Podcast: Fampahafantarana Ny Tetikasa Nari Jibon

Nari Jibon Cyber Cafe(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Jolay 2007 ity adika amin'ny teny Malagasy eto ity)

Telo herinandro lasa izay, nambara fa iray amin'ireo dimy nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices ny foibe Nari Jibon ao Dhaka, Bangladesh. Hanampy ny Nari Jibon hampiditra bilaogy amin'ny fampianarany Bangla, Anglisy sy solosaina ny vatsy, izay vatsy kely hamatsiana ny vondrona sy ny olona izay mampiely ny media an'olo-tsotra ho an'ny vondrom-piarahamonina tsy hita antserasera.

Natsangan'ilay Mpampianatra Sosiolojia Kathryn Ward tamin'ny taona 2005 ny Nari Jibon ao Dhaka. Manome fampianarana famakian-teny sy fianarana arak'asa ho an'ny tanora vehivavy Bangladeshita ny tetikasa, amin'izay afaka mihary izy ireo sy mahita asa eo amin'ny sehatra hafa ankoatra ny asa an-trano sy ny orinasa fanaovana akanjo.

Efa mampiasa ny fitaovana media an'olo-tsotra sahady ireo tovovavy ao amin'ny Nari Jibon mba handraketana ny tontolo manodidina azy ireo. Nanomboka bilaogy roa izy ireo: amin'ny teny Anglisy, Bangladesh araka ny fijerinay sy amin'ny teny Bangla, Ny Tantaranay. Hahita lahatsoratra momba ny sinema Bangladeshita ianao, fanadihadiana momba ny fiainan'ny mpitondra posiposy, ary vao haingana indrindra, tantarana tovovavy saranga antonony izay lasa mpivaro-tena.

Mahatakatra, Mikolokolo, sy Mandray Anjara Hatrany.

Cyber Cafe

Tsoriko. Tsy afaka mitsidika ireo blaogy ireo ianao raha manantena fitoviana amin'ny New Yorker, na gazety ambony hafa. Tsy haino aman-jery fanjifàna ity fa fifandraisana mivantana.

Koa nahoana izahay no tokony ho liana? Nahoana isika no tokony handany fotoana mba hahatakatra bebe kokoa momba ny fiainan'izy ireo? mba hampitaha ny fiainan'izy ireo amin'ny fiainantsika manokana? mba hanombohana fifanakalozan-kevitra?

Afaka mamaly ihany ny fanontaniana hafa aho: nahoana isika no tokony hiahy ny rehetra? Nahoana isika no mifandray amin'ny olona? Nahoana isika no manaraka ny fiainan'ireo olo-malaza sy ny mpiara-monina? Ary nahoana isika no tsy afaka misafidy mba handray ireo zatovovavy ao Dhaka ho mpiara-belona amintsika koa?

Mahatakatra an'i Bangladesh

Ao amin'ny Global Voices, manao asa mahagaga amin'ny fananganana tetezana eo amin'ireo vondrom-piarahamonina bilaogera izay miha miorina manodidina ny faritra na fiteny iombonana, na fomba fijery ara-politika mihitsy aza izahay. Saingy tsy dia manome vaovao fototra sy votoaty ilaina foana izahay, amin'izay afaka mahatakatra ny any ivelany ary mandray anjara amin'ireo resaka ireo. Izany no tanjon'ity Podcast ity: hilaza ny tantaran'i Bangladesh, ahoana no nahazoany fahaleovantena, ahoana ny fomba niovan'ny fiainan'ireo vehivavy nandritra ny taompolo maro lasa, ary nahoana ny famahanana bilaogy no manana anjara toerana lehibe amin'ny fanomezan-kery ny feon'ny vehivavy Bangladeshita. Nahalala ny feon'ireo bilaogera izay mampahafantatra anay hatrany momba an'i Bangladesh eto amin'ny Global Voices ihany koa izahay. Ireto avy izy ireo:

Rohy voalaza sy ny lahatsoratra:

[display_podcast]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.