- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Ny Zavakanto sy ny Mpanakanto

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Haisoratra, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2007 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

Tsy ara-politika fotsiny araka ny fantatrao ny tontolon'ny bilaogy Libaney, ary misaotra an'Andriamanitra noho izany. Misy ireo mpanakanto mampiasa bilaogy mba hampiseho ny sary hosodoko, ny mozika sy ny famoronana ara-javakanton'izy ireo. Indro ny santionany. Voalohany dia sary sy hosodoko, ary avy eo mozika sy sarimihetsika. Ankafizo.

Manana fanampiny vitsivitsy vaovao ho an'ny zavakantony navoaka tao amin'ny bilaoginy i Suzanne Alaywan [1]. Anisan'izany ity iray ity izay mivaky hoe “sarin'ny soritsoritra napetaka” ity. Mitondra ny fiainana sy fanantenana ho an'ny varavarankely antitra mihidy izany.

Mazen Kerbaj [2] nandefa kisarisary vaovao maromaro tamin'ity volana ity. Ity iray ity dia mitondra ny lohateny hoe “boom” milaza ny tantaran'ny zava-niainan'i Evan tamin'ny fipoahana baomba- iray tamin'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro nanamaloka ny andronay sy ny herinandronay vao haingana tao Libanona.

Nanampy ity dikateny amin'ny teny Anglisy ity tamin'ny lahatsoratra Arabo tamin'ny sariny izy.

19 september 2007
5.30 PM
i am watching tv

suddenly
the electricity is cut

and
the building moved

and then
BOOM

500 meters from the house

Evan's face

Evan's voice

and Evan's questions
– what is this sound?
– what is this smoke?
– what happened?
when?
why?
how?

and after 30 minutes
everything went back to normal

and in the evening, a new question:
– why there is no school tomorrow?

19 septambra 2007
5.30 hariva
mijery fahitalavitra aho

tampoka teo
tapaka ny herinaratra

ary
nihetsika ny tranobe

avy eo
BOOM

500 metatra ny trano

Endrik'i Evan

Feon'i Evan

ary ny fanontanian'i Evan
– inona izany feo izany?
– inona izany setroka izany?
– fa misy inona?
oviana?
nahoana?
ahoana?

taorian'ny 30 minitra
niverina tamin'ny laoniny ny zava-drehetra

ny hariva, fanontaniana vaovao:
– nahoana no tsy mikatona ny sekoly rahampitso?

Maroun Kassab [3] niverina tamin'ny sasany amin'ireo hosodokony izay mandrafitra ny ampahan'ny fampiratiana. Ity ambany ity dia mitondra ny lohateny “tsindrimandry” sy menaka eo amin'ny lamba. Miteny ho azy ny sary.

Ity ambany ity kosa iray amind'ireo kisarisary vaovao sy mahaliana marobe avy amin'i Laure Ghourayeb [4]. Nantsoiny hoe “l'autre” na “ny hafa” ity. Miteny ho azy ihany koa ity sanganasa ity.

Ibn Bint Jbeil [5] nanoratra momba ny lohahevitry ny fampiratiana izay nandraisany anjara. Ny lohahevitra dia “ny Dia & Halavirana” ary mifantoka amin'ny hevitry ny olona tsy mitsahatra mivezivezy izany.

Nanazava ny hosodoko izy hoe:

Initially these images are intangible and not formed, and so the exploration of these images is an exploration of that which is elusive and pliable. Thus the paintings become abstractions of home and land.

Tamin'ny voalohany, tsy azo tsapain-tanana sy tsy nanana endrika ireo sary ireo, ka ny fitrandrahana ireo sary ireo dia fitrandrahana izany izay saro-takarina sy mora folahana. Noho izany, nanjary fanavahana an-tsaina ny trano sy ny tany ireo sary hosodoko ireo.

Afaka renesina ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa ny mozika. Mpamoron-kira Libaney izay mitana ity bilaogy ity i Ziad El Ahmadie [6], bilaogy izay ahafahan'ireo mpitsidika mihaino ny mozikany sasany avy amin'ny kapila mangilatrany voalohany “Bilbel”, ankoatra ny lahatsary mozika.

Farany, misy ny bilaogy Lebanese Films [7] izay iresahan'ireo mpanoratra, Libaney, momba ny  hevitr'izy ireo manokana mikasika ny indostrian'ny horonantsary Libaney. Ao amin'ny lahatsoratra farany indrindra, miresaka ny sarimihetsika “S. L. Film ” ny mpanoratra, izay hatsikana mifototra amin'ny fandaharana efa nalaza tamin'ny fahitalavitra ” S. L. Shi “.