(Marihina fa tamin'ny 1 Septambra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Nivory tao Santa Cruz ho an'ny fivorian'ny “Bloguivianos. [ES]” voalohany fanao isan-taona tamin'ny 1 Septambra ny bilaogera Boliviana avy any ivelany sy manerana ny firenena . Hanome ny fahafahana ho an'ny maro izay mifandray fotsiny amin'ny alalan'ny bilaogy na mailaka mba hihaonana mivantana ity fivoriana ity , ary handraisan'ny bilaogera tafiditra manokana ao anatin'ireo sehatra ireo anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra isankarazany.
Nokarakarain'ny Mundo Al Revés [ES] sy CEPAD [ES], , ary ahitana ihany koa ireo komitin'ny bilaogera Vania Balderrama [ES] , Jessica Olivares [ES] , José Andres Sanchez [ES] , Renzo Colanzi [ES] , Pablo Carbone [ES], Sebastian Molina [ES], ary María Escándalo [ES].
Ahitana ny fizarana mikasika ny Bilaogy sy ny Literatiora, Bilaogy sy ny Politika, Bilaogy sy ny Fanaovan-gazety, ny Bilaogy sy ny Tambajotra ny fandaharam-potoana amin'io andro io [ES]. Io fotoana io ihany koa dia manasongadina ny famelabelarana fohy ataon'i Miguel Esquirol [ES] mikasika ny endriky ny tontolon'ny bilaogy Boliviana izay solontenan'ny tranonkalan'ny vondrom-piarahamonina Blogs Bolivia [ES] , ary avy amin'i Hugo Miranda sy Mario Duran momba ny tetikasa Voces Bolivianas any El Alto .
Mampiaina mivantana ny famahanana blaogy momba ny hetsika ihany koa i Miranda ary ho hita ao amin'ny tranonkala Bloguivianos mandritra ny tontolo andro ny fanavaozam-baovao .
Nanolotra famatsiam-bola ho an'ny dia miisa roa [ES] ho an'ny blaogera avy any El Alto, Willmar Pimentel [ES] sy Cristina Quisbert [ES] ny tetikasa Voces Bolivianas tohanan'ny Rising Voices mba hanatanterahana ny fandraisana anjara manerana ny firenena.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...