- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lavanty Nandaniana Antsasaka Tapitrisa Euros Tao Cannes, Nampideràn'ny Zanakalahin'ny Filoha Angoley Ny Maha-Mpanapitrisa Ny Fianakaviany

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Politika
Eduane Danilo dos Santos, lors de la vente aux enchères d'amfAR à Cannes, France. Capture d'écran / YouTube [1]

Eduane Danilo dos Santos, nandritra ny lavantin'ny amfAR tao Cannes, Frantsa. Pikantsary / YouTube

Niteraka fanakianana be tao Angolà ny lahatsary iray miely be any amin'ny haino aman-jery sosialy ahitàna ny faralahin'ny filoha angoley mandany 500.000 euros, nandritra ny lavanty iray tao Frantsa.

Eduane Danilo Dos Santos, 25 taona, dia zanak'i José Eduardo Dos Santos izay hankalaza amin'ny Septambra ho avy io ny faha-38 naha-filoha azy.

Voatahiry anatin'ilay lahatsary ny fotoana nividianan'i Danilo – tamin'ny voalohany naseho ho toy ny famantaranora fanao amin'ny tànana, saingy avy eo hita fa tahirinà andian-tsaripika – tamin'ny sanda antsasaka tapitrisa euros tamin'ny 25 May tao Cannes, nandritra ny lavanty iray nokarakarain'ny amfAR, fikambanana iray miady amin'ny aretina SIDA. Isantaona ilay fikambanana dia mikarakara lavanty ary fantatra amin'ny fanatrehan'ireo olomalaza avy ao Hollywood azy .

Ao anatin'ìlay lahatsary, manamarika i Will Smith, ilay amerikana mpilalao sarimihetsika, izay toa mitàna ny toeran'ny kaomisera mpiandraikitra ny varotra, no sady miarahaba an'i Danilo sy ilay niaraka taminy teo an-tsehatra, hoe : “Toa tanora loatra tsy eritreretina hanana 500.000 euros ry zareo an”.

Lahatsoratra tao amin'ny Istagram an'i Anish Bhatt, ilay bilaogera manoratra momba ireo famantaranora lafovidy, kaonty izay manana mpanjohy miisa 1,7 tapitrisa [2], no nizaràna voalohany ilay lahatsary [3]. Talohan'ny nanjavonany tao amin'ilay sehatra, dia efa voatahiry sy nakarina tao amin'ny Youtube ilay lahatsary ary vetivety foana dia niely be, niteraka hatezerana tany amin-dry zareo Angoley.

Matetika ny endrika fomba fiaina tia rendrarendran'ny fianakaviana Dos Santos no misarika ny sain'ny gazety iraisampirenena sy ny haromotan'ireo haino aman-jery Angoley. Firenena faharoa ao Afrika amin'ny famokarana solika i Angolà, saingy mijanona ao anatin'ny lisitr'ireo firenena 40 [4] [fr] manana ny tondro ratsy indrindra eto an-tany amin'ny resaka fampivoarana ny maha-olona. Latsaky ny 2 dolara isanandro [5] [fr] no iveloman'ny ampahatelon'ireo vahoaka ao.

Mandritra izany fotoana izany, ny harenan'i José Eduardo dos Santos dia tombanana ho 20 lavitrisa [6][fr] dolara amerikàna, izay mametraka [7] azy ho isan'ireo olona 50 manankarena indrindra eto an-tany [8].

Misy sahoan-dresaka momba ny toepahasalamany amin'izao fotoana izao. Vao haingana i JES, araka ny solonanarana omena azy, no nivahiny 28 andro tao Espaina [9] [fr] nanaraka fitsaboana ary ny zavatra rehetra dia toa milaza fa hiala tsy ho filoha izy amin'ny Aogositra 2017 [10] [fr]. Sambany hatramin'ny 1992 nampidirana ny fifidianana solombavambahoaka tao Angolà no tsy ho hita ao anatin'ny lisitr'ireo kandidà ho atolotry ny MPLA, antokony ny anarany – amin'ity indray mandeha ity, hitarika ny lisitra ny minisitra amin'izao fotoana izao misahana ny fiarovana, João Lourenço, izay azo eritreretina hisolo azy.

