Tsy Misy Fampanambadiana Ankizy Intsony Ao Trinidad & Tobago

Peratra mariazy eo ambony fasika. Sary an'i Derek Gavey, CC BY 2.0.

Tsy ara-dalàna intsony ao  Trinidad sy Tobago ankehitriny ny fampanambadiana ankizy. Ny 9 Jona 2017, nandany tsy nisy nitsipaka ny fanaovan-dalàna handraràna io fomba fanao io ny tao amin'ny parelemantan'ny firenena, nanova ho 18 ny taona hahafahana mandeha manambady.

Talohan'io fanitsiana ny Lalàna momba ny Fanambadiana io, nampihatra io fomba fanao io ireo mpikambana sasany avy amin'ireo vondrom-piarahamnoinana Hindo sy Miozolmana, ary tamin'ny May 2016 dia nisy tabataba be nataon'ny vahoaka  rehefa nilaza ny Frera Harrypersad Maharaj, mpitarika ny Inter-Religious Organisation (IRO), vondrona iray izay ivondronan'ireo solontena maro avy amin'ireo vondrom-pivavahana isankarazany ao amin'ny firenena, hoe tsy tokony hitsabaka amin'izany ny fanjakàna satria “tsy ny taona no mamaritra ny fahamatorana”.

Nitranga io, na eo aza ny zavamisy hoe i Trinidad sy Tobago dia isan'ny mpanasonia ilay Fifanarahan'ny Firenena Mikambana Momba ny Zon'ny Ankizy (UNCRC), izay manoritra ireo tanora tsy ampy taona ho “izay rehetra latsaky ny 18 taona”. Ny antontanisan'ny Firenena Mikambana ho an'ny vanimpotoana 2002-2012 tao Trinidad sy Tobago dia mampiseho fa 1,8 ny isanjaton'ireo ankizy nampanambadiana teo amin'ny faha-15 taonany, ary ny teo amin'ny faha-18 taonany dia 8.1 isanjato. Tamin'ny  2011, nanamafy ny Birao Foiben'ny Antontanisa ao amin'ny firenena fa maherin'ny 8.400 ireo ankizivavy ary 1.300 ireo ankizilahy latsaky ny 19 taona nandeha nanambady teo anelanelan'ny 1997-2007.

Haingana be sy tsara tohana ireo fanangonan-tsonia tety anaty aterineto sy ny fisahotakotaky ny haino aman-jery sosialy nitady izay hanaovana lalàna hanakanana ny fanoratana fanambadian'ankizy, ary tsy isalasalàna fa nanampy tamin'ny nahazoana izao vokatra farany izao. Na izany aza, misy ny indro kelin'ny mpandrafitra. Hindo iray mpitarika, ohatra, no tsy nisy henatra tamin'ny nilazàny tamin'ireo mpanakiana ny fampanambadiana ankizy  “hisaina ny raharaha[n'izy ireo] manokana”. Ny fanoherana ara-pinoana tahaka izany no nahatonga ilay lazaina mahazatra ho olana tsotra ho somary poakaty; ary amin'ny lafiny iray nisy nampisalasala ny amin'ny haneken'ny avy amin'ny fanoherana na tsia ilay tolodalàna.

Saingy tany ampiandohan'ny taona 2017, lany ilay Volavolan-dalàna miaty ireo Fepetra Samihafa Momba ny Fanambadian'ny Ankizy — na dia nisy aza loholona efatra nanohitra azy (nahitàna vehivavy iray) ary iray tsy miankina nisafidy ny tsy haneho hevitra — nanokatra làlana ho an'ilay tolodalàna mba hodinihana tao amin'ny Antenimieran'ireo Solombavambahoaka, toerana izay ny maro an'isa tsotra dia efa afaka hamadika azy ho lalàna.

Ankehitriny, ny fankatoavan'ny filoha azy io no sisa tavela ho an'ilay firenena, ary avy eo dia ho avoaka ilay lalàna.

Tao amin'ny Instagram, naverin'i Leslie-Ann Boiselle nalefa ny sata Facebook an'ny iray amin'ireo loholon'ny firenena:

#girlsnotbrides #historywasmadetoday #endchildmarriage #letourchildrenbechildren #letourgirlsbegirls #trinidadandtobago??

