- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fahatsiarovana An'i Rasoulov, Artista Mafana Fo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Saripika, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 23 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Iray tamin'ireo mpandeha miisa 68 izay namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny   [1]Boeing 737 Iraniana tamin'ny faran'ny volana Aogositra tamin'ity taona ity i Mohsen Rasoulov, mpaka sary, mpanakanto, mpanao sariitatra ary bilaogeran-tsary Iraniana mafana fo iray .

Araka ny tranonkalam-baovao, nianjera teo ivelan'ny seranam-piaramanidina tao an-drenivohitr'i Kyrgyzstan, Bishkek tamin'ny 24 Aogositra ny fiaramanidina izay nitondra olona miisa  90. Bilaogera Iraniana maro, bilaogeran-tsary, ary mpanakanto no nahatsiaro ity mpaka sary manan-talenta 24 taona ity tao anatin'ny bilaogin'izy ireo sy ny tranonkala.

Isaorana i Kosoof [2], bilaogeran-tsary Iraniana sady naman'i Rasoulov, atolotray eto ny asany vitsivitsy izay miainga avy amin'ny: sary mankany amin'ny graffiti, avy any amin'ny fiainana an-tanandehibe mankany amin'ny famoronana manokana.

Azonao trandrahana ny ankamaroan'ireo sariny ao amin'ny bilaogin-tsariny, MoosVille [3].  Navoaka an-tserasera dimy andro talohan'ny fianjeran'ny fiaramanidina ny sary farany .

Nanapika sary maro mampiseho ny fiainana an-drenivohitra  toy ity iray ity i Mohsen Rasoulov :

Na ity iray ity, izay ahitana ny fihaonana ara-voajanahary mahagaga anay:

Mpakafy graffiti ihany koa i Rasolouv, ary fantatra tsara ihany koa izy amin'ny fomba famoronany:

Azo jerena ato [4] ny sasany amin'ireo graffiti nataon'i Rasolouv.