09 Jona 2017

Tantara tamin'ny 09 Jona 2017

Afganistàna: Nohelohina Ho Faty Fa Nizara Lahatsoratra Avy Taminà Bilaogy

(Fanamarihana: Lahatsoratra tamin'ny Janoary 2008) Ny Fikambanan'ireo Afgàna Mpanoratra Bilaogy (Afghan Penlog), vondrom-piarahamonina iray natsangan'ny andianà bilaogera Afgàna mpikatroka, dia nilaza ny tebitebiny lalina momba ilay tanora bilaogera sady mpanao gazety, Sayed Parwiz Kambakhsh, izay nahazo fanamelohana ho faty avy amin'ny fitsaràna iray ao an-toerana. Mpitatitra vaovao isankerinandro tao amin'ny...

Koety: Ny Fahaizana Miantsena Ao Amin'ny Lalao Olaimpika

Arabs really love shopping, they spend hours after hours in malls, and that's why they wanted to show their shopping skills at this year's Summer Olympics. Unfortunately shopping is not included in the games, but this couldn't stop some Arabs from parading their purchases. Tena tia miantsena ny Arabo , mandany ora maromaro izy ireo ao amin'ny fivarotan-dehibe, ary izany no mahatonga azy ireo te hampiseho ny fahaizany miantsena tamin'ity Lohataonan'ny Lalao Olaimpika ity . Indrisy anefa fa tsy tafiditra tao anatin'ny lalao ny fiantsenana, kanefa tsy manakana ny Arabo sasany haneho ny fahaizany miantsena izany

Frantsa, Amerika, Afrika: Ny Loka “Y'a Bon”

  09 Jona 2017

Tamin'ny 17 Martsa 2009, nanomboka ny "Loka Y'a Bon " ny vondrona antsoina hoe les Indivisibles [Fr] , fanomezam-boninahitra iray hafa kely, izay natolotra ho an'ireo mpanao politika, mpanao gazety, sy mpiasam-panjakana izay nandray anjara tamin'ny fanelezana ny fanavakavaham-bolokoditra tao Frantsa.