A post shared by Leslie Ann Boisselle (@trinilab) on

Mivaky hoe:

Ingahy loholona hajaina Clarence Rambharat: lany tao amin'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka ilay tolodalàna 2016 miaty ireo fepetra isankarazany momba ny fanambadian'ny ankizy, tamin'ny vaton'ireo mpikambana niisa 35 nanaiky ary tsy nisy nanohitra. Rehefa avy nolanin'ireo tao amin'ny Antenimeran-doholona, efa afaka manohy ny làlany hivadika ho lalàna ankehitriny ilay volavolan-dalàna.

Tsy hitan'ny ankamaroan'ireo mpampiasa haino aman-jery sosialy ny ho asiana ny lohany rehefa hoe niova ihany ilay lalàna momba ny fanambadian'ny ankizy. Hoy i Lovell Francis, mpampiasa Facebook :

Ela loatra ary feno resabe poakaty tsy nilaina, saingy hainareo ihany hoe tsy ara-dalàna ny fanambadian'ny ankizy aty Trinidad sy Tobago amin'izao fotoana izao, sy hoe tsy azo sandaina na inona na inona.

Raha i Abeo Jackson nihevitra azy io ho naka fotoana elaela ihany mba hanafoana ilay fomba fanao, Lara Quentrall-Thomas kosa niravoravo hoe ela ny ela ka tonga ihany ilay andro:

Sata nataon'i Lara Quentrall-Thomas ho hitan'ny daholobe, izay milaza hoe, “Vaovao mahafinartra! Lany ilay tolodalàna momba ny Fanambadiana. Taona farany ambany – 18, Vato- 35 nanaiky – 0 nitsipaka!!!!”

Folade Mutota avy amin'ny Women's Institute for Alternative Development (WINAD), (Ivontoeran'ireo Vehivavy ho an'ny Fampandrosoana Azo Atao Fanolo), vondrom-piarahamonina sivily iray izay tsy mitsitsy teny milaza momba ny ilàna ny fandaniana ilay volavolan-dalàna, no nanamarika hoe:

18 taona ny taona andehanana manambady ao TnT, tsy ijerena ny finoana arahana. Lany androany 9 Jona 2017 ny tolodalàna natao hanitsiana ireo lalàna momba ny fanambadiana.
Misy 41 ireo parlemantera ao amin'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka ka 35 ireo tonga nanao fifidianana. Nifidy ny handany ilay Volavolan-dalàna daholo ireo parlemantera nanatrika teo.
Tsy hamela intsony ny fampanambadiana ankizy ny lalàna eto TnT.
Tolona naharitra ela iny […] #childmarriageischildabuse
Miaraka amin'ny fisaorana ireo mpikatroka rehetra izay nitarika io tolona io. Arahaba.
Isaorana koa ireo mpanao lalàna eto amintsika.

Saingy nisy ny voa mamaràra niseho tamin'ny endrika Sat Maharaj, ilay sekretera jeneralin'ny  Sanatan Dharma Maha Sabha, ilay fikambanana Hindo fantadaza indrindra ao amin'ny firenena. Volana maro lasa izay, nanambara ny eritreriny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsaràna i Maharaj raha toa ka lany ilay lalàna, ary toa narahany izay zotra izay. Raha toa ny Lehiben'ny Fampanoavana, Faris Al Rawi, izay niaro fatratra ilay tolodalàna, nilaza fa zon'ny Maharaj eo anatrehan'ny lalàna ny mandà izany, ny ankamaroan'ireo mpampiasa media sosialy kosa naniry ny hitondràna amin'ny fomba hafa ny adihevitra momba ilay olana. Patricia Worrell nanosoka hevitra hoe :

Sat hajaina,
Raha, ho solon'ny fanentanana adihevitra ankapobeny, ary amin'ny fomba tsotra tsara antoka hiteraka saritaka sy fanoherana, toy ny ‘fanasàna ny fanjakàna hitsofoka any an'efitrano fandriantsika”, aleo isika miresaka momba ireo olana manokan'ny fanjakàna amin'ny “fiarovana ny zanaka vavintsika manoloana izay rehetra mety ho endrika fanararaotana ataon'ireo lehilahy goavana, mafy lamosina sy manan-tombo’, vonona hiroso amin'izany adihevitra izany va ianao?
Sa heverinao fa tsy olana izany?

Na ho lavina eny anatrehan'ny tribonaly io na tsia, efa dingana goavana io fanaovan-dalàna io — saingy mbola misy foana toerana eto amin'izao tontolo izao izay ahafahan'ny fampanambadiana ankizy mahita tohana araka ny lalàna na mitohy ho toy ny fenitra ara-piarahamonina, na eo aza ny lalàna ao amin'ilay firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.