Egypta: Embona Shawerma

(Marihina fa tamin'ny 15 Novambra 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Karazana sandwich any Afovoany Atsinanana izay matetika ahitana zanak'ondry na osy voaharatra na akoho voavolo ny Shawerma. Avy amin'ny teny Tiorka hoe çevirme ny anarana hoe Shawarma, izay midika hoe fiovana, ary manana ny fiaviany avy any Anatolia. Mahatsikaiky, na dia teo aza ny ady tsy misy fiafarany ao Afovoany Atsinanana, dia ny Shawerma angamba no hany zavatra hitovizan'ny Arabo, Isiraeliana, ary Tiorka hevitra. Namoaka lahatsoratra iray mikasika ny fahatsiarovany ny fahazazany tamin'ny sandwich Shawerma Ashraf Hamdy (Caricatooz), bilaogera Egyptiana sady mpandravaka an-tsary  .

حينما كنت في الرابعة من عمري تقريبا كان ساندويتش الشاورما “عشق حياتي” بخمسين قرشا ، وكنت تشم رائحتها وأنت في أول الشارع ، وبجانب أن ذلك يشير إلى طعمها الذي كان أسطوريا فهو أيضا أسلوبا مبتكرا للدعاية ، يمكنك الاهتداء إلى مطعم الشاورما باستخدام أنفك فقط .
الآن وصل سعر الساندويتش إلى ثلاثة جنيها تقريبا بلا طعم ولا رائحة ، حتى وأنت تقف أمام سيخ الشاورما وتلفحك حرارة الشواية ولكن أنفك يعجز عن التقاط أي دلالة تشير على وجود شاورما .
بالأمس اشتريت فرخة مشوية علي الفحم باثنين وعشرين جنيه ، تكفي الفكرة وحدها لإسالة لعابي ولكن ما إن وصلت لفمي حتى شعرت بأنني آكل قطع من الكاوتش .
وكذلك الحال مع كل أنواع اللحوم تقريبا .
ويمكنك أن تعمم الموضوع لكل أنواع المأكولات كيفما شئت .
حد يعرف ليه ؟

Tamin'izaho efa-taona, 50 Piastra ny vidin'ny sandwich Shawerma, ilay sakafo tiako. Henonao hatrany ny fofony na dia efa eny amin'ny faran'ny lalambe aza ianao, izay porofo ampy ilazana ny tsirony tsy mampino, sady tetikady amin'ny fomba hivarotana azy ihany koa moa izany. Ho hitanao mora foana ireo trano fisakafoanana mivarotra Shawerma amin'ny alàlan'ny fofona fotsiny ihany.
Amin'izao fotoana, 3 Livra (300 Piastra) ny vidin'ny sandwich izay sady tsy misy tsirony no tsy manitra. Eny fa na dia manoloana ny Shawerma Bar (karazana lafaoro manokana handrahoana ny Shawerma) aza ianao, izay ahatsapanao ny hafanan'ny lafaoro, kanefa dia tsy mbola maheno ny fofony akory ianao.
Nividy akoho natono tokony ho 22 Livra aho omaly, eritreritra fotsiny dia ampy nampilendalenda ahy, kanefa toy ny nihinana fingotra aho raha vao nanomboka nihinana izany.
Azonao tenenina amin'ny sakafo isankarazany rehetra izany amin'izao fotoana izao.
Misy manan-kevitra ve, nahoana no izany no miseho?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.