- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Navotsotra Ireo Mpizaha Tany Nalaina An-keriny

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tsidika, Vaovao Mafana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 29 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Olona miisa sivy ambin'ny folo, anisan'izany ny mpizaha tany vahiny 11 izay  nalaina an-keriny 10 andro lasa [1] izay no navotsotra [2] tsy nisy naratra androany vao maraim-be mialoha ny fanafihan’ ny tafika manokana Egyptiana .

Nanolotra lahatsoratra iray eto [3] ho an'ny  tafika manokana Egyptiana noho ny herimpon'izy ireo tamin'ny fanavotana i Zeinobia, tao amin'ny Egyptian Chronicles.

I do not know if anyone of them will ever read this but thank you for bringing joy, faith and hope to people who are really missing a lot these days, thank you for standing up as usual as expected when it needed.

Tsy fantatro raha misy amin'izy ireo no mamaky izany kanefa isaorana  anareo noho ny fanomezana fifaliana, toky sy fanantenana ho an'ireo olona izay tena tsy hita tamin'ireo andro ireo, misaotra anareo noho ny fijoroana toy ny mahazatra araka ny nantenaina izany amin'ny fotoana ilana azy.

Ahitana mpizaha tany vahiny miisa 11,  Italianina dimy,  Alemà dimy ary Romaniana iray ireo nalaina an-keriny tany amin'ny   faritry ny sisintany lavitra an’ Egypta misy zohy manana sary hosodoko heverina ho efa naharitra 10.000 taona. Ny fiara natokana ho an'ny tany efitra ihany no tonga any amin'ny faritra miala eo amin'ny toerana misy ny ady ao Darfur sy atsinanan'i Tchad.

Mandritra izany fotoana izany, nanome rohy mankany amin'ny loharanom-baovao ny The Arabist [4] ary manambara:

The word is the 19 hostages are now free and healthy.

Afaka sy salama tsara ireo takalon'aina miisa 19 amin'izao fotoana izao .

Hoy ny tatitr'i  Elia Zarwan raha nanoratra tao amin'ny The Skeptic [5]  izy talohan'izay:

Sudanese government officials are telling [6]reporters [7] that the Sudanese forces killed six men accused of complicity in the abduction of 11 tourists and eight Egyptian guides after a high-speed chase through the desert. The Sudanese say they captured two people involved, who said that the hostages had been moved to Chad. If all the reports coming out have been true, then the hostages have been moved from Egypt, across the border to Sudan, across the border into Libya, then back into Sudan, and again across the border into Chad.

Nilaza tamin'ny mpitati-baovao [7] ny manampahefanan'ny Governemanta Sodaney fa namono lehilahy enina izay voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny fakàna an-keriny mpizaha tany 11 sy  mpitarika mpizaha tany Egyptiana miisa valo ny tafika Sodaney taorian'ny fanenjehana haingana tany an'efitra.  Nilaza ny Sodaney fa nahababo olona roa tamin'izany, izay nilaza fa nafindra any Tchad ireo olona natao takalon'aina. Araka ny tatitra nivoaka marina rehetra, dia nalana an'i Egypta ireo takalon'aina, niampita ny sisintany ho any Sodana sy ny sisintany ho any Libya, ary niverina ho any Sodàna, ary avy eo indray niampita ny sisintany ho any Tchad.