Rehefa Avy Nanao Fampielezankevitra Momba ny Fahalalahan'ny Aterineto, Dedaka Amin'ny Fanivànana Aterineto Ny Minisitra Iraniana Misahana Ny TIC

Vaezi, minisitr'i Rouhani misahana ny TIC, nanambara tamin'ny parlemanta, 18 andro taorian'ny nanaovan'i Rouhani fampielezankevitra sy nandreseny noho ny fidedahany hanome fahalalahana ny aterineto, fa 7 tapitrisa ireo tranonkala nobahanan'ny governemantany tamin'ny fepotoana voalohany nitondran'izy ireo. Sary avy amin'i Tasnim miaraka amin'ny faniriana hizaràna azy.

Tamin'ny fahombiazany naha-voafidy azy indray, tsy nitandro hasasarana ny filoha Iraniana Hassan Rouhani hiarovana ny fidirana amin'ny sehatr'ireo haino aman-jery sosialy ao Iràna. Na mbola mijanona ho voabahana ao Iràna hatrany aza ireo sehatra goavana toy ny Facebook sy Twitter, somary nampitonitony fomba fiteny ingahy Rouhani mikasika ny fameperana ireo sehatra haino aman-jery vaovao toy ny Instagram sy Telegram, raha mitaha amin'ireo mpitarika tany aloha.

Saingy tamin'ny herinandro lasa, herinandro vitsy monja taorian'ny fandreseny, nampiditra fanavaozana vaovao vitsivitsy ny fitantanan'Atoa Rouhani, izay mety haneritery misimisy kokoa ny fidirana amin'ny aterineto.

Mitifitra ny Filoha Rouhani. raha tsy noho ity governemanta ity, mety ho tena voafetra ny aterineto, ka na ireo mpifanandrina amiko aza tsy ho afaka nampiasa azy io ho amin'ny fampielezankevitra.

Rouhani: Raha tsy noho ny ezak'ity governemanta ity tamin'io sehatra io, mety tsy ho nisy haino aman-jery sosialy velona intsony amin'izao fotoana izao, mety efa nataon-dry zareo sorona izy rehetra hatreto.

Ny filoha lefitra ankehitriny aza, Eshaq Jahangiri, izay nihazakazaka nanao ny ankamaroan'ny fampielezankevitra tamin'ny fifidianana, toy ny hoe kandidà ho filoha “mpisolo toerana” sy “mpiara-mihazakazaka” (efa noahiahiana ihany hoe hiala an-daharana izy ary hanohana an'i Rouhani amin'ny minitra farany, ary dia izay no nataony), dia nizotra tamin'ny fanaovana izay fara-heriny hiarovana ny fanolorantenan'ny governemantan'i Rouhani hanome fahalalahana ny aterineto. Ilaina marihana ny hoe, maro amin'ny fototra niaingàn'i Jahangiri no nahitàna ireo mpandàla fihavaozana tao amin'ny firenena, mazàna maneho ny amin'ireo soatoavina momba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahafahana mahazo vaovao.

Manisa ireo zavabitan'ny governemantan'i Rouhani i Jahangiri, ilay reformista: fiarovana ny aterineto malalaka sy ny gazety malalaka, famelàna ireo ONG 8 arivo hisokatra.

Ny 6 Jona, anefa, 18 andro taorian'ny nahavoafidy indray an'i Rouhani, nanambara tao amin'ny fotoam-pivoriana iray tao amin'ny antenimiera ny Minisitra Mahmoud Vaezi misahana ny Fifandraisandavitra sy ny Teknolojian'ny Fampahalalambaovao hoe tena nanatsara tamim-pahombiazana tokoa ireo fomba fifehezana ny aterineto i Rouhani ary maro ireo sehatra nakatony.

Nofaritan'Ing. Minisitra ireny ezaka ireny ho toy ny làlana hiarovana ny filaminam-pirenena Iraniàna:

در ۴ سال گذشته تلاش شده به نوعی فرصت ها را افزایش و امنیت فضای مجازی را ارتقاء دهیم و تهدیدات را کاهش دهیم.