Saingy tsy nitandro hasasarana i José Eduardo dos Santos mba hifindràn'ny harembeny mankany amin'ny fianakaviany. Ny malaza indrindra amin'ireo zanany dia ilay zanany vavy mpandraharaha Isabel Dos Santos, 44 taona, hany vehivavy tokana mpanapitrisa ao Afrika. Ankoatry ny maha-filohan'ny filankevi-pitantanana azy ao amin'ny Sonangol, orinasa nasionaly misahana ny solika, manana petrabola any aminà orinasa maro rantsana erantany isankarazany koa izy, any aminà banky sy ny fifandraisandavitra, mitentina 3 lavitrisa dolara amerikàna [11][fr], araka ny lazain'ny gazetiboky Forbes .

Etsy ankilany, i Eduane Danilo dos Santos no nanaraka maso akaiky ny fanomezana ny Angola Telecom ho an'ny tsy miankina, izay hany asa tokana nataony hatreto.

Taorian'ny naharaisany ireo kiana tety anaty haino aman-jery sosialy momba ilay fividianan-javatra tao amin'ny lavanty, nanapaka hevitra i Danilo, araka ny iantsoana azy, hanoratra tao amin'ny pejiny Facebook manokana. Nolazainy fa resaka tsy nifankahazo ilay raharaha ary ireo 500 000 euros dia tafiditra amin'ny fividianana taokanto avo lenta ho an'ny fikambanany “Espírito de Criança” (Fanahin'ny Fahazazàna) fikambanana tsy misy mpahafantatra ety anaty serasera, afa-tsy tamin'ny fanambaràna manokana nataony nandritra ilay lavanty.

Ilay hafatra, izay nofafàny avy eo, saingy efa voadika tany amin'ny tranonkala hafa, dia nilaza hoe [12]:

[…] Gostaria de informar que eu participei sim num Leilão de caridade, não para a aquisição de um relógio, mas sim de uma colecção de Quadros de George Hurrell, em representação da minha associação “Espírito de Criança”.

Tenho forte convicção que devo estar envolvido nesta causa, e acredito que existe uma cura para HIV/SIDA, e devemos continua a procura deste tratamento. O valor monetário desta doação de 500.000€ vai se reflectir para continuarmos de uma maneira unida, a combater este mal que afecta a sociedade em Angola, e o mundo em geral, de forma difícil nos dias de hoje.

A saúde, a cultura e a educação são coisas importantes que defendo, e esta coleção de Quadros de George Hurrell fará parte da Associação ” Espírito De Criança “. […]

[…] Tiako ny mampahafantatra anareo fa nandray anjara taminà lavanty iray fanaovana asa soa aho, tsy ho fividianana famantaranora, fa andianà sary hosodoko an'i George Hurrell, amin'ny naha-solontenan'ny fikambanako “”Espírito de Criança” ahy.
Tena faharesendahatra ho ahy ny tsy maintsy irotsahako amin'io asa io, ary mino aho fa misy fanafody iray hiadiana amin'ny VIH / SIDA, ary tsy maintsy tohizantsika ny fikarohana izay hitsaboana azy io. Ny lanja ara-bolan'io fanomezana 500 000 €  io dia mampiseho ny fanohizantsika ny fandraisantsika andraikitra amin'izay lafiny izay, mba hiadiana amin'io areti-mandoza izay mamely ny fiarahamonintsika aty Angolà sy manerantany amin'ny ankapobeny io, amin'ny endriny sarotra ankehitriny.

Ny fahasalamana, ny kolontsaina ary ny fanabeazana dia zavatra manandanja arovako, ary io tahirinà sary hosodoko an'i George Hurrell io dia ho ampahany hiditra ho an'ny fikambanana “Espírito de Criança”. […]

Ilay bilaogera Anish Bhatt, milaza ho nàmany, dia nanoratra fanehoankevitra iray tao amin'ny Instagram ho fanohanana an'i Danilo. Nofafàna ny zava-boasoratra voalohany tamin'ny teny anglisy , saingy navoakan'ny tranonkala PlantinaLine [13] ny dika amin'ny teny portiogey:

O Meu amigo Eduane Dos Santos não comprou ‘NENHUM’ relógio no Amfar – American Foundation for AIDS Research. A Amfar é uma organização sem fins lucrativos que tem contribuído muito para a pesquisa da AIDS e HIV, o seu tratamento e educação. […]

Fizemos a compra em ‘conjunto’ das peças de arte como uma doação de 500 mil e pretendemos oferecer estas peças de arte (10 no total) , para usar uma parte na exposições em museus em Angola (4 no total) e as outras (6) para um evento no início de Julho de angariação de fundos.

