Myanmar: Hafatra Miafina Ho an'ny Fitondrana Miaramila Nivoaka Tao Amin'ny Gazety MyanmarTimes

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny Jolay 2007 ity adika eto ity)

Bilaogera Myanmar vitsivitsy no niresaka momba ny dokambarotra miaraka amin'ny hafatra miafina izay nivoaka tao amin'ny gazety Myanmar Times, tamin'ny Alatsinainy 23 Jolay 2007.
hidden message in Myanmar Times

Bilaogera N3 nilaza fa navoaka toy ny dokambarotry ny sampana misahana ny fitetezam-paritra ny hafatra ary nosoratana mivadika. Ny ampahany voalohany amin'ny hafatra miafina dia mivaky hoe “Fahalalahana” ary ampahany hafa mivaky hoe “Mpamono olona Than Shwe”.

Nikaroka izay niavian'ny dokambarotra i May11 mba ahafantatra ny hevitra ambadiky ny hafatra ary nahita fa:

The ad which looks as if it is promoting tourism in Burma for Scandinavian had a hidden messages to the burmese junta. The first letter in each of the words in the poem spells the word “freedom” and the name of the Board of Islandic Travels Agencies is “Killer Than Shwe” spelled backwards.

Ny dokambarotra izay tahaka ny mampiroborobo ny fizahantany ao Burma ho an'ny Skandinavianina dia nahitana hafatra miafina ho an'ny mpanongam-panjakana Birmana. Ny tarehintsoratra voalohany isaky ny teny ao amin'ny tononkalo dia ahitana teny hoe “fahafahana” sy ny anaran'ny Biraon'ny Sampana misahana ny Fitetezam-paritra Islandika “Mpamono Olona Than Shwe” vakiana mivadika

Ny Jeneraly Than Shwe no lehiben'ny fitondrana miaramila ao Myanmar.

Mandritra izany, Nyein Chan Yar nisaotra ny vondrona izay nametraka izany dokambarotra izany tao amin'ny gazety.

Napetraky ny vondrona Danoà Surrend ny dokambarotra. Efa nanao tahaka izany tao Iran.ny Surrend taloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.