- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamela ny Ivoahan'ny Dokambarotra Ara-politika Ankehitriny Ny Tambajotra Sosialy Lehibe Indrindra Ao Rosia, Saingy Tsy Ho An'ny Rehetra Izany

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Akon'ny RuNet
[1]

Sary: Pixabay

Nandrarà ny dokambarotra ara-politika ny Vkontakte, tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, miaraka amin'ny famerana hentitra izay hitondra tombontsoa ho an'ny fijoroana ara-politika ao amin'ny firenena .

Araka ny tranonkala TJournal [2], vao haingana no nahamarika ny fiovana politika ilay mpandalina ara-politika  Dmitry Kovalev. Nisarika ny saina momba ny lalàna [3]vaovao nivoaka tao amin'ny Vkontakte i Kovalev tao amin'ny lahatsoratra Facebook [4] tamin'ny Alatsinainy, izay milaza fa tsy ampiharina amin'ny fitaovana fanaovana fampielezan-kevitra ao amin'ny Federasiona Rosiana ny fandraràna ny tranonkala amin'ny dokambarotra ara-politika

Na dia rehefa miresaka momba ny fampielezan-kevitra ao Rosia aza dia nanamafy ny fameperana maro ny Vkontakte, ary manenjika ireo olona rehetra izay mihoa-pefy amin'ny politika ara-dalanan'ny firenena . Araka ny lalàna vaovao, ny Vkontakte dia hivarotra ny sehatry ny dokambarotra amin'ireo kandidà ara-politika izay voasoratra ofisialy ao amin'ny Foiben'ny Vaomieran'ny Fifidianana ao Rosia (voasakana ireo kandidà tsy ofisialy, tahaka an'i Alexey Navalny amin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018),  ny antoko politika voasoratra anarana (voasakana ny vondrona mpanohitra izay mandà ny fisoratana anarana avy amin'ny governemanta), ary amin'ny fikambanana ara-tsosialy izay manana kandidà mpikambana voasoratra anarana amin'ny fifidianana.

Ivelan'ireo fitsipika ireo, mandrara indrindra “ireo dokambarotra amin'ny endrika ara-politika rehetra” ny Vkontakte, anisan'izany ny dokambarotra amin'ny alàlan'ny famoahana lahatsoratra ara-politika, ny tranonkalan'ny depiote-mpanjakana, ny “mpisehatra ara-politika,” ny mpitondra fanjakana, sy ny mpanao fihetsiketsehana, ary ireo dokambarotra rehetra izay mampiely “ny fanehoan-kevitra momba ny hetsika politika” ihany koa.

Nilaza [2]tamin'ny TJournal ny Vkontakte fa efa napetraka nanomboka tamin'ny volana Septambra ny fitsipika mikasika ny dokambarotra ara-politika amin'izao fotoana izao , kanefa  tsy nety nilaza ny orinasa hoe iza ireo kandidà nametraka dokambarotra fampielezan-kevitra tao amin'ny tranonkalany tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tao Rosia  tamin'ny mihitsan-dravina farany teo.

Naminavina tao amin'ny Facebook i Kovalev fa afaka mamorona ny “mpandrindra ny politika anatiny lehibe indrindra” ao amin'ny firenena ny famelana ny  dokambarotra ara-politika ao amin'ny Vkontakte sy Odnoklassniki, tambajotra sosialy roa lehibe indrindra ao Rosia izay samy an'ny Mail.ru.