
Mpianatra manao tantara an-tsehatra noheverina ho manala baraka ny Tafika Burma/Salai Thant Zin/The Irrawaddy
Ity lahatsoratra avy amin'i Salai Thant Zina sy nadikan'i Thet Ko Ko tamin'ny teny anglisy ity dia avy amin'ny The Irrawaddy, vohikalam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ary navoaka indray eto amin'ny Global Voices izay tafiditra ao anatin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty..
Nampiasain'ny manampahefan'ny governemanta manokana ho an'ny tafika Birmana ny volavolan-dalànan'ny fanalam-baraka an-tserasera ao amin'ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra 2013 ao Myanmar mba handrahonana ireo mpitsikera, mpitati-baovao, ary mpikatroka ao amin'ny firenena.
Nosamborina tamin'ny 4 Jona 2017 ny mpitarika ny zon'olombelona ao an-toerana ao amin'ny faritanin'i Pathein , rehefa voampanga teo ambanin'ny andininy faha-66 (d) amin’ ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra noho ny fandefasany mivantana ny tantara an-tsehatra iray izay mitsikera ny fifandonan'ny tafika niaraka tamin'ny vondrom-poko mitam-piadiana tao amin'ny Facebook.
Nosamborin'ny polisy i U Tun Tun Oo, mpitarika ny Fikambanan'ny Mpikatroka Mpiaro ny Zon'olombelona, noho ny fandefasana mivantana ny fampisehoana tantara mitondra ny lohateny hoe “Tsy Mila Ady Izahay” izay nokarakarain'ny mpianatra ao amin'ny lisea sy ny mpianatry ny ambaratonga voalohany ao amin'ny Oniversiten'ny Pathein nandritra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fandriampahalemana tao Pathein tamin'ny 9 Janoary 2017.
Nametraka fitoriana manenjika azy tao amin'ny Foiben'ny Polisy tao Pathein ny mpiasa ao amin'ny Komandin'ny Tafika Burma Atsimo Atsinanana teo ambanin'y andininy faha 34 (d) amin'ny Lalànan'ny Fifanakalozana Elektronika . Kanefa nitady torohevitra avy amin'ny mpahay lalàna tao amin'ny faritra ny polisy izay nanolo-kevitra ny fiampangana an'i U Tun Tun Oo teo ambanin'ny andininy faha 66 (d) .
Nentina tany amin'ny Fitsaran'ny Faritra Pathein i U Tun Tun Oo tamin'ny Alatsinainy.
Mpianatra miisa sivy no nilalao ny tantara manesoeso, izay nahitana ny sampam-baovao antsoina hoe “Oxygen” nanadihady ireo mpanohana ny ady tao Myanmar .
“Nalefako mivantana izany mba ahafahan'ny namako mijery izany satria nandray anjara tao amin'ny tantara an-tsehatra ny zanako lahy. Tsy nieritreritra ny hanala-baraka ny tafika aho, ” hoy izy nilaza tamin'ny fampitam-baovao.
Nanenjika ireo mpianatra sivy izay nandray anjara tao amin'ny tantara an-tsehatra ihany koa ny Tafika ao Myanmar noho ny fanalam-baraka.
Nanafaka madiodio ny mpianatra fito tamin'ireo sivy ny mpitsara tao amin'ny Fitsaran'ny Faritra Pathein fa niampanga ny roa hafa kosa Ko Aung Khant Zaw sy Ko Myat Thu Htet, izay nikarakara ny tantara an-tsehatra. Mbola miatrika fitsarana izy roa ireo.
Hatramin'ny nampiharana ny Lalànan'ny Fifandraisandavitra tamin'ny taona 2013, efa nisy 67 ny fitambaran'ny raharaha nametrahana fitoriana tamin'ny andininy faha-66 (d), araka ny fikarohana nataon'ny vondrona tao an-toerana izay notarihin'ilay gadra teo aloha Maung Saung Kha, poety iray izay nogadraina teo ambanin'ny raharaha mitovy amin'izany tamin'ny taona 2016.
Tamin'ny 2 Jona 2017, notazonin'ny polisy i Ko Kyaw Min Swe, lehiben'ny toniandahatsoratra ao amin'ny gazety The Voice Daily sy i Ko Kyaw Zwa Naing, mpanao matoandahatsoratra tsy tapaka, izay fantatra ihany koa amin'ny anarambositra Britanika hoe Ko Ko Maung, araka ny andininy faha-66 (d) noho ny lahatsoratra manesoeso ny dingan'ny fandriampahalemana tao Myanmar .