Tao anatin'ny efatra taona lasa, niezaka izahay ny hampitombo izay azo natao sy hanamafisana ny fiarovana ny tontolon'ny aterineto ary hampihenàna ny fandrahonana…

Notohizany tamin'ny famaritana ny fomba fiasan'ireo Iraniàna manampahefana miaraka amin'ny Telegram mba hamoronana habaka iray azo antoka ho amin'ny tombontsoa hiadiana amin'ny fanararaotana ara-nofo, ny fanararaotana ankizy, ny ‘herisetra’, ny ‘fampihorohoroana’ ary ny ‘votoaty manohitra ny finoana’. Tsara marihana fa efa tany amboalohany ny Telegram no nandà fiarahana miasa amin'ny governemanta Iraniàna, afa-tsy ny fibahanana ireo votoaty vetaveta hita fa tsy mendrika any amin'ireo mpaninjara toy ny App Store an'i Apple.

وزارت ارتباطات به جای مسدود کردن تلگرام به عنوان یک شبکه اجتماعی خارجی که باعث مهاجرت کاربران آن به شبکه اجتماعی دیگر می شود با مدیران آن تفاهم کرده که پنج مصداق مفاهیم جنسی، کودک آزاری، ترویج خشونت، تروریسم و محتوای ضد دین در این نرم‌افزار مسدود شود و تاکنون ۱۷۳ هزار از این مصادیق بسته شده است تا جایی که در ابتدای فعالیت تلگرام ۱۰ درصد مشکل در این زمینه وجود داشت که اکنون به دو درصد کاهش یافته است.

Raha tokony hanakana ny Telegram amin'ny maha sehatra haino aman-jery vahiny azy sy hamindra ireo mpampiasa azy io ho any amina sehatra hafa, dia naleontsika niasa niaraka tamin'ireo mpandrindra azy ary nifanaiky taminà lohahevitra dimy, ka isan'ireny ny hibahanana ao amin'io rindrambaiko io ny fanararaotana ara-nofo, ny fanararaotana ankizy, ny herisetra, ny fampihorohoroana sy ny votoaty manohitra ny finoana, ary hatreto dia nisy 173.000 tamin'ireny lohahevitra ireny no nakatona. 10% tamin'ny asa nataon'ny Telegram no nahitàna ireny olana ireny, efa tafidina ho 2% izany amin'izao fotoana izao.

Tsy nanazava izay antony mbola itohizan'ny sivana mihanaka be ao Iràna ingahy minisitra, no sady tsy nanondro izay sehatra tena nokendrena tamin'ilay lazainy ho “fanatsaràna voalanja am-piheverana”. Tany aloha ilay minisitra dia nanamarika dingana azo heverina ho nitovitovy amin'io, “fitantavànana am-piheverana,” izay fantatra fa tao amin'ny Instagram ihany no nampidirina.

موضوعاتی که در سوال آقای حاجی در جلسه کمیسیون صنایع مطرح شد با آنچه که امروز ایشان عنوان می کنند متفاوت است. ایشان در کمیسیون درباره یک سایت سوال کرد و من پاسخ دادم اما اکنون مطالبی را در خصوص فضای مجازی ایران و جهان تحت عنوان یک مقاله مطرح کردند. من آمار کشورهای مختلف را قبول دارم اما در مورد ایران آمارها درست نبود. این آمار یا در وزارت ارتباطات و یا در وزارت اطلاعات است و در خیابان و روزنامه نیست. اینکه می‌گویید ۹۰ درصد استفاده مردم از اینترنت بین الملل است و یا اینکه ۶۰ درصد مراجعه مردم به سایت‌های جنسی است اصلا درست نیست؛ بنابراین نمایندگان و مردم توجه داشته باشند این آمارها درست نیست لذا آن را نقل قول نکنند.

Natombokay ihany koa ny fanatsaràna am-piheverana ka lahatsary nanodidina ny 400 tapitrisa no nobahananay tamin'ny alàlan'io fomba io. Raha tany aloha, nisy 8% tamin'ireo tranonkala no nampisy olana, efa tafidinay ho any amin'ny 1,5 % izany ankehitriny. Sady koa, tao anatin'ny telo taona farany, adiresy 7 tapitrisa no nakatonay, izay ireo manampahefana mahefa no nampahafantatra azy taminay, ary rindrambaiko 121 mifanaraka amin'izany no nobahananay, hatramin'ireo fitaovana fialàna sàkana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.