 “NA IRAY AZA” tsy nisy famantaranora novidian'ny namako Eduane Dos Santos tao amin'ny amfAR  – fikambanana amerikàna iray ho an'ny asa fikarohana momba ny SIDA. Fikambanana iray tsy mikatsaka tombony ara-bola ny amfAR ary nandray anjara betsaka tamin'ny fikarohana momba ny SIDA sy ny VIH, ny fitsaboana ary ny fanabeazana momba azy io. […]

Nataonay ilay fividianana “andianà” tokanto avo lenta ho toy ny fanomezana 500.000 euros ary eritreritray ny hanolotra ireo taokanto avo lenta ireo (10 no fitambarany), ho fampiasa rehefa manao fampirantiana any amin'ireo tranombakoka ao Angolà (4 no fitambarany) sy ireo hafa (6) ho an'ny hetsika iray hatao amin'ny fiandohan'ny Jolay mba ho famoriambola.

Na izany aza, tsy nino ny tantarany ireo Angoley mpisera. Mitohy miraraka ny kiana: ohatra, ity an'i Maka Angola  [14] ity, tranonkala iray mpanakiana ny fitondràna :

Uma primeira correcção a Danilo: não foi uma colecção de quadros que ele comprou, mas sim uma colecção de fotografias. Hurrell não foi pintor, foi fotógrafo. Relógios, quadros ou fotografias… Nada muda. Apenas sublinha a leviandade do gesto. Em vez de 500.000 dólares, Danilo gastou ainda mais dinheiro: 500.000 euros, ou seja, cerca de 560.000 dólares. Em vez de um relógio de luxo, comprou uma colecção de fotografias de luxo de George Hurrell. Muitas das suas fotos originais estão à venda no e-Bay por cerca de 100/200 dólares cada. Entregar as fotos à sua associação é um gesto oco. Para que quer a associação essas fotos? Relógios de luxo ou fotografias de Hollywood por 500.000 euros são sinónimo de total falta de discernimento.

Voalohany indrindra, fanitsiana ho an'i Danilo: tsy tahirinà andian-tsary hosodoko no novidiany. Tsy mpanao hosodoko i Hurrell, fa mpaka sary. Famantaranora, hosodoko na saripika … Tsy manova zavatra izany. Fa manipika fotsiny ny hamaivanan'ilay fihetsika. Raha tokony ho 500 000 dolara, dia bebe kokoa noho izany no nolanian'i Danilo : 500 000 euros, eo amin'ny 560 000 doalra eo. Raha tokony ho famantaranora lafovidy, dia andian-tsaripika an'i George Hurrell no novidiany. Betsaka amin'ireo saripika tsy manampaharoany no amidy ao amin'ny e-Bay eo amin'ny 100/200 dolara eo isanisany. Fihetsika tsy misy dikany ny fanomezana ilay tahiry ho an'ny fikambanany. Nahoana no mila ireny saripika ireny ilay fikambanana ? Samy mampiseho tanteraka ny tsy fahaizana mandanjalanja, na famantaranora lafovidy io na saripika avy any Hollywood andaniana 500.000 euros.

Ao anatin'ireo fanehoankevitra ho an'ilay lahatsoratra eto ambony, nanoratra i Elsa Beatriz [15], mponina ao amin'ny renivohitr'i Angolà, hoe :

O que está em causa para nós Danilo não é o que você comprou, mas sim com que dinheiro comprou, se for seu terás que ajustar contas com a justiça, mostrar como é porque ganhou este dinheiro, sendo que apenas tens 23 anos, por seres filho de quem és nós desconfiamos que este dinheiro saio dos cofres do Estado, quer dizer nosso dinheiro, então pedimos que nos proves que nos proves o contrário.

Ny fanontaniana ho anay, ry Danilo, dia tsy izay zavatra novidianao, fa ny hoe vola taiza no nampiasainao, raha volanay ilay izy, mila manao tatitra manoloana ny tribonaly ianao, amin'ny fanehoana ny fomba sy ny antony nanànanao io vola io, eo amin'ny faha 23 taonanao monja, na dia efa fantatra hoe zanak'iza aza ianao, ahianay ho avy ao amin'ny kitapombolam-panjakàna no nakàna ireny vola ireny, izany hoe volanay, araka izany takianay ny hanaporofoanao ny mifanohitra amin'izany.