Iran: Fahatsiarovana An'i Rasoulov, Artista Mafana Fo

(Marihina fa tamin'ny 23 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Iray tamin'ireo mpandeha miisa 68 izay namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny  Boeing 737 Iraniana tamin'ny faran'ny volana Aogositra tamin'ity taona ity i Mohsen Rasoulov, mpaka sary, mpanakanto, mpanao sariitatra ary bilaogeran-tsary Iraniana mafana fo iray .

Araka ny tranonkalam-baovao, nianjera teo ivelan'ny seranam-piaramanidina tao an-drenivohitr'i Kyrgyzstan, Bishkek tamin'ny 24 Aogositra ny fiaramanidina izay nitondra olona miisa  90. Bilaogera Iraniana maro, bilaogeran-tsary, ary mpanakanto no nahatsiaro ity mpaka sary manan-talenta 24 taona ity tao anatin'ny bilaogin'izy ireo sy ny tranonkala.

Isaorana i Kosoof, bilaogeran-tsary Iraniana sady naman'i Rasoulov, atolotray eto ny asany vitsivitsy izay miainga avy amin'ny: sary mankany amin'ny graffiti, avy any amin'ny fiainana an-tanandehibe mankany amin'ny famoronana manokana.

Azonao trandrahana ny ankamaroan'ireo sariny ao amin'ny bilaogin-tsariny, MoosVille.  Navoaka an-tserasera dimy andro talohan'ny fianjeran'ny fiaramanidina ny sary farany .

Nanapika sary maro mampiseho ny fiainana an-drenivohitra  toy ity iray ity i Mohsen Rasoulov :

Na ity iray ity, izay ahitana ny fihaonana ara-voajanahary mahagaga anay:

Mpakafy graffiti ihany koa i Rasolouv, ary fantatra tsara ihany koa izy amin'ny fomba famoronany:

Azo jerena ato ny sasany amin'ireo graffiti nataon'i Rasolouv.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.