Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

10 Jona 2017

Tantara tamin'ny 10 Jona 2017

Iran: Mahatsiaro Ilay Famonoana Faobe Tamin'ny Taona 1988 Ireo Fianakaviana

Faha-19 taona namonoana ny gadra politika Iraniana an'arivony izay nalevina tao amin'ny fasana faobe tao Khavaran tamin'ny taona 1988 ny 31 Aogositra. Nitsidika ny fasana misy ny zanany, ny rahalahiny, ny anabaviny izay nalevina tsy nisy anarana na famantarana ireo namana sy havan'ireo niharam-boina.

Iran: Manome Aingam-panahy Ny Zavakanto Ny Hetsi-panoherana

Manohy ny famoronana ny asakanto an-tserasera ny olom-pirenena Iraniana sy tsy Iraniana ho fanohanana ny hetsi-panoheran'ireo Iraniana manohitra ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona tao Iran

Iran: Hetsika Sy Sarin'ny Mpikatroka Maitso

Loharanom-baovao lehibe ho an'ny fampahafantarana ny olana sy ny zava-tsarotra mikasika ny natiora sy ny tontolo iainana ao Iran ny bilaogy maitso. Mandray anjara mavitrika amin'ny fanentanana ireo bilaogera maitso mba hiarovana ny natiora sy ny biby.

Egypta: Navotsotra Ireo Mpizaha Tany Nalaina An-keriny

Afaka ireo olona miisa sivy ambin'ny folo, anisan'izany ny vahiny mpizaha tany nalaina an-keriny tao Egypta 10 andro lasa izay. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera.

125 Taona Ny Lalamby Egyptiana

Mankalaza ny faha 125 taonan'ny lalamby Egyptiana eto ilay bilaogera Egyptiana Zeinobia.

Egypta: Embona Shawerma

Misy ve ny tsiron-kanina sy ny fofon-kanina mijanona maharitra ela ao an-tsainao rehefa miova ny vokatra, ny tsiro, sy ny fofona ? Manontany momba izany fotsiny ity fandikanteny avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo Egyptiana ity.