- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Ny Fihetseham-poko Manoloana Ny Famahanana Bilaogy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 19 Oktobra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tapa-kevitra ny hamahana bilaogy momba ny fiainanao sy miditra amin'ny antsipiriany manokana momba izany ianao. Ary gaga  ianao avy eo fa mamaky ny bilaoginao ny havanao sy ny namanao .
Ankehitriny rehefa miseho ianao, moa ve ianao manana fahalalahana araka izay efa noeritreretinao ?
Miresaka momba ity olana ity ato [1](Ar) ilay bilaogera Egyptiana Mohamed El Tohamy (Aka 2-Hamy) [2] ary manoratra momba ny fihetseham-pony vaovao manoloana ny famahanana bilaogy.

بعد فترة في التدوين .. عرفت أسهل طريق في نجاح المدونات هو أن تكتب موضوعات السياسية و أرتبطت فكرة السياسية بمعنى كلمة مدونة عن الناس البعيدة عن المجال ..ولكني فضلت أن أدون عني وعن حياتي الشخصية وعن أصدقائي .. ظلت مدونتي نجاحه حتى أصبحت عائلتي و أصدقائي و معارفي تتابع المدونة ..لم أعد أكتب مثل ما قبل ..لم أعد أشعر بحريتي وتمنيت لو كنت شخصية خفية لا احد يعرف من أنا ؟ بدأت أشعر أن كلامي سوف يحسب في يوم من الأيام عليا .. لدى شعور غريب أن شخص غريب سوف يظهر في حياتي ويكون قرأ كل ما كتبت … تخيل شخص يعرف عنك كل شئ وأنت لا تعرف عنه اى شئ
لا أستطيع أن امتنع عن التدوين ولا أستطيع أن أعود إلى الماضي و أن أدون بحرية

Nahatsapa aho rehefa namahana bilaogy nandritra ny fotoana fohy fa ny fomba tsotra indrindra mba hananana bilaogy mahomby dia ny fanoratana foto-kevitra mikasika ny politik . Mampifandray ny politika amin'ny bilaogy ny olona tsy zatra amin'ny famahanana bilaogy. Na izany aza, nisafidy ny hanoratra momba ny fiainako sy ny namako manokana aho. Ary lasa nahomby ny bilaogy rehefa nahita aho fa mamaky izany ny fianakaviana sy ny namana. Ary avy hitako fa tsy afaka nanoratra toy ny teo aloha aho. Tsy azoko intsony ny aiko, ary naniry ny hiafina mba tsy ho fantatr'olona aho. Nanomboka nahatsapa aho fa entina hamelezana ahy ny zavatra rehetra izay lazaiko. Manana ahiahy hafahafa aho fa misy olona tsy fantatro hiseho eo amin'ny fiainako, ary hisy olona iray hamaky ny lahatsoratra rehetra izay soratako. Azonao an-tsaina ve fa misy olona iray izay mahalala ny zava-drehetra momba anao, kanefa ianao tsy mahalala na inona na inona momba azy.
Tsy afaka mitsahatra intsony amin'ny famahanana bilaogy aho; tsy afaka miverin-dalana intsony aho ary tsy afaka manoratra an-kalalahana toy ny teo aloha intsony.