي قد تدخل بها جيوش الإحتلال لمحاربة الإرهاب
و لذلك لا اتمنى على الإطلاق ان أرى ذلك اليوم أو ان يحقق الإخوان ما قد يصبون إليه فيصبح حزبهم هو من يشكل مجلس الورزاء أو يكون من بينهم رئيس للجمهورية .

Ny Mpirahalahy Miozolomana; Matahotra aho fa mety ho antsy mangatsiaka mamono an'i Ejypta malalantsika izy ireo indray andro any, ary ho lasa fialan-tsiny ho an'ny tafika mba hidirana ao Ejypta hiadiana amin'ny fampihorohoroana.
Izany no mahatonga ahy tsy te hahita amin'izany andro izany rehefa tanteraka ny nofin'izy ireo ary lasa tompon'andraikitra amin'ny famoronana Filan-kevitry ny Minisitra (Kabinetra) ny antokon'izy ireo, ary ho lasa Filohan'i Ejipta ny iray amin'izy ireo.

Niezaka nampiasa ny resadresaka niarahany tamin'ilay Amerikana mpikaroka momba ny Mpirahalahy Miozolomana izy, sy i Essam El Eryan, anisan'ny misahana ny Birao Ara-Politikan'ny Vondrona – mampiasa ny teny hoe Vondrona aho fa tsy Antoko eto satria sokajian'ny governemanta Ejypsiana toy ny antoko ofisialy izy ireo. Miezaka milaza i Wahda fa misy mpikambana sasany ao amin'ny Vondrona heverina fa tony fihetsika saingy mino izy fa hanohy hanana foto-kevitra mitrifana ny MB.

في رأيي أن للإخوان ايدلوجيا و فكر لم و لن يتغير لأن أصلة و أساسة ثابت جامد محافظ و أحيانا متطرف عندما تناقشت مع أحد الناشطين من جماعة الإخوان فحكيت له عن تلك الباحثة الامريكية التي تقوم بعمل دراسة عن الإخوان و أنها متفائلة بالإخوان و لم تكف عن ذكر عصام العريان كدليل على الإعتدال و الوسطية بين الإخوان فقلت لها ان عصام العريان هو واحد من ضمن ألاف و ان عصام العريان قد يكون معتدل إلا انه لا يمثل الغالبية العظمى من الإخوان ذات الفكر الجامد المحافظ
و كان رد الناشط أن هناك ما يسمى النخبة في أي جماعة و هناك ما يمثل الباقية الباقية و أن النخبة هي التي تقوم بدور القياده و ان عصام العريان هو من النخبة و هو من تيار الإصلاحيين

Heveriko fa manana foto-kevitra mazava izay tsy niova sy tsy hiova ny MB, satria manana fototra matanjaka sy mpandala ny mahazatra izy, izay indraindray mahery fihetsika koa. Rehefa niady hevitra tamin'ny iray tamin'ireo mpikatroka ao amin'ny MB aho, ary nilaza azy momba ilay Amerikana mpikaroka izay manao fikarohana momba ny MB, ary be fanantenana sy tia milaza an'i Essam El Eryan ho ohatra amin'ny fihetsika tony sy tsy mitanila izy, ary nilaza taminy aho fa iray monja amin'ireo an'arivony i El Eryanf ka mety ho tony fihetsika izy saingy tsy misolo tena ny ankamaroan'ny vondrona izay manana fiheverena hiringiriny sy mpandala ny mahazatra.
Namaly avy eo ilay mpikatroka fa  misy ireo mpikambana sangany amina vondrona ary ireo mpikambana ireo dia anisan'ireo mandray ny andraikitra amin'ny fitarihana ny vondrona, ary iray amin'ireo mpikambana ireo i El Eryan.

Ary notohizany hoe….

و لكن أعود لاقول ان تيار الإصلاحيين هذا يقابلة تيار محافظ يميني داخل الجماعة و هو من له السطوة و التحكم و هو الأقرب للناس و الأقرب للفكر الإخواني المتأصل منذ سنوات بعيدة و أعتقد انه من الصعب جدا على تيار الإصالحيين أن ينجح و يصبح هو الصوت الأعلى و الغالب
و ليس معنى ذلك أن يتوقف الإصلاحيون داخل الجماعة عن المحاولة و لكن في رأيي أن عليهم الإستمرار في المحاولة لتغيير الفكر الجامد المحافظ داخل الجماعة إلا انني في النهاية لا أريد لمصر ان تصبح إيران أخرى بل أتمنى ان ارى مصر مثل بريطانيا او مورتنيا حيث تحول فيها الحكم إلى الديموقراطية المدنية دون عسكر أو إسلامين

Saingy mbola mino aho fa ireo reformista ireo dia toherin'ireo mpikambana hiringiriny ao amin'ny vondrona izay manana fahefana sy fanarahamaso ny vondrona manontolo. Ary ireo mpikambana hiringiriny ireo dia anisan'ny akaiky kokoa amin'ny firehan-kevitry ny MB tany am-boalohany, firehan-kevitra izay an-taonany maro ary mino aho fa tena sarotra ho an'ny reformista ny afaka manohy na manana andraikitra mahomby ao amin'ny vondrona.
Tsy midika izany fa tsy hiezaka intsony ny reformista, ary tena tiako izy ireo mba hanohy ny ezak'izy ireo hanova ny foto-kevitra mahery fihetsika ao amin'ny vondrona. Saingy amin'ny farany, tsy te hahita Ejipta hivadika ho Iran hafa aho. Mifanohitra amin'izany, te-hahita azy tahaka an'i Fanjakana Mitambatra aho na Maoritania izay misy governemanta demaokratika sy sivily tsy misy fitsabahan'ny miaramila sy ny Islamista.

Rohy:
Tranonkala Ofisialin'ny Mpirahalahy Miozolomana, Ikhwan-Web
Wikipedia, Tantaran'ny Mpirahalahy Miozolomana ao Ejypta

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.