- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#FreeNassar (AvotsoryNassar): Nisambotra Mpianatra Iray Noho ny Zavatra Nosoratany Tao Amin'ny Facebook ny Manampahefana Palestiniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Jiosy ortodoksa iray mivavaka ao amin'ny Rindrina Andrefana. Sary an'i Brian Jeffery Beggerly tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Ny 8 Jona, nosamborin'ny [1] Palestinian Authority (PA) – Fahefana Palestiniana, i Nassar Jaradat,  tanora Palestiniana iray mpikatroka, noho ny lahatsorany tao amin'ny Facebook manakiana Palestiniana iray manampahefana. Ampahany amin'ny fanampenam-bava midadasika atao amin'ny fahalalahana maneho hevitra any amin'ny faritra Amoron'i Jordàna bodoin'ny Israeliana ilay fisamborana.

Jaradat, dia mpikatroka no sady mpianatra momba ny ijenierian'ny fambolena ao amin'ny anjerimanontolo Al Quds, nandefa lahatsoratra iray tao amin'ny pejiny Facebook nanakiana ny Palestiniana iray manampahefana, Jibril Al Rajoub, izay niteraka resabe [2] noho ny tafatafa iray nataony ho an'ny fandaharana “Miresaha amin'ny Gazety” an'ny Fantsona 2 tao Israely.

Tao amin'ilay fandaharana, nilaza i Al Rujoub, izay avy ao antoko Fatah mitondra ao Amoron'i Jordàna fa ny Rindrina Andrefana ao Jerosalema Atsinanana izay bodoin'i Israely dia tokony “hijanona ho eo ambany fiandrianan'i Israely”. Toerana fivavahana ilay Rindrina Andrefana ao an-tanànan'i Al Haram Al Shareef na ny Temple Mount [3] ao amin'ny Tanàna Fahagolan'i Jerosalema, ary toerana masina faran'izay ifanolanana indrindra [4], sady masina ho an'ny Miozolmana. no masina ho an'ny vahoaka Jiosy. Ny firaisam-pinoana Islamika Jordaniana na Waqf [5] no mitàntana azy io.

Samy nanameloka [6] ilay fanambaràn'i Al Rajoub daholo ireo Palestiniana izay nahita azy iny ho toy ny famotsorana tanteraka [7] ny zon'ny Palestiniana amin'ny taniny sy amin'ilay toerana masina. Marobe ireo nanameloka ilay fanambaràna [7], tamin'ny filazàna azy ho tsy tena nahasolo tena [8] marina ireo Palestiniana na ny fikatsahan'izy ireo fahalalahana sy fahaleovantena amin'ny fibodoana Israeliana.

Tamin'ny fanakianana ilay fanambaràna, nanoratra i Jaradat hoe :

Ny fanoloranao zavatra iray tsy anao akory ho an'ireo olona izay tsy mendrika izany akory. Io no tena fototry ny hadisoam-panantenana sy ny horohoro amin'ilay famoizana…ny fisehoana anaty gazetin'ny fahavalo, manenjika ny fihazakazaky ny fotoana, ianao sy ny tarikareo avy ao amin'ny fitarihana ny Fatah, ianareo no manary ny zon'ny Palestiniana sy mankalaza ny tenanareo mba ho eken'ny manodidina ary mba hametraka ny tenanareo ho toy ny safidy manoloana ilay “lahy antitra” [entina hanondroana ny filoha Palestiniana Mahmoud Abbas] sy mpandova mendrika afaka ny ho ekena [eken'ny Israeliana]..

Tsy hitondra tombony ho an'ny tany izay an'ny Waqf Islamika sy an'ny Faritra Maraokana ary ireo Maraokana mpanao fivahinianana masina, ary tsy misy mpiaro afa-tsy ny firaisam-pinoana, dia ny firaisam-pinoana izay nofitahantsika ary nodisointsika fanantenana nandritra ny nisian'ny PA (Fahefana Palestiniana). Ny teny mitoetra ho teny, ary tsy misy haba aloa amin'ny teny, raha mbola ny fitroaram-bahoaka ihany koa no dingana manaraka amin'ny seho an-tsehatra, ary ireo vahoaka ireo no tsy hanaiky anao ho ampahany amin'io hetsika io…ry Jibril al-Rajoub, tsy izao no fiasan'izy ity.

