Iran: Fisamborana sy Fandravàna

Martyam Hosseinkhah(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Novambra 2007 ity adika eto ity)

Nanohy ny politikany momba ny famoretana mihatra amin'ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy sy ny Silamo Sufi ny governemanta Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Nosamborina andro vitsy lasa izay i Maryam Hosseinkhah, mpikatroka ny zon'ny vehivavy sady mpanao gazety, ary noravàn'ny mpitandro ny filaminana ny Foiben'ny Silamo Sufi.

Lasibatra: Mpikatroka ny Zon'ny vehivavy

Mpikambana ao amin'ny Foibe Ara-kolontsain'ny Vehivavy i Maryam Hossienkhah. Mpikambana mavitrika ao amin'ny Fanentanana Sonia Iray Tapitrisany ihany koa izy. Nosamborina izy andro vitsy monja taorian'ny fanakatonana ny tranonkalan'ny Foibe Ara-kolontsain'ny Vehivavy noho ny didin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika sy ny Fitsarana.

Change for Equality (Fiovana ho an'ny Fitovian-jo) nanoratra tamin'ny 17 Novambra:

“She was interrogated for over 2 hours on Saturday and told that she is charged with disruption of public opinion, propaganda against the state, and publication of lies through the publication of untrue news items on the site of the Women’s Cultural Center and the One Million Signatures signature campaign.

“Nalaina am-bavany nandritra ny 2 ora mahery izy tamin'ny asabotsy ary nilaza fa voampanga ho manelingelina ny hevi-bahoaka, fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana, ary famoahana lainga ny alalan'ny famoahana vaovao diso ao amin'ny tranonkalan'ny Foibe Ara-kolontsain'ny Vehivavy Cultural sy ny fanentanana sonia iray tapitrisa.

Nilaza ny Change for Equality  fa manamarika ny fitohizan'ny fitomboan'ny herisetran'ny mpitandro ny filaminana Iraniana amin'ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy ny fisamborana an'i Maryam Hosseinkhah. Hatramin'izao, olona 40 mahery no voasambotra noho ny hetsika milamina ataon'izy ireo ho fanohanana ny Fanentanana

Negarka nilaza [Fa] hoe: “Avotsory i Maryam Hosseinkhah, tovovavy mahery fo izay vao avy nanoratra ho an'ny fahalalahana, ny rariny sy ny voninahim-pirenena izy.”

Farideh Gheyrat, mpitsara kosa nilaza [Fa] fa tsy ara-dalàna ny fisamborana azy. Iray amin'ireo mpisolovava i Shirin Ebadi, mendrika tamin'ny Loka Nobel.

Repoblika Islamika mifanandrina amin'ny Silamo Sufi

Tsy ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy ihany no kendren'ny governemanta. Voatafika sy rava ihany koa ny Foiben'ny Silamo Sufi (Dervishes) tamin'ny herinandro lasa.

Mohammad Ali Abtahi, filoha lefitry ny Iraniana reformista teo aloha, nilaza [fa] hoe:

In the difficult political, economic and international situation the country is experiencing, there was a row with Sufis in Boroojerd and their house of worship was destroyed. Sufis trying to defend their house of worship started fighting back as well. Meanwhile the house of worship was destroyed. A similar event occurred in Qom.

Ao anatin'ny toe-draharaha ara-politika, ara-toekarena sy iraisam-pirenena sarotra izay iainan'ny firenena, nisy ny fanafihana ny Sufis tao Boroojerd ary noravaina ny trano fivavahan'izy ireo. Nanomboka namaly ihany koa ny Sufis izay miezaka miaro ny trano fivavahan'izy ireo. Mandritra izany, rava ny trano fivavahana. Nitrangàna toe-javatra tahaka izany koa tao Qom.

Nilaza [Fa] i Azad Nevis  fa tsy mikasika ny foto-kevitra na ny finoanan'izy ireo no antony mahatonga ny governemanta manao famoretana amin'ny Sufism. Nilaza ity bilaogera ity fa manao famoretana amin'izay vondron'olona mahavita mifandamina sy manana mpitarika ny governemanta Iraniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.