- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fomba Fijerin'ilay Bilaogera Soedoa An'i Iran

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Tanora, Teknolojia, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 05 Jona 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Bilaogera Soedoa iray i Jonathan Lundqvist  izay nitsidika an'i Iran volana vitsivitsy lasa izay ary nizara ny zavatra niainany tamin'ny Global Voices tao anatin'ny antsafa [1]. Namoaka sary maro tao amin'ny bilaoginy momba ny sivana [2], ny fiainana andavanandro [3] , ny fomban-drazana, sy ny fiainana moderina  ao Iran i Jonathan sady tsy hanadinony ihany koa ny  hatsaran-tarehin'ilay firenena. Ireto misy sary fito izay milaza mihoatra lavitra noho ny teny an'arivony :

swedish2.jpg

magazine

Mampiseho antsika ny topimaso momba ny sivana izay nitranga tao Iran ny sary roa voalohany . Nilaza i Jonathan fa ny Ivontoeran'ny Mpanao Gazety Nashravaran no sampan-draharaha izay mitantana ny sivana rehetra. Manisy hajia ny gazetiboky rehetra ihany koa izy ireo aorian'ny fanamarinana. Tena hafakely ny mieritreritra ny olona izay tsy manao afatsy ny mipetraka miaraka amin'ny penina goavam-be ary mandrakotra ny hoditra mandritra ny tontolo andro.

Ato amin'ny sary fahatelo, mila mandeha lavidavitra sy any ho any ny Iraniana rehefa mampiaraka amin'ny toerana mangina .

park

Mampiaraka amin'ny fomba Iraniana. Lehilahy sy vehivavy iray mipetraka eo amoron-drano mandrivodrivotra, mankafy ny resaka ifanaovany. Toy ny karazana paradisa ny tendrombohitra  izay ahitana vetivety ny vehivavy tsy manao folara !

Mampiseho ny fomba hihaonan'ny marika tandrefana amin'ny akanjo tatsinanana ny sary fahefatra.

swedish4.jpg

Hoy i Jonathan raha nanazava: “Hitako ity tovovavy ity niasa tao amin'ny fivarotana akanjo fanaovana amin'ny fanatanjahan-tena tany amin'ny faritra avaratr'i Tehran ary nahaliana ahy ny sary famantarana teo amin'ny voaliny .”

Mampiseho ny foibem-pivarotana elektronika, ny zaridaina tsara tarehy ao Tehran, ny tetezana mahafinaritra ao Esfahan, ary ny varavarankely feno sary sokitra Persiana ao amin'ny trano fivavahana ny sary efatra farany.

electronics

park

bridge

swedish.jpg