Tsy ela taorian'ny nandefasany ilay lahatsoratra, tonga ny mpitandro filaminana Palestiniana , rantsan'ny sampam-pitsikilovana anatiny natao hiasa hiaro ny PA, nisambotra an'i [9]Jaradat tao an-tranony ary nitazona azy nandritry ny andro telo. Vokatr'izay dia nohelohin’ [10]ny fitsaràna iray tao Ramallah ho naniratsira manampahefana sy nanala baràka imasom-bahoaka izy. Nohavaozina ary nampiana 15 andro indray ny fitazonana azy.

Nassar Jaradat. Sary : pejy Facebook “Free Nassar Jaradat”

Mety hanjo an'i Jaradat daholo na ny famonjàna mandritry ny telo herinandro, na roa taona, araka ny Toko faha-2 (3) momba ny “fanalàna baràka, faniratsiràna ary fanambaniana olona” ao anatin'ny Lalàna Jordaniana momba ny Famaizana, navoaka tamin'ny 1960 [11] izay mbola manankery ao Amoron'i Jordàna. MAtetika ampiasain'ny PA ireo ampahany ao anaty lalàna miresaka heloka bevava fanalàna baraka mba hanampenana ny vavan'ireo Palestiniana mpikatroka sy mpanao gazety mitsikera imasom-bahoaka ireo Palestiniana manampahefana sy politisiana.

Nanokatra pejy Facebook ny fianakaviana sy ireo naman'i Jaradat  “الحرية لنصار جرادات – Avotsory i Nassar Jaradat [12]“, nangatahana ireo mpanohana mba hampiasa ny tenifototra #FreeNassarJaradat sy  #FreeNassar ao amin'ny haino aman-jery sosialy ho fanentanana amin'ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro.

Ny “Samidoun” Tambajotram-Piraisankinan'ireo Palestiniana Gadra noho ny Politika koa dia manao fanentanana ho an'ny famotosorana azy sy nangataka ny vahoaka hifandray amin'ireo masoivoho Palestiniana [1] ary ireo biraon'ny solontena any amin'ny firenena misy azy ireo tsirairay avy.

Manohy ireo fanitsakitsahana variraraka ataon'ny PA amin'ny fahalalahana maneho hevitra ety anaty aterineto ilay fisamborana, ny PA izay nitazona mpanao gazety [13] sy mpikatroka [14]marobe noho ny nanehoan'izy ireny ny fomba fijeriny politika teny anaty Facebook.

Notsipihany ihany koa ny olana amin'ilay antsoina hoe  “varavarana mihodina” ifandraisan'ny fandrindràna ny filaminana [15] eo amin'ny PA sy ny fibodoana ataon'ny Israeliana. Ilay varavarana mihodina [16] no mamaritra ny politika hoe fotoana fohy aty aorian'ny namotsorana azy ireo Palestiniana nafahana avy tany amin'ireo fonjan'ny PA dia azon'ny Israely samborina indray, na ny mifamadika amin'izay. Raha ny momba ny raharaha Jaradat, izay efa nifonja tany Israely teo aloha, ny fisamboran'ny PA azy amin'izao fotoana izao dia mametraka azy ho ambanin'ny fanarahamason'ireo manampahefana ao Israely, mahatonga azy ho mety hiharan'ny fisamboran'i Israely indray.

Amin'ny fanamelohana ny famoretana ara-politika tsy mitsahatry ny PA ataony amin'ireo tanora mpikatroka ao aminy ihany, nandefa taratasy iray misokatra [17]ho an'ireo Mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana ny Vovonan'ireo Vondrom-Piarahamonina sy Fikambanana Palestiniana hitakiana ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Nassar ary hampitsaharana ireo politikam-pamoretan'ny PA afenina eo ambanin'ny resaka fandrindràna filaminana.