Mety Hanafoana Ny Lalànan'ny Lisitry Ny Bilaogera Tsy Nahomby I Rosia

Sary: Pixabay

Nampiditra lalàna manafoana ilay antsoina hoe ny “Lisitry ny Bilaogera” izay noforonina tamin'ny taona 2014, mikendry ireo bilaogera malaza amin'ny alalan'ny lalàna manokana ny mpanao lalàna Rosiana ao amin'ny “Duma”m-panjakana.

Araka ny fanazavana mikasika ny volavolan-dalàna ,”hita fa tsy nahomby” ny fitsipika novolavolaina  ho an'ny bilaogera telo taona lasa izay

Tamin'ny taona 2014, nandany lalàna mampiditra ireo bilaogera manana mpijery mihoatra ny 3000 isan'andro ao anaty lisitra tantanin'ny Roskomnadzor, izay mpanivan'ny governemanta Rosiana, ny governemanta federaly.Tao anatin'ny telo taona, nanampy tranonkala miisa 2.000 teo ho eo tao amin'ny lisitra ny manampahefana.

Araka ny lalàna,  iharan'ny fitsipika mitovy amin'ny sehatra fampitam-baovao izay tsy maintsy manao fanaraha-maso ny bilaogera rehetra izay tafiditra ao anaty lisitry ny governemanta, izay manery ny bilaogera hanara-maso ny zavatra rehetra havoakany ao amin'ny tranonkalany, mba hisorohana ny fampiasana ny zavatra mamoafady, ary hampiseho ny tena anarany. Tamin'ny volana Martsa 2015, nanambara ny mpitondratenin'ny Roskomnadzor fa tsy mbola nisy na bilaogera iray aza nosaziana tamin'ny fandikana ireo fitsipika ambony ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.